2011
Valisoan’ny Fanarenana indray
Aprily 2011


Valisoan’ ny Fanarenana indray

Nalahelo aho rehefa nahita ny faharavana nateraky ny horohoron-tany. Kanefa nahatsapa aho fa tia ireo izay maty sy ireo izay tafavoaka velona ihany koa Andriamanitra.

Noho izaho mipetraka ao Shanghai, any Chine, dia nanana fahafahana nandeha niaraka tamin’ireo vondron’ny mpianatra nankany amin’ny Faritanin’i Sichuan tany atsimo andrefan’i Chine aho mba hanampy amin’ny fanarenana ireo tranon’ireo niharam-boina tamin’ny horohoron-tany izay nandravarava ilay faritra taona vitsy lasa izay. Niasa mafy izahay nandamina ny biriky, nisoroka rihitra, nanosika borety feno biriky ary nanao tana-maro nitaona biriky tamin’ny alalan’ny “fanaovan’ny olona filaharana” lava. Tamin’ny andro faharoa dia narary ny lamosiko ary feno lavaka ny saron-tanako. Na dia izany aza anefa dia zava-niseho tsy haiko hadinoana ilay dia ary nanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona ny amin’ny maha-sarobidy ny tenako sy ny tenan’ny tsirairay hafa, izay iray amin’ireo tarigetran’ny Zatovovavy.

Tsikaritro fa ny finoako ny hasarobidin’ny tenako dia nitombo rehefa niasa mafy aho isan’andro. Nanana fahatsapana tsara mahakasika ahy aho satria nanao zavatra izay nanatsara ny toe-piainan’ireo hafa izay sahirana noho izaho.

Nanana fahafahana hitsidika sekoly teo amin’izany faritra izany koa izahay. Rehefa tonga izahay dia nihazakazaka nanatona anay ireo zaza madinika mahafatifaty maro be. Rehefa nahita ireto zaza madinika mahafatifaty ireto aho dia nahatsapa ny hasarobidin’izy ireo tsirairay ihany koa. Zaza madinika mahafatifaty ary zanak’Andriamanitra tokoa izy ireo ary nahatsapa aho fa tia sy mahafantatra azy ireo tsirairay avy Izy.

Tamin’ny fiafaran’ny dia nataonay dia nanana fahafahana nandeha tany amin’ny toeram-pitsangantsanganana iray izahay, izay toerana hisakafoananay atoandro. Rehefa tonga tany anefa izahay dia hitanay fa rava nandritra ilay horohoron-tany izany. Faharavana faran’izay ratsy indrindra hitako izany. Nanosika ahy te-hitomany izany. Goaka ny valin-drihina sy ny rindrin’ireo trano be, nianjera ireo hazo manodidina ary feno zavatra ravarava teny rehetra teny. Nisy vatobe nikodiadia avy teny an-tendrombohitra ary nidona tamin’ny ilan’ny tranobe iray izany ka nandoaka ny valin-drihina sy ny rindrina. Nisy ilan-kiraro teo alohan’ny varavarana fidirana iray.

Raha nieritreritra izany aho sy ny fisian’ny olona maty vokatr’izany loza izany dia niady be ny saiko nieritreritra hoe nahoana no navelan’ny Ray any an-danitra hitranga izao. Angaha moa tsy tiany izy ireo? Kanefa tsaroako ny zavatra nifanakalozanay hevitra tao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy ary teo no nahatsapako fa eny, tiany izy ireo. Fantany sy tiany manokana izy tsirairay ireo. Ireo izay maty tamin’izany andro izany dia zanak’Andriamanitra avokoa. Tamin’ny voalohany dia niteraka alahelo lehibe teo amiko ny fieritreretana izany. Kanefa tsapako avy eo fa ireo olona ireo dia any amin’ny tontolon’ny fanahy ary afaka ny hiverina any amin’ny Ray any an-danitra indray. Nampionona ny fanahiko izany fahatsapana izany ary nitondra fiadanana teo amiko.

Fantatro fa zanak’Andriamanitra aho ary manana hasarobidy lehibe manokana. Zanaky ny Raintsika any an-danitra isika rehetra, izay mahafantatra antsika tsirairay avy manokana. Tia antsika amin’ny fitiavana lalina sy mahery kokoa mihoatra noho ny azontsika eritreretina Izy. Izany fahatakarana izany dia nilentika lalina tao am-poko raha teo am-piasana sy teo am-panompoana ireo olona niharan’ny horohoron-tany mahatsiravina tany Sichuan aho.

Nanampy namerina nanarina ireo trano ho an’ireo olona teo an-toerana i Ashley Dyer (eo ankavanana) taorian’ny horohoron-tany tany Sichuan, Chine tamin’ny 2008.

Sary nahazoana lalana avy tamin’i Ashley Dyer