2011
Vaovao Fohifohy Maneran-tany
Aprily 2011


Vaovao Fohifohy Maneran-tany

Mandray ny Firotsahana amin’ny Fifaninana Ara-java-kanto Iraisam-pirenena Andiany Fahasivy ny Fiangonana

Hataon’ny Tranombakoky ny Tantaran’ny Fiangonana ho azo fenoina ao anaty tranokala manomboka ny 4 Aprily 2011 ny taratasy fisoratana anarana ho an’ny Fifaninana Ara-java-kanto Iraisam-pirenena an’ny Fiangonana Andiany Fahasivy. Ny firotsahana amin’izany fifaninana izany dia tokony hatao ao amin’ny tranokala na alefa paositra alohan’ny 7 Ôktôbra 2011. Ny teny filamatra amin’izany fifaninana hitranga izany dia hoe: “Ampahafantaro ny Asany Mahatalanjona” (F&F 65:4). Tsidiho ny lds.org/churchhistory/museum/competition raha mila fanampimpanazavana bebe kokoa amin’ny teny Anglisy na hijery ireo talenta ara-java-kanto voafantina avy tamin’ireo fifaninana teo aloha.

Tantaran’ny Testamenta Vaovao natao Sary Miaina

Ho fitaovana fanampiana ny fandaharam-pianarana Testamenta Vaovao taona 2011 dia misy video avy tamin’ny boky Tantaran’ny Testamenta Vaovao izay omena aina amin’ny alalan’ny fomba iray antsoina hoe parallax. Efa misy amin’ny teny Anglisy ny horonantsary miisa 65 ary efa misy amin’ny fiteny 11 ao amin’ny LDS.org koa ny horonampeo MP3 ho an’ireo video tsirairay. Ho hita amin’ireo fiteny tsirairay ireo ny horonantsary video parallax mandritra ny taona 2011. Zahao ao amin’ny scripturestories.lds.org ireo horonantsary ary safidio ny hoe New Testament Stories.

Manolo tena Hanatanteraka ny Adidy amin’Andriamanitra ireo Zatovolahy any Bangalore

Nivory teo amin’ny havoan’i Kanakapura ireo zatovolahy mihoatra ny 30 avy any amin’ny Distrikan’i Bangalore Inde mba hianatra mikasika ny fandaharan’asa vaovao Adidy amin’Andriamanitra ary hianatra ireo lesona ara-panahy amin’ny alalan’ny fanatanterahana fiaraha-mientana sarotrarotra izay ampiasana vatana. Nampiasa tady sy “poulie” ireo zatovolahy mba hiampitana dobo iray. Nandeha nanao hazakazaka vao maraina sy nihanika tendrombohitra ary nianatra fomba fidinana an-tendrombohitra amin’ny tady izy ireo. Nofaranana tamin’ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona ilay fiaraha-mientana.

Jereo sy henoy ireo tantara tsotra avy amin’ny Testamenta Vaovao nomena aina tamin’ny alalan’ny loko sy fitantarana mahafinaritra ao amin’ny scripturestories.lds.org.