2021
Paska: Vaninandron’ilay Fanomezana Lehibe Indrindra
Aprily 2021


HAFATRY NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

Paska: Vaninandron’ilay Fanomezana Lehibe Indrindra

“Tena manome toky ny mahafantatra fa ilay Olona izay nandeha tamin’ny lalana tena sahala sy mihoatra izany—ilay Olona izay niaritra karazana fanaintainana rehetra nandritra ny sorompanavotana—dia eo anilatsika sy mankahery antsika rehefa voahodidin’ny fanamby an’ny tena manokana sy iarahana amin’ny fianakaviana isika.”

Vanim-potoana iray izay heverina ho toy ny manan-danja indrindra amin’ny tantaran’ny olombelona ny fotoana izay nitondran’i Jesoa Kristy Zanaka Lahitokan’ny Raintsika any An-danitra ny fijalian’ny olombelona rehetra taloha sy ankehitriny ary ho avy. Nitondra ny fahotan’izao tontolo izao Izy, izay nahatonga Azy niaritra fanaintainana sy fijaliana izay araka ny famaritany azy dia “nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18), ary izany rehetra izany dia ny mba tsy hijaliantsika toy izany raha toa isika ka mibebaka. Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nahatonga Azy ho santatr’izay efa nodimandry tamin’ny alalan’ny fandresena ny fatotry ny fahafatesana mba hahafahan’ny rehetra hitsangana amin’ny maty ka tsy ho faty intsony (jereo ny 1 Korintiana 15:20).

Tamin’ ny 3 aprily 1836, izay nifanandrify tamin’ny Alahadin’ny Paska, ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ka nanambara hoe: “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4). Mitondra fiadanana sy fanantenana ary fifaliana ho ahy ny fahafantarana fa noho Izy, izaho sy ianao dia afaka haka ny vatantsika efa nodimandry ka hiaina indray miaraka amina vatana tsy mety maty mandrakizay. Fantatro fa velona Izy ankehitriny ary mitantana ireo raharahan’ny fiangonany amin’ny alalan’ny Mpaminany sy Apôstôly ankehitriny. Manasitrana ireo fanahy maratra sy torotoro Izy ankehitriny. Tena azo antoka fa tsy hisy zavatra tsy handeha amin’ny laoniny raha toa isika olombelona rehetra ka mametraka ny fitokisantsika Aminy.

Tena manome toky ny mahafantatra fa ilay Olona izay nandeha tamin’ny lalana tena sahala sy mihoatra izany—ilay Olona izay niaritra karazana fanaintainana rehetra nandritra ny Sorompanavotana—dia eo anilatsika sy mankahery antsika rehefa voahodidin’ny fanamby an’ny tena manokana sy iarahana amin’ny fianakaviana isika. Takany ny fanaintainana ara-batana rehetra izay azontsika eritreretina—manomboka amin’ny hozatra mioritra ka hatramin’ny aretina mitaiza farany izay tena mafy, hatramin’ny karazana fandavana rehetra—Izy ilay nolavin’ny olony. Rehefa tsy nahita tsiny teo amin’ny Mpamonjy i Pontsy Pilato ka nanome safidy amin’ izay olona hafahana—i Jesoa Kristy, ilay olona tonga lafatra tsy manam-pahotana sa i Barabasy, ilay olona malaza ratsy fa mpandroba sy mpamono olona—dia niantso mafy ny olona mba hanafahana an’i Barabasy ary hohomboana amin’ny hazo fijaliana i Jesoa (jereo ny Matio 27:17–23).

Rehefa mankalaza ny vaninandron’ny Paska izahay dia nahazo fahatakarana bebe kokoa ny fianakavianay fa nisy fanomezana nomena anay: Fanomezana ny fiainana mandrakizay, fanomezana famelana ny trosantsika raha toa isika ka mibebaka, ary fanambarana ho an’ny tena manokana ho toy ny “Liahona” hitarika antsika hiverina eo anatrehan’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra (jereo ny 1 Nefia 16).

Mahagaga fa misy olona an’arivony tsy mahalala ny momba ireo fanomezana avy any an-danitra ireo. Nataonay fomba amam-panaon’ny fianakavianay ny mizara sy manasa ireo rahalahy sy rahavavinay mba hisitraka ireo fanomezana miavaka ireo. Misafidy ombam-bavaka fianakaviana anakitelo mba hizaranay io fahalalana manokana izay manana ny fahafahana ny hanova tanteraka ny fiainan’ izy ireo io izahay. Tena nahatalanjona ny vokany rehefa lasa niara-nisitrika izany tamin’ny mpifanolobodirindrina taminay sy ireo mpikambana ao amin’ny fianakavianay lavitra izahay. Lasa nisy fahitana vaovao momba ny fanantenana sy fahatokisantena niforona rehefa miaraka akaiky amin’ireo olon-tianay mizotra mankany amin’ny fonenanay mandrakizay izahay mba hiaraka indray amin’ny Ray aman-dreninay any An-danitra.

Izao no ianarantsika avy amin’ny tenin’ireo mpaminany amin’ny andro farany: “Ny Andriamanitra ihany no afaka manatontosa ireo zavatra izay notontosainy. Amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray Azy ao amin’ny nofo dia nandova toetoetra avy any an-danitra i Jesoa. Izy irery ihany no hany olona izay teraka teto amin’ny fiainana an-tany ka afaka hanatanteraka io zavatra manan-danja sy mahatalanjona io. Amin’ny maha-Olona tokana niaina teto an-tany tsy nanota Azy dia tsy nandalo ny fahafatesana ara-panahy Izy. Noho ny maha-Andriamanitra Azy dia nanana ny hery handresena ny fahafatesana ara-batana Izy. Izany no nanaovany ho antsika ny zavatra izay tsy azontsika atao ho an’ny tenantsika. Notapahiny ny fatotra mamirifirin’ny fahafatesana. Nataony ihany koa izay nahafahantsika hanana ilay fankaherezana faratampony sy mampitony avy amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina”1.

Marina tokoa fa rehefa miatrika fanamby izay toa tsy ho resy isika eo amin’ny fiainana, aoka isika handray fankaherezana avy amin’ny fahafantarana fa ilay Zanak’Andriamanitra dia afaka manatontosa izay heverina fa tsy ho vita velively. Afaka nanasitrana ilay vehivavy izay nandeha ra nandritra ny roa ambiny folo taona Izy tamin’ny alalan’ny fikasihana ny fitafiany fotsiny. Afaka nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy, izay olona efa maty tao am-pasana nandritra ny efatra andro. Afaka niteny teny iray monja Izy dia sitrana ilay mpanompon’ilay kapiteny. Afaka nandidy an’ilay ranomasina nisamboaravoara Izy ka nampitony an’izany. Afaka nahita ilay trondro izay nisy vola madinika tao an-kibony Izy mba handoavana hetra.

Izy tokoa ilay velona, ilay IZAHO lehibe, mpamorona ny lanitra sy ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy.

Dunstan G.B.T. Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra i Chadambuka tamin’ny aprily 2019. I Pertunia Mudarikwa no vadiny ary manan-janaka telo izy ireo.

Naoty

  1. James E. Faust, “The Atonement: Our Greatest Hope,” Liahona, Jan. 2002, 20.