2011
Satroka Tsilo, Satroky ny Fandresena
Aprily 2011


Mandrapihaonantsika Indray

Satroka Tsilo, Satroky ny Fandresena

Ho ahy ilay satroka tsilo dia lasa tandindon’ny fahalalan’ny Mpamonjy ny fanaintainantsika miafina rehetra—sy ny fahaizany manasitrana azy ireny.

Volana Aogositra eo amin’ny Tany Masina. Hitany toy ireny nitsilopilopy ireny nanodidina anay ireo zavatra rava sisa tavela tao Kapernaomy tao anatin’ny hafanana amin’ny tolakandro. Toerana mahatalanjona izany, saingy ilay mpanoro lalana anay sy ilay jorery teo akaiky teo dia samy nitabataba nandritra ny fotoana lava, ka dia nanomboka varimbariana ny saiko.

Tampoka teo dia taitra aho rehefa nanondro nankany amin’ilay hazo izay nanaloka anay ilay mpanoro lalana sady niteny hoe: “Antsoina hoe ‘satroka tsilo’ io hazo io.” Nijery ireo sampana feno raviny aho. Aiza izay tsilo eo? Rehefa nanakatra izany aho dia nisintona sampana kely teo akaiky teo.

Io fa hitako niafina teo anivon’ireo ravina ireo tsilo. Maranitra sy manifinify ary mbola maintso ary mitovy halavana amin’ny ankihibeko izany ka tsy hita raha tsy eo akaikikaiky. Kanefa raha toa ka misy olona voantsindron’ny iray amin’ireo ravinkazo misy tsilo ireo dia azo antoka fa hahatsapa marary izy.

Nalaiko sary an-tsaina ireo sary tamin’ny tabilao maro izay nahitako ny Mpamonjy nesoesoana raha nijoro teo anoloan’ny fitsarana feno, ary niakanjo volom-parasy sy nisatroka tahom-boaloboka miolankolana sy maina ary misy tsilo. Tampoka teo dia nieritreritra aho hoe ny mpanompo na ny miaramila izay nasaina nanao izany satroka izany dia mety te-hampiasa sampana maintso toy ireo teo amin’ny hazo nanaloka anay—fa tsy ireny sampana maina sy mora tapaka ireny foana. Ankoatr’izany dia tsy vitan’ny hampanaintainana fotsiny ny tanjon’ny satroka fa entina hanalana baraka sy hanesoana.

Fahiny ny satroka vita amin’ny ravin-kazo maintso—izay matetika vita amin’ny ravina ravintsara manitra—dia matetika omena ireo mpandresy amin’ny fifaninana na ady. Maneho ny endriky ny maha-mpanjaka na emperora ny satroboninahitra vita amin’ny ravintsara. Angamba ilay satroboninahitra nahatsiravina natsofoko tamin’ny handrin’ny Mpamonjy dia maintso sy misy ravina mba hoentina hanehoana amim-panesoesoana izany fanomezam-boninahitra fahiny izany. Eritreritra fotsiny izany fa tsy fotopampianarana akory. Kanefa ho ahy ny fijerena izany amin’izay lafiny izay dia misarika mazava kokoa ny saina any amin’ny lafin-javatra iray ao amin’ny Sorompanavotana, dia ny hoe: mahafantatra ny fahoriantsika ny Mpamonjy ary afaka manasitrana izany Izy.

Ilay akanjo nasalotra Azy dia tandindon’ny fanesoesoana ny maha-mpanjaka Azy. Nanarona ny dian-kapoka sy ny ratra avy amin’ny famonoana nihatra taminy izany. Toy izany koa, ny satroka tsilo vita amin’ny ravin-kazo dia sarintsarin’ny fanehoana ny fandravahana ny fandresena kanefa tena manafina ny fanaintainana tao ambadik’izany.

Maro amintsika no mizaka fanaintainana izay tsy hita maso. Ny fihirana dia mampianatra antsika fa “ao anatin’ny fo mangina no hiafenan’ny fahoriana izay tsy afaka ho hitan’ny maso” (“Seigneur, je te suivrai” Cantiques, no. 141). Kanefa ny Mpamonjy dia mahita. Mahafantatra kokoa ireo fangirifiriana miafina Izy. Ny asa fanompoany iray manontolo dia notanterahina mba hiomanana amin’ny fanatontosana ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny maty. Kanefa dia tsy nahafantatra izany ireo izay nampianariny sy nositraniny. Na dia ireo mpianany aza dia tsy nahatsikaritra izany.

Mahita ny any ankoatran’ireo “akanjo” sy “satroka” izay manafina ny fahoriantsika amin’ny hafa ny Mpamonjy. Rehefa niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahin’ny olombelona rehetra” Izy dia feno famindram-po ary mahafantatra ny fomba hanampiany antsika rehefa manolotra ny enta-mavesatsika eo an-tongony isika (jereo ny Almà 7:11–12). Izy no balisama afaka hanasitrana, eny hatramin’ireo ratra lalina sy miafina aza. Ary ny satroka izay atolony ho antsika dia tena mariky ny fandresena tokoa.

I Kristy Nisatroka Tsilo, nataon’i Carl Heinrich Bloch, nampiasaina rehefa nahazo fahazoan-dalana tamin’ny Tranombakoky ny Firenena ao Frederiksborg any Hillerød, Danemark, tsy azo adika