2020
Lasa fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo
Septambra 2020


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

Lasa fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo

“Rehefa ampifantohantsika hitodika amin’ny Mpamonjy ny masontsika ary maka tahaka Azy amin’izay rehetra tenenintsika sy ataontsika isika dia ho lasa fitaovana eo am-pelatanan’ny Raintsika any An-danitra mba hanamaivanana ny enta-mavesatry ny hafa sy hitondrana fifaliana eo amin’ny fiainan’izy ireo.”

Rehefa mandinika ireo fampianarana momba ny “fitiavana sy ny asa fanompoana” aho dia mieritreritra ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny fomba mahazatra sy mandeha ho azy nanehoany ny fitiavany sy nanaovany asa fanompoana tamin’ireo rehetra sendra Azy. Tsy tamin’ny zavatra nataony ihany fa tamin’ny fomba nampianarany momba ny fitiavana sy ny asa fanompoana. Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainako izany. Ny iray amin’ireo fanoharana nampiasain’ny Mpamonjy, ilay Samaritana tsara fanahy, dia maneho feno ny hevitry ny hoe fitiavana sy asa fanompoana tsy misy tambiny.

“Ary Jesoa namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.

“Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.

“Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.

“Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena,

“Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.

“Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho” (Lioka 10:30–35).

Amin’ny ankabeazan’ny fotoana dia tsy kisendrasendra no ahatongavan’ny fahafahana manompo ny hafa eo amintsika. Matetika isika no ampiasain’ny Raintsika any An-danitra hitahiana ireo izay mila izany asa fanompoana izany amin’izany fotoana voafaritra manokana izany, omban’ny fahalalana tanteraka fa isika no olona mahafeno indrindra ny fepetra ka afaka hanome izay ilaina sy hanamaivana ny entamavesatr’izy ireo. Ombieny ombieny ny Ray any An-danitra no manomana antsika ho amin’ireo fahafahana lehibe sahala amin’ny an’i Almà sy Amioleka.

Taorian’ny asa mafy nataon’i Almà tamin’ny fiantsoana fibebahana tamin’ny vahoakan’i Amônihà dia sendra izay olona nanamafy ny fony tamin’ny hafany izy. “Nanevateva azy sy nandrora azy ary nanao izay handroahana azy hiala ny tananànany” izy ireo (Almà 8:13). Tohizan’ny soratra masina ny fampianarana fa “nivesatra alahelo, nandalo tamin’ny fahoriana be sy ny fitaintainan’ny fanahy” izy (Almà 8:14). Inona no mety ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Almà?

Ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra izay ilaintsika ary hanampy antsika isaky ny mitady ny fanampian’Izy Ireo isika. Tamin’ny tranga niainan’i Almà dia nisy anjely namangy azy—izay nankahery azy. Henoy ireto teny avy amin’ny ampahan’ny hafatra nasaina nampitain’ilay anjely ireto: “Hotahiana anie ianao ry Almà; andrandrao ny lohanao ary miravoravoa, fa manana antony lehibe hiravoana ianao;” (Almà 8:15).

Afaka hanamaivana tokoa ny fanahy mavesatra ny teny fankaherezana tsotra. Saingy tsy izany fotsiny no hany nomanin’ny Ray any An-danitra hitahiana an’i Almà. Nanomana an’i Amioleka Izy mba handray io mpaminanin’Andriamanitra io. Fifandrifian-javatra ve ny naha-teo amin’ilay toerana nidiran’i Almà mihitsy ny tananàna an’i Amioleka? Tsy misy izany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Rehefa mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika ary mikatsaka ny hanompo ny hafa dia afaka ny hotarihan’ny Fanahy ho any amin’ireo sahirana. Fantatsika ny amin’ny asa fifanompoana nifanaovan’i Almà sy i Amioleka ho fiomanana amin’ny asa miandry azy ireo. Rehefa niara-nisalahy nanompo izy ireo dia lasa mpinamana tsy nifankafoy nanompo tam-pahatokiana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona tamin’izy ireo hatramin’ny farany.

Raha dinihina akaiky ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy dia maro no tahaka ilay mpisorona izay mandalo ireo fahafahana manompo amin’ny fitadiavana fialan-tsiny sy ny fifantohana amin’ireo zavatra izay ohatra ny hoe manan-danja kokoa. Ny sasany tahaka ilay Levita dia tonga eo dia mahita dia mitsahatra hatreo. Matetika isika no mety hahatsapa tena ho tsy mahavita azy na tsy manana na inona na inona atolotra. Rehefa irahin’ny Tompo isika dia mahazo ny fanampian’ny Tompo.

Inona no nataon’ilay Samaritana? Inona no zavatra nananany ka natolony?

Mampianatra ilay fanoharana fa “nony nahita azy [izy]” dia “onena” ary “nanatona azy”. Ny zavatra nananany sy ireo fahaiza-manao nananany no nentiny namehezana ny feriny sy nikarakarany azy. Tapitra hatreo amin’ilay tranom-bahiny ilay fanoharana kanefa ao amin’ny mason’ny fisainako, ny fo onena an’ilay Samaritana sy ny asa fanompoana nataony tamin’ilay olon-tsy fantatra dia tsy tapitra teo.

Ny lahateny iray natao tao amin’ny Oniversite an’i Brigham Young izay nataon’i Kirt R. Saville, Profesora-na mozika, mitondra ny lohateny hoe “Living a Life of Service and Love: What Goes Around Comes Around”, dia milaza ireto fitsipika manan-danja momba ny asa fanompoana manaraka ireto izay nianarany avy tamin’ny rainy mandra-pahalehibe azy:

  • Ny asa fanompoana dia tokony hatao amim-pitsikiana ary tsy hiandrasana tambiny.

  • Matetika loatra no lalovantsika fotsiny ireo fahafahana manompo noho ny tsy fahafahantsika mahita azy ireny.

  • Mahalana ny asa fanompoana no hoe tonga amin’ny fotoana maha-mety izany amintsika.

  • Matetika mihitsy ny asa fanompoana no mitranga rehefa iny handeha hanao zavatra hafa iny isika.1

Hoy ny filazan’ny Loholona M. Russell Ballard, “Matetika isika no tahaka ilay mpivarotra tanora fanahy avy any Boston izay nentanin-kafanam-po tamin’ny fihazakazahana hitady volamena any Kalifornia. Namidiny avokoa ny fananany rehetra hikatsahana ny harembeny any amin’ny reniranon’i Kalifornia izay nolazaina fa feno vaingam-bolamena tena lehibe mila tsy ho zaka bataina.

“Isan’andro vaky izao ilay zatovolahy no nanatsoboka ny sahafany tao amin’ilay renirano kanefa tsy nisy na inona na inona nipoitra avy tao. Vato misavovona no hany valisoany. Ketraka sy lany vola izy ka dia vonona ny hilavo lefona no indro indray andro nisy lahy antitra mpitrandraka volamena manana traikefa niteny taminy hoe: -Betsaka ihany izany vato misavovona eto aminao izany ry zanako lahy.-

“Dia namaly ilay zatovolahy: -Tsy misy volamena aty. Hiverina hody aho.-

“Nandeha teo akaikin’ireo vato misavovona ilay lahy antitra mpitrandraka volamena ka niteny hoe: -Dray, tena misy volamena ka. Fa mila fantatrao fotsiny hoe aiza no ahitana azy.- Nandray vato roa ho eny an-tananany izy ary nampifampikatrohany izany. Nizara roa ny iray tamin’ireo vato ka nahitana poti-bolamena maro nanjelatra raha notarafin’ny masoandro.

“Raha nahatsikaritra kitapo hoditra kely teny am-balahan’ilay mpitrandraka volamena ilay zatovolahy dia niteny hoe: -Vaingam-bolamena toy ireo ao anatin’ny kitapokelinao no tadiaviko fa tsy poti-bolamena madinika.-

“Natolotr’ilay lahy antitra mpitrandraka volamena an’ilay zatovolahy ny kitapokeliny ka nojeriny ny tao anatiny, nanantena hahita vaingam-bolamena maro. Nitolagaga izy raha nahita fa ilay kitapo kely dia feno poti-bolamena an’arivony.

“Dia hoy ilay lahy antitra mpitrandraka volamena: -Ry zanako lahy, hitako toa variana mikaroka vaingam-bolamena lehibe ianao ka adinonao ny mameno ny kitapokelinao amin’ireto poti-bolamena sarobidy ireto. Ny faharetana amin’ny fanangonana ireny poti-bolamena ireny no nahazoako haren-dehibe.-”2

Toy izao no nampianarin’i Almà an’i Helamàna zanakalahiny:

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe . . . ary amin’ny alalan’ny zavatra tena madinika [ny Tompo] . . . [no mitondra] ny famonjena ho an’ny fanahy maro” (Almà 37:6–7).

Nantitranterin’ny Filoha Russell M. Nelson ireo didy roa lehibe nampianarin’ny Mpamonjy:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:37–39).

Rehefa tiantsika amin’ny fontsika rehetra Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, dia lasa afaka mizara izany fitiavana izany amin’ireo mpiray monina amintsika isika amin’ny alalan’ireo asa feno hatsaram-panahy sy asa fanompoana ataontsika—araka ny fomba izay ho nitiavan’ny Mpamonjy sy ho nanompoany antsika rehetra raha toa ka teto anivontsika teto Izy ankehitriny. Rehefa ampifantohantsika hitodika amin’ny Mpamonjy ny masontsika ary maka tahaka Azy amin’izay rehetra tenenintsika sy ataontsika isika dia ho lasa fitaovana eo am-pelantanan’ny Raintsika any An-danitra mba hanamaivanana ny enta-mavesatry ny hafa sy hitondrana fifaliana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Voatendry ho fitopololahin’ny Vondromparitra i Duane Donald James Bell ny aprily 2018. Vadin’i Jocelyn Lee Scott izy; manan-janaka efatra izy ireo. Any East London, Afrika Atsimo ny Loholona sy Rahavavy Bell no mipetraka.

Naoty

  1. Kirt R. Saville, “Living a Life of Service and Love: What Goes Around Comes Around,” [Brigham Young University Devotional, Aug. 1, 2017], speeches.byu.edu.

  2. M. Russell Ballard, “Mahita Fifaliana ao anatin’ny Asa Fanompoana feno Fitiavana,” Liahona, Mey 2011, 46.