2021
Fahagagana kely miorina eo amin’ny nofinofy rava
Jona 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Fahagagana kely miorina eo amin’ny nofinofy rava

“Raha nanisa ireo fitahiana azoko aho dia nahita fa ny Tompo dia mitantana lafin-javatra maro eo amin’ny fiainako. Fantany manokana aho ary manan-danja Aminy.”

Dimy taona lasa izay dia niroso tamin’ny fanatanterahana dingana iray hanatontosa ny fanohizako ny fianarako momba ny fambolena taorian’ny nahazoako diplaoma voalohany aho, mba handalina manokana momba ny fanatsarana ny kalitaon’ny zava-maniry. Nahazo vatsim-pianarana avy tamin’ny Ivon-toeram-pikarohana iray malaza ao Afrika Atsimo aho. Na dia teo aza ireo fanamby amin’ny fikolokoloana fianakaviana dia nanaiky io nofinofy ahazoana fahafahana maro io aho. Hatry ny mbola kely aho dia efa voasarika foana tamin’ ireo hetsika atao eny ankalamanjana izay hikasihana tany sy hambolena zava-maniry. Lehibe tany Môzambika aho ary tena tiako ny niaraka tamin’ny renibeko niasa tany amin’ilay sombin-tany keliny ivelan’i Beira izay namboleny vomanga sy vary ary zavatra maro hafa. Tena ankamamiako ireo fahatsiarovana ireo ary hazoniko akaikin’ ny foko izany.

Raha niroso tamin’ilay dingana ho lasa mpanatsara ny kalitaon’ ny zava-maniry aho dia nahazo antoka fa ho vitako ny fianarako ary hahazo diplaoma aho ny ririnin’ny taona 2020. Nanana nofinofy sesilany aho ny amin’ny hoe ho toy ny ahoana izany fiainana tonga lafatra izany. Raha nijery ny zavatra takian’ny fahaiza-manao izay tena vitsy eo amin’ny sehatry ny asa nandritra ireo taona lasa dia tena faly aho noho ireo fahafahana vaovao niseho tamiko. Mpanolo-tsaina tsy miankina momba ny teny sy ny serasera no tena nosahaniko hatramin’izay niasako. Niandrandra mafy ny hiasa amin’ny resaka fikarohana amin’izay aho sy hampihatra ireo fahaiza-manao noratoviko nandritra ireo taona maro nianarana.

Noho ny fiparitahan’ilay valanaretina COVID-19 haingana tao Afrika Atsimo dia lasa niharihary fa na dia efa nandefa ny voka-pikarohako tany amin’ny faran’ny taona 2019 aza aho dia tsy hahavita ny fianarako amin’ny fizarana diplaoma amin’ny ririnina araka izay nantenaiko. Tsy ilay lanonana fizarana diplaoma no tena nanan-danja tamiko, fa ny fahafahako nahatontosa ilay fianarana mba hahazo asa tsara. Fantatro fa hitaky fotoana ny hahazo ilay karazan’asa izay notadiaviko, nandefa taratasy fangatahana asa iray aho, avy eo roa, ary farany dia nandefa maro be aho ka tsy voaisako intsony.

Nampianatra lesona manan-danja vitsivitsy tamiko io zavatra niainana io: tsy voatery hitranga araka izay naniriantsika azy ny drafitra ataontsika eo amin’ny fiainana. Ankehitriny, herin-taona aty aoriana, dia mbola mitady izany asa nofinofisiko izany aho. Tsy ho ahy irery ihany izany, fa na ny fianakaviako akaiky sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny aza dia manantena mafy olona nahavita fianarana tahaka ity.

Raha tafahaona tamin’ny namana iray aho dia nanontaniany hoe nanao ahoana ny fiainako sy raha afaka nahita asa aho. Izay novaliako mora foana hoe tsy nety nahita aho. Niresaka momba ana zavatra maro izahay. Raha nitondra fiara nody aho dia nandinika ny toe-piainako sy ny toe-tsaiko nandritra ilay valanaretina. Dia tonga saina aho tamin’izay fa nitahy ny fiainako ny Tompo. Rehefa nanao jery todika aho dia nahita fa maro ireo fahaiza-manao azoko sy ny fotoana sarobidy niarahako tamin’ny fianakaviako izay nampifamatotra anay. Maro tsotra izao ireo fahagagana kely ka tsy tambo isaina. Afaka nanana ny ampy hividianana ireo zavatra fototra nilaiko aho. Nalaiko ny teti-bolako talohan’ny COVID-19 dia namboariko indray izany. Satria nanana fotoana malalaka bebe kokoa aho dia voasarika tamin’ny zavatra tiako aho, dia ny miasa tany. Nanao zaridaina nambolena legioma aho, nianatra ny fomba fanetezana bozaka sy ny fandrantsanana hazo izaho sy ny ankizy, izay tsy ho tapitra raha tanisaina. Ankehitriny dia ny zaridainanay no mamokatra ny ankamaroan’ireo zava-maintso haninay, toy ny epinara sy ny salady ary ny roketa. Nahita fotoana manan-danja nilalaovana sy niasana amin’ny maha-fianakaviana anay izahay. Lasa nanana fahazarana mandeha mitsangatsangana kely amin’ny hariva eny amin’ny manodidina anay izahay.

Rehefa nandinika ny zavatra niainako nandritra ireo sivy volana lasa aho, na dia tsy nahazo ireo zavatra nonofinofisiko aza, dia afa-po aho amin’ny ankapobeny. Betsaka kokoa ny zavatra tsara hitako manodidina ahy raha ampitahaina amin’izay ratsy. Nahazo fahatakarana lalina kokoa ny amin’ny fatokisana ny fotoan’ny Tompo aho. Fantany izay tsara ary manana drafitra tsaratsara kokoa ho ahy sy ny fianakaviako Izy. Raha nanisa ireo fitahiana azoko aho dia nahita fa ny Tompo dia mitantana lafin-javatra maro eo amin’ny fiainako. Fantany manokana aho ary manan-danja Aminy. Miraharaha ny faniriantsika marina Izy. Tiany mba hatoky Azy sy ho faly isika. Lasa fantatro amin’ny foko manontolo izany.

I Sonia Naidoo dia mpikambana ao amin’ny parosy voalohan’i Centurion ao Afrika Atsimo, ary mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga izy.