2011
Manamafy ny Asa ho an’ny Fanavotana ny Fanofanana mikasika ny Boky Torolalana
Aprily 2011


Manamafy ny Asa ho an’ny Fanavotana ny Fanofanana mikasika ny Boky Torolalana

Nandritra ny fanofanana ireo mpitarika maneran-tany tamin’ny Febroary 2011 dia nanoro ny fomba mahomby kokoa hampiasana ny boky torolalana vaovao ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Fivoriana fanaraha-maso ilay fanofanana ny mpitarika maneran-tany natao tamin’ny Nôvambra 2010 izany, izay nampahafantarana ireo boky torolalana.

Nohamafisin’ireo mpandahateny ny fampiasana ireo boky torolalana amin’ny fomba mampientana kokoa ny fanahy, ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny fotopampianarana fototry ny boky torolalana vaovao, ny fomba entina hampiharana ireo fitsipiky ny fampifanarahana ny zava-misy amin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana, ny fomba ahafahana mampihatra ny fanovana hita ao amin’ny boky torolalana mba hampandrosoana ny asa ho an’ny fanavotana ary ny anjara toeran’ny vehivavy eo amin’ireo filankevitra.

Nandray anjara tao amin’izany fampitana izany ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ny Loholona Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, Richard G. Scott, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, ary Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo; ny Loholona Craig C. Christensen; Bruce D. Porter ary W. Craig Zwick ao amin’ny Fitopololahy; ary ireo filohan’ny vondrona fanampiny maneran-tany.

Fampiasana ireo Boky Torolalana Amin’ny Fomba Mampientana Kokoa ny Fanahy

Namporisika ireo mpitarika mba hampitombo ny fahafahan’izy ireo mandray fanambarana ny Filoha Eyring raha nilaza fa ity fivoriana ity dia “fahafahana fanindroany hahafantatra ny fomba fampiasana ny boky torolalana amin’ny fomba mahomby kokoa.”

“Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no hahafantaranao ny fomba hampiharana ny zavatra novakianao tao amin’ny boky torolalana,” hoy izy. “… Mety tsy ho mahazatra anao ny miandrandra na manantena mihitsy aza ny firotsahan’ny fanambarana izay ilainao eo amin’ny asa fanompoanao andavanandro. Tsy ho tonga izany raha tsy misy finoana sy ezaka mafy, kanefa azo tanterahana izany.”

Nampanantena ny Filoha Eyring fa rehefa miasa sy mivavaka ny mpitarika mba “hahatakarana sy hanarahana ny tenin’ny fiainana” nomena azy ireo dia hanampy azy ireo ny Tompo hahafahany hanao asa fanompoana sy fitarihana mihoatra noho ny herin’izy ireo manokana.

Fotopampianarana Fototry ny Boky Torolalana

“Mitahiry fotopampianarana ny boky torolalana,” hoy ny Loholona Oaks, “ary fohy kokoa noho ilay boky torolalana teo aloha izany satria ao anatin’ny lohahevitra maromaro dia tsy manambara ireo fitsipika arahana na manome torolalana amin’izay atao izy ireo. Fa milaza fitsipika kosa anefa izany izay azon’ny mpitarika nentanim-panahy ampiharina … araky ny zava-misy eo an-toerana.”

Nampitandrina ireo mpitarika ny Loholona Bednar sy ny Loholona Christofferson mba tsy handingana ireo toko fanombohana ao amin’ny Manuel 2 ka ho any amin’ireo fepetra arahina ao amin’ireo toko manaraka. Ireo toko fanombohana dia mametraka fototra ara-potopampianarana mba hahatakarana sy hampiharana ireo fitsipika sy fepetra arahina hita ao aoriany.

Nilaza ny Loholona Bednar fa mba hahafahan’ireo boky torolalana ho “mifototra amin’ny fitsipika, miaraka amin’ny fomba fampiharana tena vitsy, dia mitaky fahavononana sy tanjaka ara-panahy kokoa eo amintsika rehetra izany.”

Fitsipiky ny Fampifanarahana amin’ny zava-misy

“Tsy miala amin’izany voalazan’ny boky torolalana isika amin’ny lafiny mahakasika ny fotopampianarana, ny fanekempihavanana ary ny fepetra arahina napetraky ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy,” hoy ny Loholona Nelson. “Azo atao ny manamboatra ireo fiaraha-mientana sasany mba hifanaraka amin’ ny zava-misy eo an-toerana.”

Araka ny filazan’ny Loholona Porter azy dia nampidirina ny toko faha-17, “Fitoviana eo amin’ny fitantanan-draharaha sy ny fampifanarahana amin’ny zava-misy eo an-toerana,” mba hanampiana ireo mpitarika eo an-toerana hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy ary hamaritra ny fotoana izay ilàna mampifanaraka ireo fandaharan’asa sasany amin’ny zava-misy. Manazava ny zavatra tsy azo ovana ny toko ary manome fepetra dimy izay azo hanaovana fampifanarahan-javatra araka ny zava-misy: toe-javatra iainan’ny fianakaviana, fitaovam-pitaterana sy fitaovam-pifandraisana voafetra, kôlejy na kilasy kely, tsy fahampiana ny isan’ireo mpitarika, ary ny teo-javatra misy ara-pandriam-pahalemana.

“Tsy tokony hampalemy ny Fiangonana ny fampifanarahana amin’ny zava-misy araky ny tokony ho izy fa tokony hampatanjaka azy aza,” hoy ny Loholona Porter tamin’ny teny nambarany izay novakian’ny Loholona W. Craig Zwick avy ao amin’ny Fitopololahy. Rehefa manao fampifanarahana amin’ny zava-misy eo an-toerana araky ny fitaomam-panahy ireo mpitarika eo an-toerana dia tsy tokony hahatsapa ho manao zavatra tsy dia mifanentana loatra amin’ny tena izy. Nanoratra ny Loholona Porter fa “ny vondron’ny Fiangonana tsirairay dia manana fahafahana hahazo ny fotopampianarana, ny ôrdônansy, ny herin’ny fisoronana ary ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay ilaina amin’ny fanavotana sy ny fisandratan’ny zanak’Andriamanitra.”

Ny Asa ho an’ny Fanavotana

Ireo fanovana natao ao amin’ny Manuel 2 dia entina hampandrosoana ny asa ho an’ny fanavotana. Nilaza ny Filoha Eyring hoe: “Ho harena sarobidy ho anao ny boky torolalana rehefa ampiasainao izany mba hanampiana amin’ny fitarihana ny hafa hisafidy ny lalan’ny fiainana mandrakizay. Izany no tanjony.”

Ny toko faha-5 dia manambatra ho tokana ao anaty lohateny hoe “L’œuvre du salut dans la paroisse et le pieu” (Ny asa ho an’ny fanavotana eo amin’ny paroasy sy tsatòka) ireo lohahevitra maromaro izay nisaratsaraka teo aloha, ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fitoriana nataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo olona niova fo mba hazoto, ny fampaherezana ireo malaindaina, ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tetiarana, ary ny fampianarana ny filazantsara.

“Nilaza i Paoly fa amin’ity fotoam-pitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana ity dia hangonina ho iray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra,” hoy ny Loholona Bednar (jereo ny Efesiana 1:10). “Asa iray ihany no misy.”

Hoy izy hoe ireo noraisin’ny sasany ho asa tsirairay miavaka tsara anirahana ny Fiangonana ohatra dia “asa iray ihany fa amin’ny sehatra samihafa fotsiny.” Ny asa fitoriana dia fitoriana ny filazantsara ary fanasana ny hafa handray ôrdônansy masina sy hanao fanekempihavanana. Ny fanatanterahana ny Olomasina---ao anatin’izany ny fihazonana ho mazoto, ny fampaherezana ireo malaindaina ary ny fampianarana---dia ny asa fanasana ny olona hanaja ôrdônansy sy fanekempihavanana. Ny fanavotana ny maty amin’ny alalan’ny fanaovana tetiarana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia manome fahafahana ho an’ireo efa nodimandry mba handray ôrdônansy sy hanao fanekempihavanana.

Nilaza ny Loholona Holland fa amin’ny ankapobeny ireo fanovana ao amin’ny boky torolalana dia hiteraka fahatakarana fa tsy ao amin’ny filankevitry ny paroasy fotsiny ireo mpitariky ny kôlejy sy ny vondrona fanampiny mba hieritreritra mikasika ny mpikambana ao amin’ny kôlejiny sy ny vondrona fanampiny misy azy, fa samy manana andraikitra eo amin’ny fisahanana izay zava-mahasoa ny mpikambana rehetra ara-panahy izy ireo.

Nanampy nanazava ny anjara entin’ireo fiovana teo amin’ny fepetra arahina sasantsasany ao amin’ny Manuel 2 amin’ny fampandrosoana ny asa ho an’ny fanavotana ny Loholona Cook.

Nantitranteriny ny maha-zava-dehibe ny fanomezan’ireo eveka sy ireo filankevitry ny paroasy fahafaham-po ireo zavatra ilaina mahakasika ny fifanampiana amin’izao fotoana izay tsy hisian’ny fivoriana mahakasika ny fifanampiana izao intsony. Nohazavainy ny fitomboan’ny anjara andraikitry ny mpitarika ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny filana hevitra amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy. Nohazavainy bebe kokoa ireo fanovana mikasika ny famelana ny ray izay tsy manana fahamendrehana feno ho any amin’ny tempoly handray anjara amin’ny ôrdônansy sy tsodrano ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny toe-javatra sasantsasany.

“Tsy anatin’ny asa fampandehanana fandaharan’asa isika na toy ny mitantanana fikambanana,” hoy ny Loholona Bednar. “Ilaina izany saingy tsy ampy. Asa ho an’ny fanavotana ity. Ary rehefa manomboka mieritreritra mikasika ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana isika, dia hametraka tsara ilay fanontaniana manao toy izao ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hoe: inona no ôrdônansy manaraka ilaina eto amin’ny fiainan’ity olona iray ity na ity fianakaviana ity, ary inona avy ireo fomba azontsika hanampiana ao anatin’izany fiomanana izany?”

Vehivavy eo anivon’ny Filankevitra

Naneho ny ahiahiny ny Loholona Scott fa any amin’ny toerana sasany dia misy mpitarika tsy manome fahafahana ireo vehivavy handray anjara rehefa misy ny filankevitra iraisana. “Rehefa amporisihina handray anjara amim-palalahana amin’ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy ireo [vehivavy], dia hita fa manampy sy entanin’ny fanahy hatrany ireo heviny,” hoy izy.

Afaka mamporisika ny fandraisana anjara ireo mpitarika amin’ny alalan’ny fiantsoana ireo rahavavy amin’ny anarany sy amin’ny alalan’ny fanehoana fankasitrahana noho ny fomba fijeriny sy ny sosokevitra narosony, hoy ny Loholona Scott nanazava.

“Fitahiana fanampiny mirotsaka eo an-tokantranon’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana” izay manaraka izany torolalana izany ny hoe “haneho fankasitrahana bebe kokoa ny andraikitra masin’ny vehivavy eo an-tokantranon’izy ireo ireo lehilahy ireo,” hoy izy nanampy.

Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny firaisan-kevitra tanteraka eo amin’ny mpandray anjara ao amin’ny filankevitra izy. Rehefa tsapa fa misy izany firaisan-kevitra izany dia azon’ny mpitarika iray fantarina mazava tsara izany ary dia azony atao ny mangataka fifidianana. Raha toa misy fotoana tsy mety mitovy hevitra ny mpandray anjara rehetra dia tokony haka ny hevitry ny tsirairay mpandray anjara amin’ny filankevitra ny mpitarika, maneho fankasitrahana amin’ny fomba fijery nozarain’izy ireo, mandray fanapahan-kevitra, ary mangataka ny filankevitra hiarahanohana izany fanapahan-kevitra izany. Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny tsiambaratelo amin’ireo zavatra dinihina ao amin’ny filankevitra ny Loholona Scott.

Vokatra Hita Taratra Mialoha

Namarana ny fanofanana tamin’ny fanehoana fanantenana telo ny Loholona Nelson, dia ny hoe: hamela ny fotoana sy ny loharano ananan’ny mpikambana mba ho ampiasaina amin’ny fomba mahomby kokoa ny fanatsoran-javatra, hitombo eo amin’ny mpihazona ny fisoronana tsirairay ny herin’ny fisoronana entina hitahiana ny olona sy fianakaviana tsirairay eto am-piangonana, ary afaka hahatsapa lalindalina kokoa ny dikan’ny fanoloran-tena sy ny maha-mpanaradia an’i Kristy azy ny mpikambana tsirairay.

Eo amin’ny asa ho an’ny fanavotana, dia tokony hieritreritra ireo ôrdônansy manaraka ilain’ny olona iray ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ary manampy amin’ny lafiny fiomanana.

Sary nalain’i Craig Dimond, © IRI

Nilaza ny mpitarika ny Fiangonana fa tokony samy homena fahafahana haneho ny heviny amin’ny fomba mitovy sy malalaka mandritra ny fivorian’ny mpitarika na ny lehilahy na ny vehivavy.

SARY NALAIN’I CRAIG DIMOND