2011
Ny Hery Manadion’i Getsemane
Aprily 2011


Fianarana Filazantsara

Ny Hery Manadion’ i Getsemane

I Bruce R. McConkie dia teraka ny 29 Jolay 1915 tany Michigan, Etazonia. Notohanana tao amin’ny Filankevitra Voalohan’ny Fitopololahy izy ny 6 Ôktôbra 1946 ary dia notokanana ho Apôstôly ny 12 Ôktôbra 1972. Maty tamin’ny 19 Aprily 1985 tao Salt Lake City, Utah izy. Ity lahateny ity dia natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny 6 Aprily 1985.

Sary
Elder Bruce R. McConkie

Mahatsapa aho ary ny Fanahy dia toa manaiky fa ny fotopampianarana manan-danja indrindra izay azoko ambara ary ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika indrindra izay azoko zaraina dia mikasika ny Sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy.

Ny Sorompanavotany no zava-niseho faran’izay lehibe indrindra izay nitranga ary mbola hitranga hatramin’izay niantombohan’ny maraina mikitroky ny Fahariana izay ka hatrany amin’ireo taona maron’ny mandrakizay tsy manam-piafarana.

Izany dia asa maneho fahatsarana sy fahasoavana lehibe indrindra izay andriamanitra ihany no afaka manatanteraka azy. Amin’ny alalany dia lasa miasa ireo fepetran’ny drafitry ny famonjena mandrakizain’Andriamanitra.

Amin’ny alalany dia tanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona. Amin’ny alalan’izany dia voavonjy amin’ny fahafatesana, ny helo sy ny devoly ary ny fahoriana tsy manam-piafarana ny olona rehetra.

Ary amin’ny alalan’izany, ireo olona rehetra mino sy mankato ilay filazantsara feno voninahitr’Andriamanitra, ireo olona rehetra izay marina sy mahatoky ary mandresy izao tontolo izao, ireo izay mijaly ho an’i Kristy sy ny tenany, ireo rehetra izay voalevilevy sy voakaravasy noho ny Aminy izay tompontsika ny rehetra dia—ho tonga toy ilay Mpahary azy ary hiaraka hipetraka Aminy eo amin’ny Seza Fiandrianany ary hiara-hanjaka Aminy mandrakizay ao amin’ny voninahiny tsy manam-pahataperana.

Eo am-piresahana ireo zavatra mahafinaritra ireo dia hampiasa ny teniko manokana aho na dia mety hieritreritra aza ianareo fa tenin’ny soratra masina na teny nolazain’ny apôstôly sy mpaminany hafa aza izany.

Marina fa ny hafa no nanambara azy ireo voalohany kanefa ankehitriny dia ahy izy ireo, fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia nijoro ho vavolombelona tamiko fa marina izy ireo, ary ankehitriny dia toy ny hoe izaho no nanambaran’ny Tompo azy ireo voalohany. Tamin’ny alalan’izany dia nandre ny feony aho sy mahafantatra ny teniny.

Tao amin’ny Sahan’i Getsemane

Roa arivo taona lasa, teo ivelan’ny rindrin’i Jerosalema dia ny zaridaina iray mahafinaritra. I Getsemane no anarany, izay toerana falehan’i Jesoa sy ireo namany akaiky mba hisaintsainana sy hivavahana.

Tao i Jesoa no nampianatra ireo mpianany ireo fotompampianaran’ny fanjakana, ary izy rehetra dia niray Taminy izay Raintsika rehetra, ka manolo-tena sy manompo ao amin’ny asany izy ireo.

Izany toerana masina izany, tahaka an’i Edena izay nitoeran’i Adama, tahaka an’i Sinay izay nanomezan’i Jehovah ny lalàny, tahaka an’i Kalvary izay toerana nanomezan’ny Zanak’Andriamanitra ny Ainy ho sandany ho an’ny maro, izany tany masina izany, dia ilay toerana izay nitondran’Ilay Zanaky ny Ray Mandrakizay teo Aminy ny fahotan’ny olona rehetra raha mibebaka izy ireo.

Tsy mahafantatra isika, tsy afaka milaza isika, ary tsy misy sain’olombelona afaka mahatakatra ny tena dikany fenon’ilay zavatra nataon’i Kristy tao Getsemane.

Fantatsika fa nivoa-drà ny mason-kodiny tsirairay rehefa nisotro hatramin’ny farany ilay kapoaka mangidy izay natolotry ny Ray Azy Izy.

Fantatsika fa nijaly Izy, na ara-batana na ara-panahy, mihoatra noho izay azon’ny olombelona zakaina, afa-tsy ny fahafatesana.

Fantatsika fa amin’ny fomba izay tsy dia takatry ny saintsika loatra, ny fijaliany dia nanome fahafaham-po ny fitakian’ny fahamarinana, nanafaka ny fanahy mibebaka tamin’ny fahoriana sy ny sazin’ny fahotana ary nahatonga ny famindram-po afaka mihatra amin’ireo izay mino ny anarany masina.

Fantatsika fa niankohoka tamin’ny tany Izy rehefa nampangovitra azy ireo fanaintainana sy fangirifiriana avy amin’ilay enta-mavesatra tsy misy fiafarana, hany ka naniry ny tsy hisotro amin’ilay kapoaka mangidy Izy.

Fantatsika fa nisy anjely tonga avy tany amin’ny toerana feno voninahitra mba hankahery Azy tao anatin’ny fitsapana nihatra Taminy ary dia maminavina isika fa i Mikaela feno fahefana izany izay lavo voalohany mba hisian’ny olona.

Raha ny tombantombana azontsika atao, ireo fangirifiriana tsy manam-piafarana ireo— izany fijaliana tsy manan-tsahala izany— dia mbola nitohy nandritra ny adiny telo na efatra teo.

Ny Fisamborana sy ny Fitsarana ary ny Fikaravasiana Azy

Taorian’izany—dia rotidrotika sy trotraka ny vatany—Niatrika an’i Jodasy sy ireo devoly nahazo vatana Izy, ary ny sasany dia avy tao amin’ny Sanedriona mihitsy. Ary dia nentina niaraka tamin’ny fatotra tady teo amin’ny tendany Izy, toy ny mpanao heloka bevava rehetra, mba hotsarain’ireo mpitsara avon’ny heloka bevava, izay nipetraka teo amin’ny sezan’i Aharôna ho an’ny Jiosy ary mampianatra ny fahefan’i Kaisara ho an’ny Rômana.

Nentin’izy ireo tany amin’i Ananiasy, tany amin’ny Kaifasy, tany amin’i Pilato, tany amin’i Heroda ary niverina tany amin’i Pilato Izy. Nomelohina, nozonina ary nokapohina Izy. Ny rora maloton’izy ireo dia nitsotsorika tamin’ny Tavany raha toa ka mbola nampahalemy ny vatany izay nizaka fangirifiriana lalina ireo fikapohana nentanim-paharatsiana.

Namafy kapoka tamin’ny lamosiny izy ireo tao anatin’ny fahatezerana tsy voafehy. Ny rà dia nikoriana teo amin’ny Tavany rehefa nanindrona ilay andriny izay mangovitra ilay satroka tsilo.

Fa ambonin’izany rehetra izany dia nokaravasiana Izy, nandray dian-kapoka 40 Izy, nokaravasiana tamin’ny karavasy misy tsilo maro miaraka amin’ny hoditra misy taolana maranitra sy vy mahatapaka.

Maro no maty noho ny fikaravasiana fotsiny ihany, saingy Izy dia nahazaka ny fangirifiriana avy amin’ny fikapohana mba hahafahany hanana fahafatesana mahatsiravina eo amin’ny hazofijaliana mivaivain’i Kalvary.

Avy eo dia nibata ny hazofijaliany manokana Izy mandrapahatorana Azy noho ny vesatra sy ny fanaintainana ary ny fitomboan’ny fangirifiriana avy amin’izany rehetra izany.

Teo amin’ny Hazofijaliana

Farany, teo amin’ny havoana iray antsoina hoe Kalvary—dia mbola teo ivelan’ny rindrin’i Jerosalema ihany—raha tsy afaka nanao na inona na inona ireo mpanara-dia izay nijery sy nahatsapa ilay fangirifiriana izay efa manakaiky ny fialana aina tao anatin’ny tenan’izy ireo, dia nahanton’ireo miaramila Rômana teo amin’ny hazofijaliana Izy.

Tamin’ny maritao lehibe no nampidiran’izy ireo fantsika vy tamin’ny tongony sy ny tanany ary ny hatotanany. Tena naratra noho ny fahotantsika Izy ary mangana noho ny faharatsiantsika.

Ary dia natsangana ilay hazofijaliana mba hahafahan’ny rehetra mahita, mitolagaga sy manozona ary maneso. Izany dia nataon’izy ireo niaraka tamin’ny poizina ratsy, nandritra adiny telo nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny mitataovovonana.

Ary dia nihamainty ny lanitra. Ny haizina dia nandrakotra ny tany nandritra ny adiny telo, tahaka ny teo anivon’ireo Nefita. Nisy ny varatra nahery vaika, toy ny hoe ny Andriamanitry ny zavaboahary mihitsy no miala aina.

Ary tena marina Izy tokoa no Izy, fa nandritra ny fotoana nihantonany teo amin’ny hazofijaliana nandritra ny adiny telo hafa, nanomboka tamin’ny mitataovovonana ka hatramin’ny 3 ora tolakandro dia nitambesatra avokoa ireo fangirifiriana sy fanaintainana tsy misy famindram-pon’i Getsemane.

Ary farany, rehefa nifarana ireo fangirifiriana mitondra sorompanavotana—rehefa azo ny fandresena, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ny Ray amin’ny zavatra rehetra Izy—dia hoy Izy hoe: “Vita” (Jaona 19:30), ary niala aina an-tsitrapo Izy.

Tany Amin’ny Tontolon’ny Fanahy

Rehefa nanafaka Azy tamin’ny fanaintainana sy fahorian’ny fiainana teto an-tany ny fiadanana sy ny fampiononan’ilay fahafatesana feno famindram-po dia niditra ny paradisan’Andriamanitra Izy.

Rehefa nataony ho fanatitra noho ny fahotana ny fanahiny dia voaomana ny hahita ny taranany Izy araka ny teny faminaniana.

Ireo dia ireo mpaminany masina rehetra sy ireo Olomasina mahatoky rehetra tany aloha; tafiditra avokoa ireo izay nitondra ho eo amin’izy ireo ny anarany ary ireo izay naterany ara-panahy ary lasa zananilahy sy zananivavy, eny, tahaka antsika; ireo rehetra ireo dia nivory tao amin’ny tontolon’ny fanahy, mba hahita ny Endriny sy handre ny Feony.

Taorian’ny 38 na 40 ora—telo andro araka ny fanisana andron’ny Jiosy—ny Tompontsika voatahy dia tonga tao amin’ny fasan’i Arimatea izay toerana nametrahan’i Nikôdemosy sy i Josefa avy any Arimatea ilay vatany nasiana zava-manitra.

Ny Fitsanganany tamin’ny Maty

Ary dia tamin’ny fomba izay tsy takatry ny saintsika dia nalainy izany vatana izany, izay mbola tsy nahita fahalovana ary dia nitsangana ho amin’ilay tsy fahafatesana feno voninahitra izay nahatonga Azy ho tahaka ny Rainy izay efa nitsangana tamin’ny maty.

Ary dia nandray ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany Izy, nahazo ny fisandratana mandrakizay, niseho tamin’i Maria Magdalena sy ny maro hafa, ary niakatra tany an-danitra, nipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra Ilay Ray Tsitoha mba hanjaka mandrakizay ao amin’ny voninahitra mandrakizay.

Ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo no namarana am-boninahitra ny Sorompanavotana. Ary dia mbola amin’ny fomba izay tsy takatry ny saintsika indray no nahatonga ny vokatry ny Fitsanganany tamin’ny maty hanenika ny olona rehetra mba hahafahan’ny rehetra mitsangana avy ao amin’ny fasana.

Raha nitondra ny fahafatesana i Adama, i Kristy kosa nitondra ny fiainana; raha rain’ny fiainana mety maty i Adama, i Kristy kosa rain’ny tsy fahafatesana.

Ary raha tsy eo ireo roa ireo dia ny fiainana mety maty sy ny tsy fahafatesana, ny olona dia tsy afaka mahazo famonjena sy miakatra any amin’ireo faritra ambony izay mihoatra ireo lanitra izay misy itoeran’ireo andriamanitra sy ireo anjely ao anatin’ny voninahitra mandrakizay.

Ny Fahalalana mikasika ny Sorompanavotana

Ankehitriny, ny Sorompanavotan’i Kristy no fototra iorenan’ny fotopampianaran’ny filazantsara, ary izy no tena zara raha takatra indrindra amin’ireo fahamarinana nambara tamintsika.

Maro amintsika no manana fahalalana maivana ary miantehatra amin’ny Tompo sy ny fahatsarany mba hijery antsika mandritra ireo fitsapana sy ireo loza eo amin’ny fiainantsika.

Saingy, raha tokony hanana finoana toa an’i Enôka sy Elia isika dia mila mino izay ninoan’izy ireo, mahafantatra izay fantatr’izy ireo ary miaina tahaka ny niainan’izy ireo.

Mamela ahy hanasa anareo hiaraka amiko hikatsaka ny hahazo fahalalana tomombana momba ny Sorompanavotana.

Mila ailikintsika ireo rafi-pisainan’ny olombelona sy ny fahendren’ny hendry ary mila mihaino ilay Fanahy izay nomena antsika mba hitarika antsika amin’ny fahamarinana rehetra isika.

Mila mikatsaka ny soratra masina isika, manaiky azy ireo ho toy ny eritreritra, sitrapo sy feon’ny Tompo ary ilay tena herin’Andriamanitra ho amin’ny fanavotana.

Rehefa mamaky sy mandinika ary mivavaka isika dia ho tonga ao an-tsaintsika ny fahitana ireo saha telon’Andriamanitra—ny Sahan’i Edena, ny Sahan’i Getsemane ary ny Sahan’ilay Fasana Foana izay nisehoan’i Jesoa tamin’i Maria Magdalena.

Ny Fahariana, ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana

Ao Edena dia ho hitantsika ireo zavatra nohariana rehetra ao amin’ny toetrany ao amin’ny paradisa—tsy misy fahafatesana, tsy misy fiterahana, tsy misy fotoam-pitsapana.

Ho fantatsika fa izany zavatra nohariana izany, izay tsy fantatry ny olona ankehitriny no hany lalana hanolorana ny Fahalavoana.

Ary dia ho hitantsika i Adama sy i Eva, ilay lehilahy voalohany sy ilay vehivavy voalohany, hiala avy ao amin’ny toetry ny tsy fahafatesana sy voninahitry ny paradisa ho tonga nofo voalohany mety maty teto an-tany.

Ny fiainana mety maty, izay ahitana ny fiterahana sy ny fahafatesana, dia hiditra izao tontolo izao. Ary noho ny fandikan-dalàna, dia hanomboka ny fotoam-pizahan-toetra miaraka amin’ny fitsapana sy ny fisedrana.

Ary ao Getsemane dia ho hitantsika ny Zanakalahin’Andriamanitra manavotra ny olona amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy izay tonga tamintsika noho ny Fahalavoana.

Ary farany, manoloana ny fasana foana, dia hahafantatra isika fa i Kristy Tompontsika dia namaha ny fatoran’ny fahafatesana ary mijoro ho mpandresy mandrakizay manoloana ny fasana.

Noho izany, ny Fahariana dia rain’ny Fahalavoana; ary tamin’ny alalan’ny Fahalavoana dia tonga ny fiainana mety maty sy ny fahafatesana; ary tamin’ny alalan’i Kristy dia tonga ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

Raha tsy nisy ny Fahalavoan’i Adama, izay nahatongavan’ny fahafatesana, dia tsy afaka ho nisy ny Sorompanavotan’i Kristy, izay hahatongavan’ny fiainana.

Ny Rany Manavotra

Ary ankehitriny, mikasika izany Sorompanavotana tonga lafatra izany, izay notanterahana tamin’ny fandatsahana ny ran’Andriamanitra—dia mijoro ho vavolombelona aho fa nitranga tao Getsemane sy tao Golgota izany, ary mikasika an’i Jesoa Kristy dia mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no Zanak’Andriamanitra velona ary nohomboana tamin’ny hazofijaliana noho ny fahotan’izao tontolo izao. Izy no Tompontsika, Andriamanitsika ary Mpanjakantsika. Izany dia fantatro manokana ary tsy ianteherako na amin’iza na amin’iza.

Izaho dia iray amin’ireo Vavolombelony, ary ho avy ny andro hahatsapako ny diam-pantsika amin’ny tanany sy amin’ny tongony ary hanamandoako ny tongony amin’ny ranomasoko.

Saingy tsy hahalala tsaratsara kokoa noho izay fantatro ankehitriny aho amin’izany fotoana izany fa Izy no Zanak’Andriamanittra Tsitoha, fa Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary ny famonjena dia tonga avy ary amin’ny alalan’ny rany manavotra ary tsy misy lalana hafa.

Andriamanitra dia nanolotra fahafahana ho antsika ny handeha ao amin’ny fahazavana, fa Andriamanitra Raintsika dia ao amin’ny fahazavana, mba hanadiovan’ny ran’i Jesoa Kristy, Zanany antsika amin’ny fahotana rehetra, araka ireo fampanantenana.

SOMBINY AVY TAMIN’NY TSY NY SITRAPOKO, FA NY ANAO, NATAON’I Harry Anderson © pacific Press Publishing

Sombiny avy amin’ny I Tomasy feno Fisalasalana, nataon’i Carl Heinrich Bloch, nampiasaina tamin’ny alalan’ny fahazoan-dalana avy amin’ny National Historic Museum ao Frederiksborg any Hillerød, Danemark