2021
–Avy eo dia nanambara izy ireo fa hahazo tempoly izahay aty Beira!–
Aogositra 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

–Avy eo dia nanambara izy ireo fa hahazo tempoly izahay aty Beira!–

“Mizara ny fihetseham-pon’izy ireo ny mpikambana ao Beira, Môzambika rehefa nahare ilay vaovao mampientanentana fa hahazo tempoly ny tanin’izy ireo.”

Ny takarivan’ny 4 aprily dia nandefa fandaharana mbola tsy mpandeha hatrizay ny TV Successo, fahitalavitra ao Môzambika. Tsy ilay fandaharana mahazatra mandeha amin’ny takariva no nampitain’ilay fahitalavitra fa rindran-kira sy hafatra manentana ny fanahy avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manerana ny tany. Vao sambany io fahitalavitra io no manao fampitana ny fivoriana alahady maraina amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Efa ho misasakalina tamin’izay tamin’io hariva io ihany raha niresaka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Russell M. Nelson ho famaranana ny fihaonambe. Tamin’izay no nanambarany fa hisy tempoly maro vaovao haorina.

“Te hitondra ny tranon’ny Tompo akaiky kokoa hatrany ny mpikambana ato amintsika izahay, mba hahazoan’izy ireo ny tombontsoa masina ny handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay tratran’izy ireo,” hoy ny mpaminany.1

“Avy eo,” hoy i Freeman Dickie, izay filohan’ny tsatòkan’i Beira Môzambika, “dia nanambara izy ireo fa hahazo tempoly izahay aty Beira!”

Na dia efa alina be aza tamin’izay dia “maro ny hafatra lasa tany amin’ireo vondrona ao amin’ny Whatsapp. Nifoha ny olona ary nankalaza izany! Voalohany, dia vao sambany izahay no afaka nijery mivantana ny Fihaonambe maneran-tany tamin’ny fahitalavitra, ary tamin’io alina io ihany no nisian’ilay filazana momba ny tempoly! Azonareo sary an-tsaina ve ny fientanam-po tamin’izany.”

Nilaza rahavavy Emilia Cristina Chaimane Paulino, mpikambana iray ao amin’ny sampan’i Macuti ao amin’ny tsatòkan’i Beira, fa nahatsapa ho “heniky ny hafaliana” izy rehefa nahare ilay vaovao. “Vao nahare izany aho dia nanomboka latsa-dranomasom-pisaorana noho io fitahiana io. Tsy haiko mihitsy ny milaza ny zavatra tsapako.”

Tsy teo an-tanàna i Ernesto Paulino vadiny fa niasa ary somary narary ny alina nanaovana io filazana io. Tao anaty torimaso lalina izy no nofohazin-dRahavavy Paulino tamin’ny antso an-telefaonina nilaza ilay vaovao mampihetsi-po.

“Raha ny tena marina dia sitrana tampoka tamin’ilay aretiko aho,” hoy Rahalahy Paulino. “Rehefa naheno ilay vaovao aho dia hoy aho hoe: –Salama aho izao!–

“Nahatsapa izany fahasoavana mahatalanjon’ny Tompo izany aho,” hoy izy. “Andro fankalazana ho anay tamin’io. Zavatra tena niavaka.”

Nilaza ny Filoha Dickie fa nanao fahafoizan-tena ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Beira, izay efa ho amin’ny sisin-tany atsinanan’i Môzambika, mba handehanana any amin’ny tempoly. Tamin’ny taon-dasa dia nanomboka nandeha sidina ho any amin’ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo izy ireo saingy talohan’izay dia manao dia maharitra 36 hatramin’ny 40 ora amin’ny fiarabe izy ireo ho any amin’ny tempolin’i Johannesbourg.

“Miala alatsinainy maraina izahay ary tonga any Johannesbourg ny alarobia maraina,” hoy ny Filoha Dickie. “Mitsaoka ao amin’ny tempoly izahay mandritra ny roa andro dia miainga ho aty Beira indray ny zoma maraina ary tonga any an-trano ny sabotsy alina.”

Mpikambana maro no mino fa izany fahafoizan-tena izany no nanampy tamin’ny fanomanana azy ireo ho amin’ny fanorenana tempoly amin’ny faritra misy azy ireo. “Nieritreritra momba ireo ezaka rehetra nataon’ireo mpikambana aho, ireo ora maro teny an-dalana hihazo ny tempolin’i Johannesbourg,” hoy Rahalahy Paulino. “Izao ilay vaovao milaza fa hanana tempoly akaiky anay izahay dia manome anay fahatsapana fa mahafantatra ny ezaka ataonay ny Tompo. Fantany fa tena ilainay tokoa ireo fitahian’ny tempoly ireo.”

Milaza ihany koa Rahalahy Paulino fa miaraka amin’ireo fitahiana ireo dia hitondra fanamby ihany koa ny fananana tempoly eo anivon’izy ireo: dia ny fanamby hoe tsy tokony hiraviravy tanana.

“Mahatsapa aho fa zava-dehibe mihoatra ny fananana tempoly akaiky ny fandehanana matetika any amin’ny tempoly,” hoy izy.

“Toy izany no fanomezana lanja an’ireo ôrdônansy izay tanterahintsika ao ireo, sy ny fahavononantsika hanompo. Zavatra tena tsara ny fananana tempoly eo akaiky, saingy ny fahavononantsika manokana ho any no tena manan-danja.”

Milaza Rahalahy Jequecene Sande avy ao amin’ny sampan’i Macuti fa nanome fanantenana vaovao ho an’ny mpikambana ilay vaovao. “Mahatsapa ho voatahy izahay,” hoy izy. “Efa im-betsaka i Beira no ravan’ny tondra-drano sy ny rivo-doza, saingy rehefa nanambara ilay tempoly ao Beira ny mpaminany dia nahatsapa fifaliana sy fanantenana ny olona.”

Midika ho fananana andraikitra lehibe kokoa izany ho an’ireo mpikambana hoy izy. “Fantatray fa izao no fotoana hitondrana fiovana eo amin’ny fiainanay, mba ho akaiky kokoa ny Tompo. Mila manova ny fiainanay izahay, miaina araka ny lalàn’ny Tompo, ary mampitombo ny ara-panahinay.”

Nizara fihetseham-po mitovy amin’izany ny Filoha Dickie.

“Ilainay eto Beira ny tempoly, saingy ambonin’izany dia mila izany fiomanana ho amin’ny tempoly izany izahay,” hoy izy.

“Mila manao zavatra izahay ary mahafoy tena mba hanomana ny tenanay ho amin’ny filazana ny tempoly, saingy mbola misy asa maro tokony hatao sy fiomanana tokony hovitaina. Nantsoina hanomboka izany fiomanana izany izahay izao,” hoy ny Filoha Dickie.

“Zavatra iray ny fiomanana hanao dia ho an’ny tempoly, fa zavatra izay hafa koa ny miomana hanana tempoly ao amin’ny taninao.”

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Ny COVID-19 sy ny tempoly,” Liahona, mey 2021, 127.