2021
Ny fomba nanavotan’ny Tenin’ny Fahendrena ny aiko
Aprily 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Ny fomba nanavotan’ny Tenin’ny Fahendrena ny aiko

“Ny safidin’ny Prince Henry Omondi handà dite iray kaopy dia niafara tamin’ny fanavotana azy tamin’ny fahafatesana izay nianjady tamin’ny olona an-jatony maro hafa tamin’izay andro izay.”

Ho an’ny fianakavian’i Prince Henry Omondi dia tsy vitan’ny hoe mianatra tsy misotro dite sy kafe sy toaka ary tsy mifoka sigara fotsiny no dikan’izany hoe mianatra mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena izany. Fandaniana fanampiny isam-bolana tamin’ny vatsim-bolan’ilay fianakaviana izay efa ambivitra izany ho azy ireo.

“Tena nijaly ara-nofo izahay taorian’ny nahafatesan’ny reniko,” hoy i Prince. Ny rainy dia tsy maintsy namelona tamin’ny fidiram-bola tokana, zanaka sivy izay 16 taona ny zokiny indrindra ary roa volana ny farany. Nandritra ireo fotoana tena sarotra ireo dia “nanana fanontaniana tao an-tsaiko aho ary indraindray dia nisalasala raha mba tia ahy Andriamanitra,” hoy izy. Saingy rehefa nihaona tamin’ny misiônera ny fianakaviany dia “tafapaka lalina tato am-poko” ny fampianaran’izy ireo.

“Teo am-pampianaran’ireo misiônera anay, dia tsapako ny fitiavan’Andriamanitra ahy ary tsapako fa nanana tanjona ho ahy Andriamanitra,” hoy izy.

Maro tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany no nahatsapa izany koa. Natao batisa ilay fianakaviana iray manontolo, afa-tsy ireo zokilahin’i Prince anankiroa ihany.

Nilaza i Prince fa fomba iray hahafantarana ny tanjona ho azy ny fitandremana an-tsakany sy an-davany ireo didy.

“Isan’ireo didy vaovao tamiko tamin’izany ny Tenin’ny Fahendrena,” hoy izy.

“Tsy olana ny tsy hisotro toaka sy tsy hifoka sigara na izay mety ho zava-mahadomelina manimba, saingy fanamby ho anay ny tsy hisotro dite sy ny kafe. Tadidiko ny raiko niteny tamin’ny misiônera fa lafo loatra ho anay ny zava-pisotro vita amin’ny sôkôla, ka tsy manam-bola ividianana izany izahay. Saingy nampahery anay ny misiônera, ary ny dadako dia nanana finoana sy herim-po hitsitsy vola mba hahafahanay mividy zava-pisotro vita amin’ny sôkôla ho solon’ny dite na kafe.”

Herin-taona taty aoriana dia vonona ny hanompo ho misiônera amin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i Nairobi Kenya i Prince.

“Afaka milaza aho fa manova fiainana ny asa fitoriana ny filazantsara,” hoy izy. Nandritra ny fotoana nanompoany dia nisy fanenjehana be dia be tao amin’ny Fiangonana tany Kenya ary fihetseham-po manohitra ny Fiangonana no lohateny nisoratra teo amin’ireo gazety.

“Rehefa nandeha teny an-dalana tao Nairobi aho dia nampangaina im-betsaka ho niditra ho mpikamban’ny Fiangonana mba hahazoam-bola”. Lasa “fotoana nanova zavatra” ho azy ny fifanojoana iray tena sarotra tokoa tamin’ny mpanenjika iray. Tamin’izay hariva izay, hoy izy, dia “tonga saina aho fa, na izaho mampirina ny entako dia mandeha mody, na miezaka ny hahafantatra ho an’ny tenako manokana.”

Nahazo ny valin-teny notadiaviny i Prince.

“Izay no voalohany indrindra nahafahako nilaza, tahaka ny mpaminany Joseph Smith fa fantatro izany, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka nandà aho fa tao amin’ny Fiangonana marina no nisy ahy.”

Rehefa vita ny asa fitoriana nataony dia “tsy mora ny fiainana,” hoy i Prince.

“Mbola sahirana izahay mianakavy nitady izay harapakay, saingy tsy nisy fiantraikany teo amin’ny finoako an’i Jesoa Kristy izany.”

Nandroso hevitra ny namana iray tany amin’ny sahan’ny misiôna ny mba hiezahany hifindra tany Etazonia mba hianatra.

Saingy mba hahafahana manao izany dia nila naka visa ho an’ny mpianatra izy. “Rehefa nandeha voalohany nametraka ny fangatahako visa aho dia nolavina izany satria tsy nanana rohim-pihavanana mafy orina tsara ara-pianakaviana aho mba hanaporofoana fa hiverina aty Kenya taorian’ny fianarako,” hoy izy. “Tapa-kevitra aho. Tsapako fa fahafahana ho ahy hivoarako teo amin’ny fiainana izany sady azo lazaina hoe hanatsarana ny fiainan’ny fianakaviako koa. Koa dia nanandrana fanindroany aho. Mbola nolavina ihany ny fangatahako.”

Noho ny herim-po nananany dia nanapa-kevitra ny hanandrana indray izy.

Teny an-dalany nankany amin’ny masoivoho mba hanatitra ny fangatahana fanin-telony dia nandalo tao amin’ny biraon’ny zokiny lahy izy, izay nanaiky ny hanome azy relevé bancaire mba hanatevenana ny antontan-taratasiny.

Nangataka olona iray ny zokiny lahy mba hikarakara zava-pisotro ho an’i Prince, ary afaka minitra vitsy dia notolorana dite iray kaopy izy.

“Hoy aho tamin’ilay zokiko lahy izay tsy mpikambana hoe: -fantatrao fa tsy misotro dite aho.-

“Niala tsiny sy nihomehy izy dia nangataka an’ilay ramatoa hanomana zava-pisotro vita amin’ny sôkôla ho ahy. Namaly aho hoe: -Aoka amin’izao fa omeo ahy fotsiny ireo antontan-taratasy dia handeha haingana any amin’ny masoivoho aho.-

“Saingy, nisisika izy”, hoy i Prince.

Niandry i Prince nandritra ny fotoana nikarakarana ilay ranon-tsôkôla mafana, nisotro izany dia naka ireo antontan-taratasy, ary nandeha.

Nandalo indrindra teo amin’ny Kenya Cinema—izay tany amin’ny metatra vitsy monja niala ny ambasady Amerikana—izy no nahare fipoahana.

Feom-basy ilay fipoahana.

“Raha niala telo minitra monja talohan’izay aho dia ho tratran’ilay fanafihana nataon’ny mpampihorohoro tamin’ny aogositra 1998 tao amin’ny masoivohon’i Etazonia,” hoy i Prince.

“Nanavotra ny aiko ireo telo minitra amboniny niandrasana ny fikarakarana ilay ranon-tsôkôla mafana.”

Mihoatra ny 200 ny olona maty tamin’ilay fanafihana nataon’ny mpampihorohoro tao Afrika Atsinanana tamin’io andro io, “kanefa tsapako fa narovana manokana aho satria nanaja ny Tenin’ny Fahendrena,” hoy i Prince.

“Afaka mijoro ho vavolombelona aho fa raha nihevitra aho fa didy tsy manan-danja ny tsy fisotroana dite dia tsy mino aho fa mbola ho velona amin’izao fotoana izao.”

Nahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana tena misy voarakitra ao amin’ny fizarana faha-89 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana i Prince hoe: “Ary Izaho Tompo dia manome azy ireo fampanantenana fa handalo azy ireo . . ., ny anjely mpandringana fa tsy hamely azy ireo” (andininy 21).

Ny niafarany dia tsy nandeha tany Etazonia mihitsy i Prince. Fantany hoe “nanana drafitra tsara ho ahy teto Kenya ny Tompo,” hoy izy.

“Manova fiainana ny filazantsara,” hoy i Prince nijoro ho vavolombelona. Amin’ny maha-zanaky ny Tompo antsika dia ny “mihaino Azy sy manao ny marina” no tokony hataontsika rehetra.”

Ny filoha Prince Henry Omondi no mpanolotsaina voalohany ao amin’ny tsatòkan’i Kenya Nairobi Andrefana. Izy no Tale mpitantana ao amin’ny Seminera sy Institiota ao amin’ny Misiônan’i Nairobi Kenya sy Kampala Ouganda.