2011
Fanehoan-kevitra
Aprily 2011


Fanehoan-kevitra

Manamaivana ny Enta-mavesatsika Izy

Tiako ity gazetiboky ity sy ny zava-drehetra ao aminy. Tiako ireo lahatsoratra nataon’ny Manampahefana Ambony, indrindra ireo lahateny avy tamin’ny fihaonambe. Manome torolalana sy mamporisika antsika handroso hatrany izany, na dia eo aza ireo fitsapana atrehintsika.

Mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny 26 taona aho ary namaky ny laharan’ny Liahona izay nivoaka rehetra. Matetika aho no mamaky ireo laharana nivoaka teo aloha ary ny lahatsoratra iray izay tena tiako dia ilay hoe “Ny Famindrampo Malefaky ny Tompo,” nataon’ny Loholona David A. Bednar (Mey 2005, 99). Manampy ahy hahatsiaro izany hoe impiry ny Ray any an-danitra no maneho ny famindrampony malefaka sy manamaivana ny enta-mavesatsika.

Iolanda Valenti, Italie

Avy amin’ny Tompo ny Fampianarana

Feno fankasitrahana aho mandray ny tenin’ny mpaminany velona isam-bolana. Fantatro fa avy amin’ny Tompo ny fampianaran’izy ireo ary hitahy ny fiainako raha toa ka ampihariko. Manamafy orina ny finoako sy ny fijoroako ho vavolombelona ny famakiana ireo zavatra iainan’ny Olomasina manerana an’izao tontolo izao satria mianatra ny ataon’ireo hafa aho handreseny ireo enta-mavesany.

Byron David Calderon Mosquera, Équateur