2021
Ny Fiangonana dia nanolotra amboaram-pitaovana fiarovan-tena ho an’ny governemanta Namibiana mba hiadiana amin’ny COVID
Desambra 2021


EN LIGNE IHANY

Ny Fiangonana dia nanolotra amboaram-pitaovana fiarovan-tena ho an’ny governemanta Namibiana mba hiadiana amin’ny COVID

“Faly tokoa aho satria ahitana ireo zavatra tena ilaina indrindra ny fanomezana natolotrareo . . . Ho ampiasaina izany mba hanampiana ireo mpiasan’ny fahasalamana ato aminay sy hikarakarana ihany koa ireo marary ao amin’ny Sampana vonjy aina . . . Zavatra fototra tena ilaina amin’ny ady ataonay ireo fitaovana ireo.” Nandray an-tanan-droa amboaram-pitaovana fiarovan-tena sy fitaovana fitsaboana mitentina 200.000 dôlara Andriamatoa Kalumbi Shangula, Minisitry ny fahasalamana sy ny asa sôsialy ao Namibia mba hanohanana ny ady amin’ny COVID. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no nanolotra ilay fanomezana.

Raha hamaky misimisy kokoa momba izany dia tsidiho ny pejy Facebook Afrika Atsimo: https://www.facebook.com/churchofjesuschristafricasouth /