2020
Tian’ny Tompo hanomboka fotsiny isika
Septambra 2020


FEON’NY MPIKAMBANA

Tian’ny Tompo hanomboka fotsiny isika

Ho an’i Kelvin Gwalan, ny fahafahana hanompo tao amin’ny Kômity misahana ny Tempolin’i Durban dia fitahiana tonga niaraka tamin’ny olana tany am-boalohany.

Noho izy mponina ao Umlazi Afrika Atsimo dia nila nandeha fiara teo amin’ny enimpolo kilaometatra teo Rahalahy Gwala isaky ny nandeha tany Berea mba hanatrika ireo fivoroan’ny kômity, izay natao efa saika ho nandritra ny iray taona sady nihanatetika ny fanaovana izany. Raha tsy fivorian’ny kômity misahana ny tempoly izay tokony natrehany mandritra ny alahady iray no nandehanany, dia nandeha namonjy famerenan-kira niaraka tamin’ny iray tamin’ireo amboaram-peo ho an’ny fitokanana ny tempoly izy. Nanao dia fanampiny izy tao anatin’ny fisasahan’ny herinandro mba hanatrika ireo fivoriam-piofanana teo anivon’ny tsatòka satria mpitamboky eo anivon’ny tsatòkan’i Durban ihany koa izy.

Ary tao anatin’ny fotoana nangatahana azy mba hanompo ao amin’ilay kômity, dia nanomboka niakatra be ny vidin’ny solika, ary niakatra ny vidin-tsakafo. Isaky ny nila nandeha tany Berea izy mba hanatrika fivoriana iray dia nipetraka ary nanontany tena hoe aiza no hitadiavany vola hividianana solika. Kanefa dia nilaza izy fa tsy maintsy tonga any Berea ihany, satria naharitra ela noho izay noheveriny fa haharetan’izany ny fatran’ny solika kely tao amin’ny fiarany.

“Tamin’ny voalohany” hoy izy, dia “tsapako ho toy ny nametraka vesatra teo amin’ny toe-bolako izany. Saingy tsy naninona izahay rehefa tonga ny faran’ny volana. Talanjona tokoa aho fa nitsinjo anay ny Tompo tao anatin’izany.”

Ankehitriny Rahalahy Gwala dia mino fa ireo ahiahy voalohany momba ny hakelin’ny toe-bolany dia eritreritra ratsy fotsiny izay mety ho nanakana azy tsy hanompo. Nanao ezaka feno fahatokiana kosa anefa izy ka dia niaina ilay antsoiny hoe “ny fahagagana niainako manokana.”

Rehefa nandinika ny zavatra niainany izy dia nanatsoaka hevitra manan-danja: “Tian’ny Tompo hanomboka fotsiny isika,” hoy izy. “Na mety ho sarotra toy ny ahoana aza ny toe-javatra iray, raha manomboka ianao, dia hitsena anao eny an-dalana eny ny Tompo. Fitahiana ireo zavatra ireo ho ahy. Kely ny toe-bola nivelomanay, dia avy eo nandoavana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina sy ny fahafolonkarena, kanefa nitsinjo anay ny Tompo tao anatin’izany, ary tafavoaka soa aman-tsara ny fianakaviana. Nitahy anay ny Tompo ary mbola manohy mitahy anay hatrany.”

Mampianatra antsika an’io lesona io ihany koa ny ohatr’i Nefia. Rehefa nangataka ireo zanany i Lehia mba hiverina tany Jerosalema haka ireo rakitsoratry ny fianakaviana izay nohazonin’i Labàna, dia nimonomonona ireo zokilahin’i Nefia, satria natahotra ny amin’izay mety hanjo azy ireo. Saingy hoy i Nefia tamin-drainy rehefa nanao asa amim-pinoana hoe: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ ny zanak’ olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy (1 Nefia 3:7). Nanao ny dingana voalohany i Nefia dia nanampy azy ny Tompo.

Rehefa matahotra ny amin’izay mety hanjo antsika isika eo am-panombohantsika manompo amin’ireo antso na andraikitra vaovao omena antsika, raha tsy azontsika antoka ny fomba hanefantsika ny saran’ny fanatanterahana izany fanompoana izany, na amin’ny fotoana na ny vola, dia tokony hotsaroantsika hatrany fa: Tian’ny Tompo hanomboka fotsiny isika dia hotsenainy eny an-dalana eny.