2021
Krismasy—“Ilay Fanantenan’i Isiraely”
Desambra 2021


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

Krismasy—“Ilay Fanantenan’i Isiraely”

Ny hafatra fonosin’ny Krismasy dia hoe manana fahafahana ny handray fitiavana, hazavana, fiainana ary ny drafitr’ Andriamanitra sy ny tanjony eo amin’ny fiainan’izy ireo ny olona izay manana fanantenana.

Ny anaran’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana na ny tena anarana iantsoana an’ Andriamanitra dia Andriamanitr’i Isiraely. Izany dia maneho ilay “Izy Aho mandrakizay” (jereo ny Eksodosy 3:14; Jaona 8:58). I Jehovah dia i Jesoa Kristy talohan’ny fiainana an-tany ary tonga teto an-tany ho zanak’i Maria (jereo ny Môzià 3:8; 15:1; 3 Nefia 15:1–5). Matetika ny teny hoe “Tompo” rehefa miseho ao amin’ny Testamenta Taloha, dia midika hoe “Jehovah.”

Ny filazantsaran’i Lioka sy ny filazantsaran’i Matio dia mamariparitra an’i Jesoa ho naterak’i Virjiny Maria tao Betlehema. Ao amin’ny Lioka, dia niainga avy tany Nazareta nankany Betlehema i Josefa sy i Maria hanao fisoratana anarana ho an’ny fanisam-bahoaka, ka teraka tany i Jesoa ary nampandriana tao an-tranon’omby. Nambaran’ireo anjely fa Izy no Mpamonjy ny olona rehetra ary nandeha tany an-tranon’omby ireo mpiandry ondry nitsaoka Azy.

I Matio dia nanampy hoe, nanaraka kintana iray nankany Betlehema ny magy mba hitondra fanomezana ho an’i Jesoa, fa teraka ny mpanjakan’ny Jiosy.

Nahoana no manan-danja ny Krismasy?

Manan-danja ny Krismasy ho an’ny Kristiana maro satria mampahatsiahy azy ireo izany fa tonga tety an-tany ho an’ny olona rehetra i Jesoa, Zanak’ Andriamanitra, ka ny famangian’ireo magy sy ny mpiandry ondry no tandindon’izany. Nanana finoana an’ Andriamanitra i Maria sy i Josefa na dia teo aza ny olana natrehan’izy ireo.

Ny hafatra fonosin’ny Krismasy dia hoe manana fahafahana ny handray fitiavana, hazavana, fiainana ary ny drafitr’ Andriamanitra sy ny tanjony eo amin’ny fiainan’izy ireo ny olona izay manana fanantenana.

Fanantenana

Ao amin’ny fitenin’ny filazantsara, ny teny hoe “fanantenana” dia manambara zavatra azo antoka, tsy mihozongozona ary mifono fahavitrihana. Ireo mpaminany dia miresaka ny momba ny hoe “fanantenana mafy orina” (jereo ny Almà 34:41) sy “fanantenana velona” (jereo ny 1 Petera 1:3). Nampianatra ny mpaminany Môrônia hoe: “Koa na zovy na zovy no mino an’ Andriamanitra dia mahazo manantena amim-pahatokiana tokoa tontolo iray tsara kokoa” (Etera 12:4).

Rehefa manana fanantenana isika dia matoky ireo fampanantenan’ Andriamanitra. Manana fahatokiana amim-pahatoniana isika fa rehefa manao “ny asan’ny fahamarinana,” dia “handray ny valisoan[tsika], dia fiadanana eto amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23). Nampianatra i Môrmôna fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahatongavan’ny fanantenana toy izany: “hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy”, hoy ny nampanantenainy (Môrônia 7:41).

Rehefa miezaka miaina ny filazantsara isika dia mitombo ilay fahafahantsika manana “[fanantenana bebe kokoa] noho ny herin’ny Fanahy Masina” (Romana 15:13). Mitombo ny fanantenantsika rehefa mivavaka sy mikatsaka ny famelan’ Andriamanitra isika. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia misy misiônera iray antsoina hoe Aharôna izay nanome toky ny Mpanjaka Lamanita iray mikasika io fanantenana azo avy amin’ny fibebahana io. “Raha mibebaka amin’ny fahotanao rehetra ianao ary miankohoka eo anoloan’ Andriamanitra sy miantso ny anarany amim-pinoana sady mino fa ianao dia handray, amin’izany dia handray ny fanantenana izay irinao ianao” hoy izy (Almà 22:16). Mahazo fanantenana koa isika rehefa mandalina ny soratra masina sy manaraka ireo fampianarana ao anatin’izany (jereo ny Romana 15:4.)

Fitiavana

Ny fitiavana dia fahatsapana fahafoizantena lalina sy fiahiana ary fankamamiana. Ny ohatra lehibe indrindra nasehon’ Andriamanitra momba ny fitiavany ny zanany dia hita ao anatin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Toetra mamaritra ireo mpianatr’i Jesoa Kristy ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. Ampahatsiahivina antsika ireo fitsipika ireo ao anatin’ny soratra masina:

Nolazaina isika fa tian’ Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany Lahitokana (jereo ny Jaona 3:16 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:3).

Nandidy antsika i Jesoa mba “[hifankatiavantsika] tahaka ny nitiavako anareo” (jereo ny Jaona 13:34; Jaona 15:12, 17; ary Mosesy 7:33).

Miteny amintsika ny Tompo hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (jereo ny Jaona 14:15 sy ny F&F 42:29).

Ny fitiavana an’ Andriamanitra dia ahitana fahafoizantena, fitsaohana, fanajana, fahalemem-panahy, famindrampo, famelana, fangorahana, fanompoana, fankasitrahana, ary hatsaram-panahy. Ny ohatra lehibe indrindra maneho ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany dia hita ao amin’ilay Sorompanavotana tsy manam-petra nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 10:24).

Hazavana

I Jesoa Kristy no hazavana. Izy tenany dia nilaza an’izao ao amin’ny Jaona 8:12 “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” Nanampy Izy taty aoriana ao amin’ny Jaona 14:6, hoe: “Hoy [Jesoa] taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”

Nampianatra antsika tamin’ny alalan’ny ohatra Izy ary nampiseho antsika ny tanjona ambony kokoa an’ny fiainana an-tany. Natorony ny toerana hitondran’ity fiainana ity antsika raha manaraka ilay hazavany sy miaina ao anatin’izany isika.

Ny hazavan’i Kristy dia hery masina na fahefana masina na fitarihana masina izay miainga avy any amin’ Andriamanitra mankany amin’i Kristy ary manome aina sy hazavana ny zavatra rehetra.

Ny eritreritsika dia fisehoan’ny hazavan’i Kristy izay manome fahafahana antsika hitsara ny tsara sy ny ratsy (jereo ny Môrônia 7:16, 18).

Izany hazavana izany dia manomana antsika handray sy hahatakatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika.

Ny drafitry ny famonjena dia lasa mazava ary ilay “drafitry ny famonjena” izay an’ny tenantsika manokana izay ampahany ao anatin’ilay “drafitra” lehibe kokoa dia mampisy tanjona ny fiainantsika sy manoro ny lalan-kalehantsika. Ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana, izany hazavana sy fahatakarana ny drafitr’ Andriamanitra izany dia mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra sy ny fitandremana izany. Ny fanekempihavanana toy izany dia tanteraka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy izay manome “aina sy hazavana” ny zavatra rehetra sy ny zavatra ataontsika rehetra ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo dia mitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Fiainana

Rehefa miresaka momba ny hoe fiainana amin’ny dikany mivelatra kokoa ny soratra masina, dia matetika entina ilazana ny fiainana mandrakizay izany. Tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesoa Kristy mba hamonjy ny aintsika (jereo ny Jaona 3:17) ary mba hanome fahafahana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay.

Ny fahaterahan’i Kristy izay mariky ny fanantenana dia fanalahidy iray hahatakarana ny antony maha-fiainana Azy. Fohy ity fiainana an-tany ity ary mety hifarana amin’ny fotoana tsy eritreretina sy amin’ny fomba tsy ampoizina.

I Kristy no fiainana satria tamin’ny alalan’ilay fiainana fakan-tahaka sy tonga lafatra nananany no naha-mendrika azy handresy ny fahafatesana sy ny fahotana.

Nampianatra an’ireo Nefita ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Môzià 3:7–11 hoe, hiaina ny tsy fahafatesana sy hiaina mandrakizay ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia nanome fahafahana ny hahazoana ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanakondry (Jesoa Kristy) Izy, izay antsointsika hoe fisandratana. Mitondra ilay “fitohizam-piainana” izany (jereo ny F&F 132:22–23).

Ry rahalahy sy anabavy, ndeha isika hankalaza ny Krismasy sy ilay olo-manan-kaja lehibe ao anatin’izany, dia i Jesoa Kristy izany. Aoka isika hisafidy ny hanao ny zavatra nasain’ny Mpaminanintsika nataontsika vao haingana ka “avelao hanjaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra.”1

Rehefa manao izany isika dia ho tonga any amin’ny misy Azy koa isika.

Tena Fanantenan’i Isiraely tokoa Izy.

I Artur Jose de Matos Miranda dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2017. I Mónica Tulia Granja Cardoso no vadiny. Manan-janaka roa izy ireo ary mipetraka any Lusaka, Zambie amin’izao fotoana izao.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, Nôv. 2020, 92–95.