2010–2019
Ireo fototra iorenan’ny finoana
Aprily 2017


Ireo fototra iorenan’ny finoana

Ny fiangaviako dia ny mba hanaovantsika fahafoizan-tena sy hananantsika ny fanetrentena ilaina amin’ny fanamafisana orina ireo fototra iorenan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo.

Tena mahafinaritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Tena nahazo hery isika. Raha misy ny tanjona tena manan-danja irain’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia ny hanorina finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy Tompo.

Ny lahateniko dia hiompana amin’ireo fototra iorenan’izany finoana izany.

Ireo fototra iorenan’ny tena manokana, tahaka ireo zava-katsahina maro izay mahasoa, dia matetika no miorina tsikelikely amin’ny alalan’ny sosona iray, dia traikefa iray, dia fanamby iray, dia faharesena iray ary fahombiazana iray isaky ny mandeha. Ny zavatra iray iainana ara-batana izay tena manan-danja dia ny fanombohan’ny zazakely mamindra. Tena mahafinaritra ny mijery izany. Ilay fijery tena lalaina eo amin’ilay endrika, izay fitambaran’ny fahavononana, fifaliana sy fahatairana ary fahatontosan-javatra, dia toe-javatra tena manan-danja tokoa.

Nisy toe-javatra niavaka iray nitovitovy tamin’izany tao amin’ny fianakavianay. Tamin’ny zanakay faralahy feno efa-taona teo ho eo dia niditra tao an-trano izy ary nanambara tamin’ny fianakaviana tamim-pifaliana sy tamim-pireharehana lehibe hoe: “Afaka manao ny zavatra rehetra aho izao. Afaka mamatotra sy afaka mitaingina ary afaka manidy aho.” Raha ny fahatakaranay azy dia niteny taminay izy hoe afaka mamatotra ny kirarony, afaka mitaingina ilay bisikiletany telo kodiarana, ary afaka manidy ny akanjo mafanany izy. Nihomehy daholo izahay rehetra saingy nahatsapa fa fahatontosan-javatra lehibe ireo ho azy. Nihevitra izy fa efa nivelatra tanteraka tokoa ary efa lehibe.

Misy zavatra maro iraisan’ny fivelarana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Mora hita ihany ny fivelarana ara-batana. Manomboka mianatra mamindra isika rehefa zazakely, dia mivoatra isan’andro, isan-taona ary mitombo sy mivelatra mba hanatratra ilay endriky ny vatantsika farany. Tsy mitovy ny fivelarana ara-batana ho an’ny olona tsirairay.

Rehefa mijery mpanao fanatanjahan-tena lehibe iray na fampisehoana ara-mozika isika dia matetika no miteny fa tena manan-talenta ilay olona, izay marina raha ny mahazatra. Saingy ilay zava-bita dia mifototra amin’ny taona maro nanaovana fiomanana sy fampiharana. I Malcolm Gladwell izay mpanoratra fanta-daza iray dia niantso izany hoe, fitsipika arahina mandritra ny 10.000 ora. Namaritra ireo mpikaroka fa io habetsahan’ny fotoana fanazaran-tena io dia tena ilaina amin’ny fanatanjahan-tena, fampisehoana ara-mozika, fahombiazana ara-akademika, fahaiza-manao manokana arak’asa, fahaizana ambony amin’ny fitsaboana na lalana, sy ny sisa sy ny sisa. Ny iray amin’ireo manam-pahaizana mpikaroka ireo dia nanambara mazava tsara mihitsy “fa ny folo alina ora ho an’ny fanazaran-tena dia takina mba hahatratrarana ny fenitra matianina mifandray amin’ny maha-manam-pahaizana ambony eo amin’ny sehatra maneran-tany ny olona iray amin’ny lafin-javatra rehetra.”1

Fantatry ny ankamaroan’ny olona fa mba hahazoana fahombiazana tsara indrindra ara-batana sy ara-tsaina dia tena ilaina ny fiomanana sy ny fampiharana toy izany.

Indrisy anefa fa ao anatin’ity izao tontolo izao izay mihamirona any amin’ny tsy finoana ity, dia kely ny fanantitranterana atao mikasika ny fari-pivoarana ara-panahy izay ilaina mba hitoviana bebe kokoa amin’i Kristy ary mba hanorenana ireo fototra izay mitondra any amin’ny finoana maharitra. Mitady hirona any amin’ny fanomezana lanja an’ireo fotoana tena tsara nahazoana fahatakarana ara-panahy isika. Fotoana manan-danja ireny rehefa fantatsika fa nijoro ho vavolombelona tao am-pontsika sy tao an-tsaintsika momba ireo zava-baovao manokana ara-panahy ny Fanahy Masina. Faly isika noho ireo toe-javatra ireo ary tsy tokony hatao latsa-danja mihitsy izy ireo. Kanefa mba hananana finoana maharitra sy hananana ny Fanahy ho namana lalandava, dia tsy misy mahasolo ny fanajan’ny tena manokana ireo fitsipika ara-panahy izay azo oharina amin’ny fivelarana ara-batana sy ara-tsaina. Tokony hiorina eo amin’ireo zavatra iainana ireo isika izay matetika no mitovy amin’ny fanombohan’ny zazakely mamindra. Ataontsika izany amin’ny alalan’ny fanolorantena masina hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo, hamaky soratra masina, hivavaka ary hanompo rehefa antsoina. Tao anatin’ny fitantarana amim-panajana momba ny maty iray izay raim-pianakaviana nanan-janaka 13, dia nambara fa “ny fanaovany tsy tapaka vavaka isan’andro sy fandalinana soratra masina dia nisy fiantraikany lalina teo amin’ny zanany ka nanome azy ireo fototra tsy voahozongozona izay iorenan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo.”2

Nisy zavatra iray niainako fony aho 15 taona izay nanome ahy fototra iorenana. Niezaka tamin-kerim-po nanampy ahy hanorina fototra iorenan’ny finoana teo amin’ny fiainako ilay reniko mahatoky. Nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny kilasin’ny Kilonga ary avy ireo ny kilasin’ny Zatovolahy sy ny seminera aho. Namaky ny Bokin’i Môrmôna aho ary nivavaka manokana foana. Tamin’izay fotoana izay dia nisy toe-javatra lehibe nitranga teo amin’ny fianakavianay rehefa teo am-pieritreretana ny mety hirotsahany hanao asa fitoriana ilay zokiko lahy malala. Ilay raiko mahafinaritra izay mpikambana malaindaina dia naniry ny hanohizany ny fianarany fa tsy handeha hanao asa fitoriana. Lasa zavatra niteraka fifandirana izany.

Tao anatin’ny fifampiresahana miavaka niarahana tamin’ilay rahalahiko izay zokiko dimy taona ary nitarika ilay fifampiresahana dia nanatsoaka fehinkevitra izahay fa niankina tamin’ny zavatra anankitelo ny fanapahan-keviny hanao asa fitoriana na tsia: (1) Moa ve manana ireo toetoetra ananan’ Andriamanitra i Jesoa Kristy? (2) Marina ve ny Bokin’i Môrmôna? (3) Moa ve mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny i Joseph Smith?

Rehefa nivavaka tamin-kitsim-po aho tamin’izay alina izay dia nanamafy tamiko ny fahamarinan’ireo fanontaniana telo ireo ny Fanahy. Lasa takatro koa fa ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra rehetra horaisiko mandritra ny androm-piainako dia hifototra amin’ny valin’ireo fanontaniana anankitelo ireo. Tsapako manokana fa tena ilaina ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Rehefa manao jery todika aho dia fantatro fa voalohany indrindra noho ilay reniko, dia efa nipetrapetraka ireo fototra iorenana mba hahazoako mandray fanamafisana ara-panahy tamin’izany alina izany. Nanapa-kevitra ny handeha hanao asa fitoriana ilay rahalahiko izay efa nanana fijoroana ho vavolombelona ary nahazo ny fanohanan’ny raiko ihany tamin’ny farany.

Azo ny fitarihana ara-panahy rehefa ilaina fa amin’ny fotoan’ny Tompo sy araka ny sitrapony.3 Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia ohatra tena tsara anankiray. Vao haingana aho no nijery ilay edisiôna voalohan’ny Bokin’i Môrmôna. Nahavita ny fandikana izany i Joseph Smith tamin’izy 23 taona. Fantatsika ny mikasika ny dingana nataony sy ireo fitaovana nampiasainy tao anatin’izany fandikana izany. Tao anatin’izany boky natonta voalohany tamin’ny 1830 izany dia nampiditra sasinteny fohy i Joseph ary nanambara tamin’ny fomba tsotra sy mazava fa nadika “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny.” izany4 Ahoana indray ny amin’ireo fitaovana nanampy tamin’ny fandikana, dia ny Orima sy Tomina ary ireo vato mpahita? Moa ve tena nilaina izy ireo sa mitovy amin’ireo kodiarana bisikileta natokana hianarana mitondra bisikileta mandra-pahafahan’i Joseph nampihatra finoana izay ilaina mba hahazoana fanambarana mivantana bebe kokoa?5

Sary
Fonon’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny 1830
Sary
Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny 1830

Raha mitaky ezaka averimberina sy tsy tapaka ny fahazoana fahafahana mahavita zavatra ara-batana sy ara-tsaina dia mitombina koa izany ho an’ireo zavatra mahakasika ny ara-panahy. Tsarovy fa ny Mpaminany Joseph dia nandray in’efatra mpamangy tsy niova mihitsy, dia i Môrônia izany, niaraka tamin’ny hafatra izay nitovy foana mba hanomanana ny fandraisana ireo takelaka. Mino aho fa ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriana masin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro dia misy fiantraikany ara-panahy izay tsy takatsika tanteraka. Ny fisaintsainana tsy tapaka ny soratra masina, fa tsy ny famakiana izany indraindray fotsiny, dia afaka manolo ilay fahatakarana ankosotra ihany amin’ny fisian’ny fivoarana tena tsara sy manova fiainana eo amin’ny finoantsika.

Ny finoana dia fitsipika mifono hery. Ndeha asehoko amin’ny alalan’ny ohatra izany: Tamin’izaho misiônera tanora, dia6 nampahafantarin’ny filohan’ny misiôna tena nahafinaritra iray ahy tamin’ny fomba lalina ilay tantara ao amin’ny soratra masina hita ao amin’ny Lioka 8 mikasika ilay vehivavy nandeha ra nandritra ny 12 taona ary efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny mpitsabo izay tsy nahasitrana azy. Mbola iray amin’ireo soratra masina tena tiako izany hatramin’izao.

Hotsaroanao fa nanana finoana izy hoe, raha afaka mikasika ny somotraviavin-damban’ny Mpamonjy izy dia ho sitrana. Rehefa nanao izany izy dia tonga dia sitrana. Hoy ny Mpamonjy izay teny am-pandehanana niaraka tamin’ny mpianany hoe: “Iza moa no nanendry ahy?”

Namaly i Petera fa ny olona rehetra izay niaraka nandeha an-tongotra no nanizina Azy.

“Fa hoy [i Jesoa]: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.”

Ny teny hoe virtue no nampiasaina ao amin’ny soratra masina amin’ny teny anglisy izay azo hazavaina tsotra hoe “power” na hoe “hery.” Fa tonga dia nadika hoe “power” izany na hoe “hery” ao amin’ny soratra masina amin’ny teny Espaniôla sy Pôrtogey. Saingy na dia tsy nahita azy aza ny Mpamonjy dia tsy nifantoka tamin’ny zavatra nilainy Izy. Fa tena lehibe ny finoany ka ny fanendreny ilay somotraviavin-damba fotsiny dia nahatonga ilay hery manasitran’ny Zanak’ Andriamanitra hiasa taminy.

Hoy ny Mpamonjy taminy hoe: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.”7

Nandinika io tantara io aho tao anatin’ny fiainako manontolo rehefa lasa olon-dehibe. Tsapako fa ny vavaka sy ny fitalahoana manokana ataontsika amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy dia afaka mitondra fitahiana eo amin’ny fiainantsika mihoatra izay azontsika takarina. Ireo fototra iorenan’ny finoana, ilay karazana finoana izay nasehon’io vehivavy io no tokony ho zavatra lehibe irian’ny fontsika.

Kanefa ny fananana ireo fototra voalohany iorenan’ny finoana, na miaraka amin’ny fanamafisana ara-panahy mihitsy aza dia tsy midika hoe tsy hiatrika olana isika. Ny fiovam-po ao amin’ny filazantsara dia tsy midika hoe hivaha ny olana rehetra ananantsika.

Ny tantara tany am-piandohan’ny Fiangonana sy ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana ohatra tena tsara mikasika ny fanorenana ireo fototra iorenan’ny finoana sy ny fiatrehana ny fivadibadiky ny zava-miseho ary ireo olana izay andalovan’ny olona tsirairay.

Tena zava-dehibe ny fahavitan’ny Tempolin’i Kirtland ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Niaraka tamin’izany ireo fisehoan-javatra maro ara-panahy sy ireo fanambarana fotopampianarana ary ny famerenana ireo fanalahidy ilaina amin’ny fitohizan’ny fiorenan’ny Fiangonana. Tahaka ireo Apôstôly fahiny tamin’ny andro Pentekosta, dia maro ireo mpikambana izay niaina toe-javatra mahatalanjona ara-panahy izay nifandray tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland.8 Saingy toy ny eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy, dia tsy nidika akory izany fa tsy hiatrika olana na fitsapana izy ireo any aoriana. Tsy nieritreritra mihitsy ireo mpikambana tany am-piandohana ireo fa hiatrika ilay olana ara-toe-karena tany Etazonia izy ireo, ilay fihotakotahana tamin’ny 1837, izay hisedra ny fanahin’izy ireo mihitsy.9

Ny ohatra iray maneho ireo olana nifandray tamin’izany olana ara-toe-karena izany dia niainan’ny Loholona Parley P. Pratt, izay iray tamin’ireo mpitariky ny Famerenana amin’ny laoniny. Mpikambana tany am-piandohana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy. Tany am-piandohan’ny taona 1837, dia maty i Thankful vady malalany rehefa avy niteraka ny zanak’izy ireo voalohany. Efa nivady nandritra ny 10 taona latsaka i Parley sy i Thankful ary nahakivy azy ny fahafatesan’ny vadiny.

Volana vitsivitsy taty aoriana dia tafiditra tao anatin’ny iray tamin’ireo fotoana sarotra indrindra niainan’ny Fiangonana ny Loholona Pratt. Tao anatin’ilay olana ara-toe-karena nahazo ny firenena dia nisy olana ara-toe-karena niseho kosa teo an-toerana izay niteraka fifandirana tany Kirtland, tao anatin’izany ny fividianan-tany mora mba hakana tombony sy ny fahasahiranana nianjady teo amin’ny rafitra ara-bola naorin’i Joseph Smith sy ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa. Tsy hoe hendry foana ny fanapahan-kevitra mahakasika ny zavatra ara-nofo izay noraisin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Nianjadian’ny fahaverezam-bola lehibe i Parley ary nisy fotoana lasa tezitra tamin’ny Mpaminany Joseph.10 Nanoratra fanakianana henjana tany amin’i Joseph izy ary nilaza ny fanoherany azy teny amin’ny polipitra. Tamin’izany fotoana izany ihany dia nilaza i Parley fa nanohy nino ny Bokin’i Môrmôna ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy.11

Namoy ny vadiny sy ny taniny ary ny tranony ny Loholona Pratt. Nandeha nankany Missouri i Parley saingy tsy nilaza izany tamin’i Joseph. Teny an-dalana ho any dia nihaona tampoka tamin’ireo Apôstôly namana dia i Thomas B. Marsh sy i David Patten izy izay niverina ho any Kirtland. Nahatsapa filana goavana ny hamerenana ny filaminana teo anivon’ny Kôlejy izy ireo ka nandresy lahatra an’i Parley mba hiverina hiaraka amin’izy ireo. Nahatsapa izy fa tsy nisy na iza na iza namoy zavatra bebe kokoa noho i Joseph Smith sy ny fianakaviany.

Nitady mafy ny Mpaminany i Parley, dia nitomany sy nibaboka fa tsy nety ny zavatra nataony. Teo “ambanin’ny rahona maizina” i Parley, amam-bolana maro taorian’ny nahafatesan’i Thankful vadiny ary resin’ny tahotra sy ny fahadisoam-panantenana.12 Noho i Joseph nahafantatra hoe manao ahoana izany mitolona amin’ny fanoherana sy ny fakam-panahy izany, dia “namela tanteraka” an’i Parley izy ary nivavaka sy nitsodrano azy.13 Nahazo tombontsoa avy tamin’ireo olana natrehana tany Kirtland i Parley sy ireo olona hafa izay nitoetra ho mahatoky. Nitombo fahendrena izy ireo ary lasa mendrika sy tsara toetra kokoa. Lasa anisan’ny nandrafitra ireo fototra iorenan’ny finoan’izy ireo ny zavatra niainan’izy ireo.

Ny fahoriana dia tsy tokony horaisina ho toy ny tsy fankasitrahana avy amin’ny Tompo na fisintahan’ireo fitahiana. Ny fifanoherana amin’ny zavatra rehetra dia anisan’ny ao anatin’ny afon’ny mpandrendrika mba hanomanana antsika amin’ilay hoavy selestialy mandrakizay.14 Tamin’ny Mpaminany Joseph tao amin’ny Fonjan’i Liberty, ny tenin’ny Tompo taminy dia namaritra ireo karazana olana rehetra, ka tafiditra tao anatin’izany ny fahoriana, sy ny fanendrikendrehana, ka nifarana tamin’ny hoe:

“Raha ireo valanoranon’ny helo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.

“Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’ Olombelona. Moa ve ianao lehibe kokoa noho Izy?”15

Ny Tompo, tao anatin’io torolalana nomeny an’i Joseph Smith io, dia nilaza mazava tsara fa fantatra ny andro hahavelomany ary tsy hahena. Nofaranan’ny Tompo hoe: “Aza matahotra izay mety hataon’ny olona, fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”16

Inona ary izany ireo fitahiana avy amin’ny finoana? Inona no zavatra tanterahin’ny finoana? Mila tsy ho tapitra ny lisitra:

Afaka ny ho voavela ny fahotantsika noho ny finoantsika an’i Kristy.17

Izay rehetra manam-pinoana no manana firaisana amin’ny Fanahy Masina.18

Ny famonjena dia tonga amin’ny alalan’ny finoana ny anaran’i Kristy.19

Mahazo hery araka ny finoantsika an’i Kristy isika.20

Tsy misy na iza na iza miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny ran’i Kristy noho ny finoany.21

Voavaly ny vavaka araka ny finoana.22

Raha tsy misy finoana eo anivon’ny olona dia tsy afaka manao fahagagana eo anivony Andriamanitra.23

Farany, ny finoantsika an’i Jesoa Kristy no fototra tena ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratantsika mandrakizay. Tahaka ny nampianarin’i Helamàna ireo zanakalahiny dia: “Tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo … , izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”24

Feno fankasitrahana aho noho ny fanamafisana orina ireo fototra iorenan’ny finoana izay azo tamin’ity fihaonambe ity. Ny fiangaviako dia ny mba hanaovantsika fahafoizan-tena sy hananantsika ny fanetrentena ilaina amin’ny fanamafisana orina ireo fototra iorenan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo. Mijoro ho vavolombelona azo antoka ny Aminy aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Malcolm Gladwell, Outliers: The Story of Success (2008), 40. Nindrana ny teny nolazain’ilay neurologue Daniel Levitin izy.

  2. Fitantarana an-tsoratra momba an’i Bryant Hinckley Wadsworth tamin’ny fahafatesany, Deseret News, 15 jan. 2017, legacy.com/obituaries/deseretnews.

  3. Jereo ny 2 Nefia 28:30. Tsy mandray fahalalana iray manontolo mikasika ilay zavatra iray na ireo fitsipika rehetra mifandray amin’izany isika. Tonga izany rehefa ilaina: andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika.

  4. Ao amin’ny edisiôna voalohan’ny Bokin’i Môrmôna, izay natonta tamin’ny 1830, dia nanoratra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tiako ny mampahafantatra anareo fa nandika teny tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny aho” (jereo ny preface to the Book of Mormon [1830]). Ireo edisiônan’ny Bokin’i Môrmôna nivoaka taty aoriana dia ahitana fanambarana mitovy amin’izany koa: “Natolotra an’i Joseph Smith ny takelaka ka izy no nandika izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” (jereo ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna [2013]).

  5. Nitantara i Orson Pratt fa im-betsaka izy no nanatrika teo rehefa nandika ny Testamenta Vaovao i Joseph Smith ka nanontany tena ny amin’ny antony tsy nampiasany fitaovana nandritra ny fanaovana izany. “Nitraka i Joseph, toy ireny nahita ny tao an-tsain’ny Loholona Pratt ireny ka nanazava fa nomen’ny Tompo azy ny Orima sy Tomima tamin’ny fotoana tsy mbola nananany traikefa eo amin’ny fananana ny Fanahin’ny fanentanam-panahy. Saingy tamin’izay dia efa tena nivoatra izy ka takany ireo fomba fiasan’ny Fanahy, ary tsy nila ny fanampian’izany fitaovana izany” (“Two Days’ Meeting at Brigham City, 27 sy 28 jona 1874,” Millennial Star, 11 aog. 1874, 499; jereo koa ny Richard E. Turley Jr., Robin S. Jensen, sy ny Mark Ashurst-McGee, “Joseph the Seer,” Liahona, ôkt. 2015, 10–17).

  6. Ilay filohan’ny misiôna dia i Elder Marion D. Hanks, izay efa Manampahefana Ambony koa.

  7. Jereo ny Lioka 8:43–48.

  8. Jereo ny Asan’ny Apostoly 2.

  9. Jereo ny Môsià 2:36–37; jereo koa ny Henry B. Eyring, “Spiritual Preparedness: Start Early and Be Steady,” Liahona, nôv. 2005, 38: “Noho izany ny fisedrana lehibe eto amin’ny fiainana dia ny mijery raha toa isika ka hanaraka sy hankatò ny didin’ Andriamanitra ao anatin’ny oram-baratry ny fiainana. Tsy hoe miaritra ny oram-baratra no zava-dehibe fa ny misafidy ny tsara rehefa mitroatra izany. Ary ny zavatra ratsy eo amin’ny fiainana dia ny faharesena teo anatrehan’izany fisedrana izany ary ny tsy fahafahana noho izany hiverina amim-boninahitra any amin’ilay fonenantsika any an-danitra.”

  10. Jereo ny Terryl L. Givens q Matthew J. Grow, Parley P. Pratt: The Apostle Paul of Mormonism (2011), 91–98; volume introduction and introduction to part 5, The Joseph Smith Papers, Documents, Volume 5: October 1835–January 1838, navoakan’i Brent M. Rogers and others (2017), xxviii–xxxi, 285–93.

  11. Jereo ny “Letter from Parley P. Pratt, 23 May 1837,” ao amin’ny The Joseph Smith Papers, Documents, Volume 5: October 1835–January 1838, 386–91.

  12. Jereo ny “History of John Taylor by Himself,” 15, in Histories of the Twelve, 1856–1858, 1861, Church History Library; Givens and Grow, Parley P. Pratt, 101–2.

  13. Jereo ny The Autobiography of Parley P. Pratt, navoakan’i Parley P. Pratt Jr. (1874), 183–84.

  14. Jereo ny 2 Nefia 2:11.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7–8.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9.

  17. Jereo ny Enôsa 1:5–8.

  18. Jereo ny Jarôma 1:4.

  19. Jereo ny Môrônia 7:26, 38.

  20. Jereo ny Almà 14:26.

  21. Jereo ny 3 Nefia 27:19.

  22. Jereo ny Môrônia 7:26.

  23. Jereo ny Etera 12:12.

  24. Helamàna 5:12.