2011
Nasehony Antsika ny Lalana Hiverenana any An-Trano
Aprily 2011


Ho an’ny Tanora

Nampiseho Antsika ny Lalana Hiverenana any An-Trano Izy

Sary
Elaine S. Dalton

“Tonga teto an-tany ny Mpamonjy mba hampiseho antsika ny fomba hiainana ny drafitra izay nampahafantarina tany an-danitra—drafitra izay raha iainana dia hitondra fifaliana ho antsika. Nampiseho antsika ny lalana hiverenana any amin’ilay fonenana any amin’ny Raintsika any an-danitra ny ohatra izay nataony. Tsy misy olona na dia iray aza tahaka Azy izay niaina ka ‘[n]iorina mafy sy tsy ho azo [no]hozongozonina’ (Môsià 5:15). Tsy mba varimbariana Izy. Nifantoka tanteraka tamin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray Izy ary nitoetra ho marina tamin’ny Asa masina nanirahana Azy. …

“Tafiditra ao anatin’izany drafitra mahagaga izany ianao izay nampahafantarina nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana izany. Ny fahatongavanao eto an-tany ankehitriny dia efa voalamina raha vao nekena ilay drafitra. Tsy kisendrasendra ny fisianao amin’izao fotoana izao sy ny fitoeranao any amin’ny toerana iray. Ny ‘finoan[ao] fatratra sy ny asa soa [nataonao]’ (Almà 13:3) tamin’izany dia nametraka ny fototra iorenan’ny zavatra mety hovitainao ankehitriny raha toa ka mahatoky sy mankatò ianao. … Misy asa lehibe mila ataonao. Mba hahatontosanao ny asa masina nanirahana anao sy hiainanao ny drafitry ny fahasambarana dia tokony ho mafy orina sy tsy ho voahozongozona koa ianao.”

Elaine S. Dalton, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, “At All Times, in All Things, and in All Places,” Liahona, Mey 2008, 116.