2011
Hevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy
Aprily 2011


Hevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ahitana lahatsoratra sy fiaraha-mientana izay azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy ity laharana ity. Ohatra vitsivitsy amin’izany ireto manaraka ireto.

“Hahatsiaro Azy Mandrakariva,” pejy 20: Ataovy izay hifanakalozana hevitra amin’ny maha-fianakaviana anareo mikasika ny torohevitry ny Loholona Christofferson :“Afaka manomboka manala ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika isika ary mamerina izany miaraka indray araky ny laharam-pahamehana ka ny Mpamonjy no ho ivon’izany.” Resadresaho ny mikasika ireo fitahiana sasantsasany notanisain’ny Loholona Christofferson fa ho azo raha toa isika ka “mahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva.”

“Ny Herin’ny Soratra Masina,” pejy 52: Aorian’ny fiarahana mamaky ity lahatsoratra ity dia asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny fahatsapan’izy ireo mikasika ny famakiana ny soratra masina sy ny fanatrehana ny seminera. Asao izy ireo hanoratra ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny herin’ny soratra masina ao amin’ny diariny. Amporisiho ireo zanakao mba handalina sy hanao tsianjery soratra masina fehezina.

“Jesoa Kristy Ilay Mpanalalana,” pejy 56: Rehefa mamaky miaraka ity lahatsoratra ity ianareo dia asao ny fianakavianao hihaino ny maha-zava-dehibe ny mpanalalana. Anontanio azy ireo ny mety ho nitranga raha toa ka tsy nanampy ilay mpindram-bola ny mpanalalana iray. Afaka mamaky soratra masina koa ianareo ary mifanakalo hevitra momba ny mahatonga ny Mpamonjy ho ilay mpanalalana antsika. Manokàna fotoana hamakiana ny 2 Nefia 2:27–28 sy ny Almà 42:24--25.

“Niakanjo Tsara,” pejy 70: Asao hanao akanjo maka endrik’olon-kafa ny olona ao amin’ny fianakaviana. Omeo fahafahana ny tsirairay hizara hoe iza izy ireo. Aorian’ny famakiana ny tantara dia hazavao fa na inona na inona anjara lalaovintsika dia zanak’Andriamanitra foana isika.

Fotoam-pifaliana sy Rohim-pifandraisana Mandrakizay

Fony mbola kely ny zanako dia tian’izy ireo ny milalao aorian’ny takarivan’ny mpianakavy ataonay. Ny iray tamin’ireo tena tian’izy ireo dia ilay “Trunky ilay Elefanta,” izay nalaina avy tamin’ny hira nianaran’i Jocelyn zanakay vavy, tany am-pianarana. Rehefa avy miaraka mihira izahay dia mandohalika aho manao an’i Trunky ary taingenan’ireo zanako ny eo an-damosiko. Voalohany dia mitaingina eo amboniko ny zanako lahy roa taona, Jorge; avy eo ny zanako vavy efa-taona, Jocelyn; ary farany Elizabeth vadiko. Rehefa ao an-damosiko izy telo dia entiko mandehandeha mihondinkodina ny efitrano fandraisam-bahiny izy ireo. Tena faly izahay tamin’izany.

Taona maro taty aoriana dia samy niandry ny antsony handeha hanao asa fitoriana ireo zanako efa lehibe. Tadidin’izy ireo ilay “Trunky ilay Elefanta” nandritra ny takarivan’ny mpianakavy iray izay nataonay. Niara-nihira ilay hira izahay ary avy eo dia lasa elefanta indray aho rehefa tsy nanao izany tao anatin’ny taona maro. Nitaingina teo amin’ny lamosiko ny zanako lahy, avy eo ny zanako vavy ary farany ny renin’izy ireo. Niforetaka tamin’ny gorodona aho ary toran’ny hehy izahay rehetra avy teo.

Ny fahatsiarovana izany fotoana izany dia nahatonga anay ho feno fankasitrahana ny amin’ny zavatra ampianarin’ny mpaminany antsika mahakasika ny takarivan’ny mpianakavy. Nianatra izahay fa tsy maninona na dia tsotsotra aza ny takarivan’ny mpianakavy atao fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny tokony hananantsika fotoam-pifaliana miaraka amin’ny fianakaviantsika, fotoana izay hanamafy ny rohim-pifandraisantsika mandrakizay.

Víctor G. Chauca Rivera