2021
Ndeha hamantatra ireo rahavavy izay vao nantsoina ho Mpanoro-hevitra ao amin’ny Rafitra eo anivon’ny Vondromparitra
Aogositra 2021


Pejy eo an-toerana

Ndeha hamantatra ireo rahavavy izay vao nantsoina ho Mpanoro-hevitra ao amin’ny Rafitra eo anivon’ny Vondromparitra

Ity antso vaovao eo anivon’ny Fiangonana ity dia mamela ireo rahavavy hanao filankevitra miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy hanofana ny rafitra eo anivon’ny tsatòka sy distrika sy paroasy ary sampana izay tarihina rahavavy.

Vao haingana no nisy vehivavy anankitelo tao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo nantsoina ho “Mpanoro-hevitra ao amin’ny Rafitra eo anivon’ny Vondromparitra”.

Antso vaovao izay nampidirina ao amin’ny firafitry ny rafitra eo anivon’ny Fiangonana io. Izany dia miantso ireo vehivavy ireo mba handray anjara amin’ny filankevitry ny mpitarika sy hanoro hevitra sy hanofana ary hanohana ireo rafitra tarihin’ireo rahavavy manerana ny vondromparitra.

Vakio ireto manaraka ireto raha te hahalala bebe kokoa momba ireo rahavavy telo izay nantsoina hamita ity andraikitra vaovao ao amin’ny vondromparitra ity.

Rahavavy Amalia Malidadi dia mipetraka ao Beira, Sofala, Mozambika.

Nanompo tamin’ny naha Filohan’ny Zatovovavin’ny tsatòka teo anivon’ny tsatòkan’i Beira Mozambika Rahavavy Malidadi talohan’io antso io. Efa nanompo tamin’ny antso maro teo anivon’ny fiangonana izy, anisan’izany ny naha filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny sampana azy, ary izy mivady koa dia mpivady mpitantana ny HZM tamin’ny 2017.

Mihazona ny mari-pahaizana PhD, sy MBA ary Master amin’ny lafin’ny Fitantanana sy fikarakarana ny mpiasa. Mpampianatra any amin’ny oniversite momba ny fitantanana orinasa any amin’ny Oniversite katolikan’i Mozambika izy, izay ampianarany ny fitantanana momba ny haivarotra sy ny fitantanana ara-bola.

Nilaza ny rahavavy Malidadi fa mitondra fitaomam-panahy ho azy ny fianakaviany rehefa eo am-panaovana ireo andraikiny isan-karazany izy. Hoy izy hoe: “Te ho ohatra tsara ho azy ireo sy ho an’ny olona tsirairay manodidina ahy aho”. Nivady izy sy i Solomon tamin’ny taona 1999, ary manan-janaka telo izy ireo.

Miandrandra ny “hianatra izaitsizy tokoa sy hivelatra ara-panahy sy ara-tsaina ary indrindra ara-pietsehampo,” ao amin’ny antsony vaovao izy.

Milaza Rahavavy Malidadi fa ny tanjony manokana dia hoe: “hanome hery ny vehivavy sy hampiseho azy ireo fa mahavita zavatra izahay. Afaka mandresy na inona na inona izahay raha mahazo tosika kely.”

Rahavavy Theresa Tshidi Chokoe dia nanompo tamin’ny naha filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòka azy teo anivon’ny tsatòkan’i Roodepoort Afrika Atsimo talohan’io antso io.

Efa nanompo tamin’ny antso maro teo anivon’ny fiangonana izy, anisan’izany ny naha tompon’andraikitra momba ny asa azy teo anivon’ny tsatòka sy naha mpanolotsain’ny Fikambanana Ifanampiana sy Kilonga azy teo anivon’ny Paroasy ary ny naha mpitarika ny HZM azy nandritra ny fihaonamben’ny HZM tamin’ny 2018.

Rahavavy Chokoe dia miasa ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana ao amin’ny faritany Gauteng any Afrika Atsimo, izay toerana itanany ny andraikitra maha Filoha lefitra azy amin’ny fanabeazana misahana ny fanampiana ara-tsaina.

Nanambady an’i Mpho Chokoe izy tamin’ny 1995. Manan-janaka telo izy ireo ary manana zafikely telo. Monina ao Krugersdorp, andrefan’i Johannesbourg, Afrika Atsimo izy.

Eo am-pandraisana an’io andraikitra vaovao io, ny Rahavavy Chokoe dia mikendry ny “handray anjara amin’ny asan’ny Tompo amin’ny alàlan’ny fiainana ny filazantsara sy ny fikarakarana ireo sahirana.”

“Ny fanompoana ny hafa amim-pitiavana sy amim-pangorahana” no fitsipika mitarika azy izay manentana azy eo amin’ny fiainany. Eo am-pandraisainy an’io andraikiny vaovao io, ny Rahavavy Chokoe dia milaza fa miandrandra ny “hotarihin’ny Fanahy rehefa manompo amim-panetrentena aho ary manome lanja ny fahasamihafana.”

Rahavavy Tarirai Mhonda dia mipetraka ao Harare, Zimbabwe. Tompona orinasa mpanome torohevitra matihanina mikasika ny fizahan-tany sy orinasa mpikirakira hoditra koa izy. Efa niasa tamina karazana asam-panjakana maro koa izy anatin’izany lafin’ny fizahan-tany tao Zimbabwe Tourism, ny banky Reserve Bank ao Zimbabwe ary ny Parc national ao Zimbabwe.

Mankafy ihany koa ny fitantanana fambolena sy fiompiana kely miaraka amin’ny vadiny, izay novadiany tamin’ny taona 1988. Izy dia nanompo tamin’ny naha Filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòka azy teo anivon’ny tsatòkan’i Harare Zimbabwe Atsimo nandritra ireo 7 taona lasa teo. Efa nanompo tamina antso maro teo anivon’ny Fiangonana izy, anisan’izany ny naha mpanolotsainan’ny Fikambanana Ifanampiana azy teo anivon’ny tsatòka sy filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy ary mpanolotsaina tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy.

Vita batisa tao Salzburg, Austria i Rahavavy Tarirai Mhonda ary manan-janaka telo.

Izy dia mihevitra ny andraikitry ny mpanoro-hevitra ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra ho toy ny zavatra iray izay hampifandray ny Fiadidian’ny Vondromparitra amin’ireo rafitra tarihina rahavavy eo anivon’ny Fiangonana.

Eo am-panaovany ity andraikitra vaovao ity ny Rahavavy Mhonda dia milaza fa izy dia “miandrandra fandraisana anjara bebe kokoa avy amin’ireo rahavavy ao amin’ireo fivoriana filankevitr’izy ireo vokatry ny fahatsapan’izy ireo fa tiana izy ireo sy ny fahafantarany fa manan-danja amin’ny Fiangonana ny andraikitr’izy ireo.

Hoy izy: “Ny rahavavy rehetra dia tokony nandray famporisihana avy amin’ilay hafatry ny Filoha Nelson nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny Ôktôbra 2019 hoe: fa ny andraikitry ny vehivavy dia samy manan-danja avokoa amin’ny fanangonana an’i Ziona amin’ny fanomanana ny fahatongavan’ny Mpamonjy antsika Jesoa Kristy fanindroany.”

Mandritra ny fiainany dia mahazo fitaomam-panahy avy amin’ny soratra masina sy ireo lahateny amin’ny fihaonambe ary ireo lahatsoratra ao amin’ny Liahona Rahavavy Mhonda. Izy dia manovo hery avy amin’ireo mpitarika izay nolazainy manokana hoe “mampahatsiahy ahy fa na dia feno fahavalo sy fahasarotana aza ny fiainana dia misy hatrany ny fomba fijery amin’ny lafin-tsaran-javatra ho an’ny zava-drehetra.” “Hanampy ahy ho tafavoaka amin’ireo fotoana sarotra indrindra ny finoana sy ny fanantenana.”