2021
Desambra 1989: Ny batisa voalohany tao Lesotho
Desambra 2021


TANTARAN’NY FIANGONANA HO AN’ITY VOLANA ITY

Desambra 1989: Ny batisa voalohany tao Lesotho

Nahazo ny fankatoavana ara-dalàna avy amin’ny fitondram-panjakan’i Lesotho Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny taona 1989. Talohan’izany dia vitsy tokoa ny solontenan’ny Fiangonana tao amin’io firenena io, saika vahiny miasa amin’ny sampan-draharaha manao asa soa avokoa ireo mpikambana. Tamin’ny taona 1982, dia nisy sampana iray natsangana tao Maseru, kanefa nitsahatra izany afaka dimy taona. Herintaona taty aoriana, tamin’ny 1988 dia nisy indray mpikambana valo avy amin’ny fianakaviana anankiroa nipetraka tao Maseru, ary nitsangana ny vondrona kely iray mbola tsy mahaleo tena.

Tamin’ny taona 1989 anefa, rehefa nahazo ny fankatoavana ara-dalàna ny Fiangonana, dia nanomboka nitombo hatrany ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tsy ela dia notendrena hanompo tany amin’io firenena io ireo misiônera, ary tamin’ny 17 desambra 1989 dia natao batisa ireo niova fo anankiroa voalohany tao Lesotho: I Paul Khobutle sy i Lawrence Keletsi van Tonder. I Hycintha, vadin’ny Rahalahy Paul Khobutle dia natao batisa taoriana kelin’izay, tamin’iny volana iny ihany, ary tamin’ny volana febroary taorian’io dia nanaraka ny Rahalahy Lawrence van Tonder mba hirotsaka hatao batisa ireo ray aman-dreniny sy ireo iray tampo aminy enina. Tamin’ny janoary 2021, dia mihoatra ny 1300 ny isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ao Lesotho, izay mirafitra ho sampana enina sy distrika iray.—Rahavavy Kathleen Irving, Departemantan’ny Tantaran’ny Fiangonana