2011
Ny Fanekempihavanana dia Mandrakizay
Aprily 2011


Ny Fanekempihavana dia Madrakizay

Raha mahakasika ny fanapahan-kevitra izay noraisiko ka tafiditra ao amin’izany ny fanekempihavanan’ny Ray any an-danitra be fitiavana dia tsy mampaninona izay lazain’izao tontolo izao.

Fony aho mbola zatovo dia nomen’ny Filohan’ny Zatovovavinay fanomezana izay sarin’ny tempoly, ny zatovovavy tsirairay. Niresaka taminay mikasika ny fanekempihavanana sy ny fiainana madio izy. Ary dia namporisika anay izy hametraka tanjona ny handeha any amin’ny tempoly indray andro any.

Noraisiko tao am-poko izany torohevitr’io rahavavy io izany ary nanapa-kevitra aho ny hanao ny fiomanako ho laharam-pahamehana. Tsy nisy tempoly tany Costa Rica tamin’izany fotoana izany, saingy fantatro avy amin’ny batisako vao haingana ny atao hoe fanekempihavanana ary dia tsindrin-daona aho ny amin’ny fahafahana hanao fanekempihavanana fanampiny miaraka amin’ny Tompo.

Tamin’izany dia tsy nisy afa-tsy ny tenako no mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny fianakaviako, ary tsy nampianarina tao an-tranonay ny filazantsara. Nanapa-kevitra ihany aho anefa fa afaka mianatra manokana mikasika ny fitsipiky ny filazantsara ary manaraka azy ireny. Tafiditra tao amin’ny fiomanako ny fanatrehana seminera, na dia natao vao maraina be aza izany. Tafiditra tao ny tsy fampiarahana amin’ny olona alohan’ny faha-16 taona. Ary izany dia nidika ho miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondran-tena—izay mazava ho azy fa tsy zavatra izay fa tsy malaza na koa mahazatra eo anivon’ny ankabeazan’ireo namako, saingy zavatra fantatro fa azoko atao satria nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo aho fa hanao izany.

Ny fandalinana ny soratra masina, nandritra ny seminera sy ny nataoko manokana dia nanamafy orina ny fanapahan-kevitro ny hiaina fiainana madio. Tsaroako ho nentanin’ireo zatovolahin’i Helamàna 2000 manokana ny fanahiko. Araky ny voalaza ao amin’ny Almà 53:20–21, ireo zatovolahy ireo dia “sahy fatratra tokoa raha ny herim-po ary koa ny tanjaka sy ny asa; nefa indro tsy izay ihany—lehilahy marina tamin’ny fotoan-drehetra izy ireo, na inona na inona ny zavatra nankinina taminy. … Lehilahin’ny fahamarinana sy ny fahamatorana izy ireo, fa efa nampianarina azy ireo ny hitandrina ny didin’Andriamanitra sy handeha araka ny hitsiny eo anoloany.” Izaho koa dia te-ho mahatoky amin’ny zavatra rehetra izay nampiandraiketina ahy ary tafiditra amin’izany ireo fanekempihavanan’ny batisako.

Tonga ny fahatakarana fanampiny mikasika ny fanekempihavanana rehefa voantso hanompo tany amin’ny Misiônan’i San Salvador Atsinanana, El Salvador aho. Rehefa nandray ny fanafiana masina tao amin’ny tempoly aho, dia tonga tao an-tsaiko ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10 hoe: “Izaho, Tompo dia voafatotra rehefa manao izay handidiako anareo ianareo; saingy rehefa tsy manao izay handidiako anareo ianareo dia tsy manana fampanantenana.” Nandritra ny asa fitoriana nataoko dia namporisika ahy hanao ny tsara indrindra vitako izany hevitra fonosin’ilay fanekempihavanana izany—dia ny fanaovantsika ny anjarantsika ary ny Tompo manao ny Azy. Rehefa nanao izany aho dia voatahy tamin’ny asanay izaho sy ny namako.

Ny asa fitoriana nataoko dia efa taona maro lasa izay, saingy mbola manohy manovo hery avy amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana aho. Nanomboka tamin’izay dia nahazo fitahiana amin’ny fanompoana ao amin’ny Tempolin’i San José Costa Rica aho efa ho fito taona izao. Ny manompo amin’ny maha-mpiasan’ny tempoly dia manome fahafahana tsy tapaka ahy hahatsiaro ireo fanekempihavanana izay nataoko. Nahita fampahatsiahivana sahala amin’izany aho tamin’ny fanompoako tao amin’ny fikambanan’ny Zatovovavy, izay niezahako nampianatra ny maha-zava-dehibe ireo fanekempihavanana tahaka ny nampianarin’ireo mpitarika ahy.

Tsy mora foana ny mitandrina ireo fanekempihavanantsika. Ohatra, maro ny olona no mahita fa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (na, amin’ny tranga sasany, ny fitondrantena ara-pivavahana amin’ny ankapobeny) dia lany andro. Soa ihany fa tsy mahatsapa faneriterena fanampiny avy amin’ireo izay tsy mitovy finoana amiko aho na avy amin’ny fandehanan’ny fotoana. Manao jery todika ny amin’ny zavatra tsapako fony aho zatovovavy aho rehefa namporisika ahy ny mpitarika anay mba hiomana ny hiaina ho an’ny fanekempihavanan’ny tempoly. Ny fanapahan-kevitra noraisiko tamin’izany no isan’ny narahiko mandrak’androany.

Afaka mijoro amim-pahamatorana amin’ny fanapahan-kevitro aho satria tsy fanapahan-kevitra noraisiko fotsiny izy ireny na nataoko ho an’ny tenako manokana. Raha ny marina dia fanapahan-kevitra noraisiko izay tafiditra ao amin’ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny Ray any an-danitra be fitiavana izany. Tsy maninona izay lazain’izao tontolo izao. Nampanantena ny Tompo aho fa hankato ny didiny. Resaka fanajana izany. Ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa sy ireo fanekempihavanana izay nataoko tany amin’ny tempoly dia manan-kery androany toy ny tamin’ny andro nanaovako azy ireo. Ny fanekempihavanana amin’Andriamanitra dia mandrakizay.

Tsy mora foana ny miaina araka ny fomba nangatahan’Andriamanitra mba hiainantsika, saingy mijoro ho vavolombelona aho fa azo atao izany. Afaka mahazo fahatokian-tena sy hery avy amin’ny fiainana ireo fanekempihavanantsika isika, ary afaka mahazo antoka fa ny Ray any an-danitra dia tsy handao antsika na oviana na oviana. Afaka manao ny zavatra rehetra isika rehefa eo anilantsika Izy (jereo ao amin’ny Môrônia 7:33).

Ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa sy ireo fanekempihavanana izay nataoko tany amin’ny tempoly dia manan-kery androany toy ny tamin’ny andro nanaovako azy ireo.

Sary nataon’i Scott Greer