2020
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020, 3–4 ôktôbra 2020
Septambra 2020


Fihaonamben’ny Fiangonana

Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020, 3–4 ôktôbra 2020

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manasa ny rehetra handray anjara amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-190.

Hanolotra hafatra feno fahamarinana, fanantenana, ary fanentanam-panahy mandritra ny fivoriana dimy ny Fiadidiana Voalohany, ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, sy ireo Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony hafa ato amin’ny Fiangonana:

Ny fivoriambe efatra ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia hatao ny sabotsy 3 ôktôbra sy alahady 4 ôktôbra amin’ny 10 ora maraina sy amin’ny 2 ora tolakandro. Ny fivoariana harivan’ny sabotsy 3 ôktôbra amin’ny 6 ora hariva dia hatao ho an’ny vehivavy sy ankizivavy rehetra 8 taona no ho miakatra.

Miomana ho amin’ny Fihaonambe

Ny fihaonambe dia manolotra fahafahana handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana rehefa manome torohevitra sy torolalana ireo mpaminany velona. Ny fametrahana fanontaniana dia afaka manampy anao hiomana ho amin’ny fihaonambe, izay mampitombo ny fanambarana ho an’ny tena manokana eo am-pijerenao izany.

Afaka manampy anao hiomana handray ny hafatr’ireo Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ny fianarana momba azy ireo.

Mahita valinteny ho an’ireo fanontanianao

Afaka miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isika amin’ny alalan’ny fisaintsainana fanontaniana. Ho tonga ny fitarihana sy torolalana rehefa mihaino ireo hafatry ny mpaminany velona isika.

Manasa ny hafa

Afaka mandray anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ireo avy amin’ny finoana hafa. Amporisihana ireo mpikamban’ny Fiangonana hanasa ny hafa hijery na hihaino sy hizara ireo hafatra amin’ny tambajotran-tserasera.

Safidy amin’ny fijerena mivantana

Halefa mivantana ao amin’ny broadcasts.ChurchofJesusChrist.org ireo fivoriana rehetra. Hita amin’ny alalan’ny Latter-day Saints Channel, radio, fahitalavitra, satelita, ary ireo fantsona nomerika hafa ihany koa ireo fivoriana.

Fahazoana ireo lahateny aorian’ny fihaonambe

Ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny endrika lahatsoratra, raki-peo, ary rakitsary dia omena amin’ny fantsona maro mba hohalalinina aorian’ny fihaonambe, tafiditra ao amin’izany ny application Librairie de l’Evangile, YouTube, ny fizarana fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary ireo gazetibokin’ny Fiangonana.