2020
Tsy irery aho. Omba ahy lalandava Andriamanitra!
Septambra 2020


AVIA, HANARAKA AHY

Tsy irery aho. Omba ahy lalandava Andriamanitra!

“Neny ô, tsy irery aho. Omba ahy lalandava Andriamanitra! Tsy irery na oviana na oviana isika, tsaroanao ve izany?”

Miavaka foana ireo alatsinainy alina ao amin’ny fianakavianay satria izany no fotoana hiarahanay mianakavy manao ny takarivan’ny mpianakavy. Lasa miavaka ny isak’alina miaraka amin’ilay fandaharam-pianarana Avia, hanaraka Ahy satria ny lasa isan’andro ny fandalinan’ny fianakavianay ny soratra masina. Nanomboka nitia soratra masina kokoa ireo zanako. Miaina zavatra mahafinaritra izahay mivady mahita ireo zanakay marisika amin’ny fizarana tantara avy ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna! Tsapako fa ireo zanako dia manomboka mahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny fandalinanay isan’andro ny Avia, hanaraka Ahy.

Vao haingana izay aho no nijanona tao an-trano niaraka tamin’ny zanako vavy 4 taona, i Romana, ary samy tao amin’ny efitrano fandriako izahay. Niala tao amin’ny efitrano fandriana aho ka nankao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny, namela azy irery tao amin’ny efitrano fandriana. Minitra vitsivitsy taty aorina dia nantsoiko izy: “Romana a, mahatsiaro ho irery angaha ianao ao amin’ny efitrano fandriana, avia aty amin’ny efitrano fandraisam-bahiny miaraka amiko sy ireo saribakolinao.” Tsy nihambahamba izy namaly hoe: “Neny ô, tsy irery aho. Omba ahy lalandava Andriamanitra! Tsy irery na oviana na oviana isika, tsaroanao ve izany?” Niontana ny foko nahare ilay zanako vavy kely nilaza ireo teny ireo. Andro vitsivitsy talohan’izay, nandritra ny fandalinanay mianakavy ny Avia, hanaraka Ahy, izahay mivady no nampianatra ireo zanakay fa ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika dia omba antsika lalandava, na dia eo aza ireo fahalementsika sy ireo olana atrehantsika. Tsy irery na oviana na oviana isika.

Amin’ny alalan’ny fandalinan’ny mpianakavy isan’andro ny Avia, hanaraka Ahy dia mampihatra ny zavatra nampianaran’i Nefia isika raha nilaza izy hoe: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26). Amin’izao ireo zanako dia miresaka kokoa momba an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary miandrandra foana ny fandalinana isan’andro ny Avia, hanaraka Ahy.

Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nangatahinay ny zanakay lahy matoa, Melqui, izay 9 taona, mba hitarika ny fandalinan’ny mpianakavy ny Avia, hanaraka Ahy. Rehefa nanomboka ny fotoana izy dia nangatahiny ny anabaviny hanao ny vavaka fanombohana. Taorian’ilay vavaka dia nosokafany ny boky torolalana Avia, hanaraka Ahy ary avy eo dia napetrany izao fanontaniana manaraka izao: “Inona avy ireo zavatra sasany izay tsy ninoanareo ka lasa ninoanareo taorian’ny nikambananareo tamin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?” Zendana izahay mivady tamin’ilay fanontaniana! Nizara momba ny vavaka ny vadiko, nilaza fa talohan’ny nahafantarany ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia tsy nino izy fa mamaly vavaka Andriamanitra. Avy eo aho dia nizara fa talohan’ny nahafantarako ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia tsy nino aho hoe misy mpaminany velona.

Mahavelom-pankasitrahana anay tokoa ireo zavatra iainana mahafinaritra azonay avy amin’ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy. Ankoatra ny fanampian’izany anay hanorina tokantrano mifototra amin’i Jesoa Kristy dia mampatanjaka ny fijoroanay ho vavolombelona ihany koa izany ary mampifandray anay kokoa. Toy ny zanako vavy kely dia mijoro ho vavolombelona aho fa tsy irery na oviana na oviana isika. Omba antsika lalandava ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjintsika.