2011
Sambatra ao An-tokantrano
Aprily 2011


Sambatra ao An-tokantrano

I Buntha sy i Neath dia mpianadahy mipetraka any Siem Reap, Cambodge.

Rehefa valo taona i Buntha dia nanapa-kevitra ny hatao batisa. Rehefa feno valo taona i Neath dia hatao batisa ihany koa izy. “Te-handray ny Fanahy Masina aho,” hoy izy.

Zava-dehibe ho an’i Buntha sy i Neath ny mifanompo. I Buntha dia te-ho mpitory rehefa lehibe. Tsy andrin’i Neath izay hahatonga azy ho “nenibe mpitory,” misiônera zokiny.

Olona avy amin’izao tontolo izao no tonga mba hitsidika ireo trano fahiny ao amin’ny tanànan’izy ireo, saingy i Buntha sy i Neath no tena faly indrindra rehefa mijanona ao an-trano sy mandany fotoana miaraka amin’ny fianakaviany.

I Buntha sy i Neath dia manana toerana manokana any an-tokontany izay ipetrahan’izy ireo rehefa mamaky soratra masina sy manao enti-mody ary mamaky ny Liahona. I Buntha sy i Neath dia tia mamaky ny soratra masina. Miezaka ny mamaky soratra masina isan’andro izy ireo. I Neath dia tia mamaky mikasika ny nofin’i Lehia. I Buntha dia tia mamaky mikasika an’i Nefia.

I Neath dia tia milalao kanety. I Buntha dia tia milalao baolina kitra amin’izay karazam-baolina rehetra izay hitany.

I Buntha sy i Neath dia manokana fotoana betsaka iarahana. Samy miezaka ny ho tsara fanahy amin’izy samy izy sy amin’ireo mpikamban’ny fianakaviany izy roa.

Sary nalain’i Chad E. Phares