2011
Ireo Vaovao
Aprily 2011


Ireo Vaovao

Nanangana ny Tsatòka Voalohany tany Guam ny Loholona Perry

Nitsidika an’i Guam ny Loholona L. Tom Perry avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny Desambra 2010 mba hanangana ny Tsatòkan’i Barrigada Guam, ilay tsatòka voalohany ao amin’ny faritanin’i Guam. Nandritra ny diany tany, ny Loholona Perry, izay nanompo tao amin’ny Tafika an-dranomasin’i Etazonia teo amin’io faritra io nandritra ny Ady Lehibe faha- II, dia nitsidika koa ny Tranom-bakoky ny Adin’i Pasifika ary ireo nosikelin’i Saipan manodidina. Misy mpikamban’ny Fiangonana miisa 1971 monina any Guam. Ny faritanin’i Guam dia tafiditra ao amin’ny Vondrom-paritra Azia Avaratra ao amin’ny Fiangonana.

Nanampy Nitsabo ny Kôlera tany Papouasie, Nouvelle Guinée ireo Mpitsabo OAF

Nanokana fotoana hitsaboana ireo traboina vokatry ny valan’aretina kôlera tany amin’ny tanàna mitoka-monina any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Papouasie, Nouvelle Guinée ny mpitsabo OAF maromaro avy any Australie tamin’ny faramparan’ny taona 2010.

Nitsabo marary an-jatony ireo mpitsabo, nanavotra lehilahy iray izay efa teo ambavahoanan’ny fahafatesana rehefa tonga teo amin’ny hôpitaly ary olon-kafa maro izay tsy ho naharitra 24 ora akory raha tsy mahazo fikarakarana.

Nirohotra nankany amin’ireo dokotera ireo olona tamin’ny alalan’ny fanivatsivana tanàna sy tamin’ny alalan’ny lakana. Nilaza i David Williams avy any Brisbane sy i Anthony Mahler avy any Cairns fa tao anatin’ny iray andro monja nahatongavan’izy ireo tao amin’ny tanànan’i Sogere dia olona mararin’ny kôlera mihoatra ny 200 no notsaboin’izy ireo. Raha mamintina ny zavatra niainana rehetra tamin’izany ny Dr. Mahler dia niteny hoe: “[Izany] no traikefa teo amin’ny lafin’ny asa izay niteraka valisoa goavana indrindra teo amin’ny fiainako,” na dia teo aza ireo olana sy ilay asa mavesatra izay nandreraka.

Ankoatry ny fandefasana mpitsabo dia nanome fitaovana fanampiana ny Fiangonana, ka ao anatin’izany ny fanafody sy ny fitaovana fanadiovana rano. Nandefasan’ny Fiangonana sakafo sy savony koa ireo faritra niharam-boina tany Port Moresby ary teo koa ireo fitaovana manokana ilaina amin’ny fidiovana avy tany Port Moresby sy Brisbane. Nandeha tany Papouasie, Nouvelle Guinée koa ireo mpivady misiônera manana fahalalana manokana mikasika ny fanadiovana ny rano mba hanampy amin’ny fandrindrana ny fanampiana.

Horonantsary DVD Mampahafantatra ny Teny Filamatra amin’ny Fotoana Ifanakalozana ho an’ny Taona 2011

Tamin’ny Janoary dia nanomboka nizara ny DVD 2011 Strength of Youth, We Believe, ny Fiangonana, ho an’ireo vondrona ato amin’ny Fiangonana maneran-tany mba hampiasaina ho fitaovana fanampiny amin’ny Teny Filamatra amin’ny Fotoana Ifanakalozana ho an’ny Taona 2011.

Rakotra horonantsary ilay DVD izay natao indrindra hanampiana ireo tanora hanatanteraka ny teny filamatra, Fanekempinoana 1:13, ho ivon’ny fiainan’izy ireo. Misy fizarana mampiseho ny Filoha Thomas S. Monson, ireo filohan’ny Zatovolahy sy Zatovovavy maneran-tany, hira, fijoroana ho vavolombelon’ny tanora, ary zavatra maro hafa.

Ny ankamaroan’ny votoatin’izany dia ireo fijoroana ho vavolombelon’ny tanora sy ireo traikefa manentana.

Azo ampiasaina hanatsarana ny kilasin’ny tanora sy ireo fivoriana ary fiaraha-mientana mandritra ny taona ny hira, sy ny hafatra ary ireo fijoroana ho vavolombelona.

Ireo fitaovana rehetra ireo dia hita sy azo sintonina ao amin’ny tranokala youth.lds.org.

Ahitana ireto fiteny manaraka ireto koa ny DVD: Sinoa, Anglisy, Frantsay, Alemà, Italiana, Japôney, Kôreana, Pôrtogey, Rosiana, ary Espaniôla.