Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mifantoha amin’ny tempoly
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Mifantoha amin’ny tempoly

Mampanantena aho fa ny fotoana lany betsaka kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany.

Ry rahalahy sy anabavy malala isany, nandritra ireo fivoriana dimy nahafinaritrin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay dia niaina indray ny fisokafan’ny lanitra isika! Mivavaka aho ny mba niraketanareo ny zavatra tsapanareo ary ny mba hampiharanareo izany. Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanaka malalany dia vonona hatrany hanampy anareo. Mamporisika anareo aho hampitombo ny ezaka ataonareo hikatsahana ny fanampian’Izy Ireo.

Vao haingana izaho sy Rahavavy Nelson no nanana fahafahana hijery mialoha ny andiany faha 4 vaovao amin’ny andian-tsarimihetsika Book of Mormon Videos (Horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna).1 Nankaherezin’izy ireo tokoa izahay! Mamelà ahy ianareo hampiseho santionany fohy avy amin’ny zava-nitranga maneho ny fisehoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita.

Zava-dehibe fa ny Mpamonjy dia nisafidy ny hiseho tamin’ny vahoaka tao amin’ny tempoly. Tranony izany. Ahitana ny heriny izany. Aoka isika tsy ho very fifantohana amin’ireo zavatra izay ataon’ny Tompo ho antsika amin’izao. Manao izay hisian’ny tempoly betsaka kokoa Izy. Manafaingana ny fanorenantsika tempoly Izy. Mampitombo ny fahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely Izy. Ataony ihany koa izay hampamora ny hahalasa antsika ho tsaratsara kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mampanantena aho fa ny fotoana lany betsaka kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany.

Manana tempoly am-perinasa 168 isika ankehitriny sy tempoly 53 vaovao eo an-dalam-panamboarana, ary 54 efa ao amin’ny dingana famolavolana mialoha ny fananganana!2 Mahafaly ahy ny manambara ny drafitray hanorina tempoly vaovao amin’ireto toerana tsirairay manaraka ireto: Busan, Corée; Naga, Philippines; Santiago, Philippines; Eket, Nigéria; Chiclayo, Pérou; Centre-ville de Buenos Aires, Argentine; Londrina, Brésil; Ribeirão Prêto, Brésil; Huehuetenango, Guatemala; Jacksonville, Floride; Grand Rapids, Michigan; Prosper, Texas; Lone Mountain, Nevada; ary Tacoma, Washington.

Mikasa ihany koa ny hanangana tempoly maro any amina faritra tanàn-dehibe nofantenina izahay izay misy olana goavana eo amin’ny faharetan’ny dia mankany amin’ny tempoly misy any. Noho izany dia finaritra aho ny hanambara toerana efatra fanampiny akaikin’ny Ville de México izay hanorenana tempoly vaovao ao Cuernavaca, Pachuca, Toluca ary Tula.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, enga anie ianareo hifantoka amin’ny tempoly amin’ny fomba izay tsy mbola nataonareo hatrizay. Mitsodrano anareo aho mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isan’andro. Tiako ianareo. Enga anie Andriamanitra hiaraka aminareo mandra-pihaonantsika indray, mivavaka aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ireo horonan-tsary ireo dia hisy amin’ny fiteny maro ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile sy fantsona hafa. Havoaka isan-kerinandro tsikelikely izany manomboka androany aorian’ny fihaonambe.

  2. Hatramin’ny 1 ôktôbra 2022, dia tempoly efatra fanampiny no mandalo fanavaozana (St. George Utah, Manti Utah, Salt Lake, ary Columbus Ohio), ary misy anankitelo miandry fitokanana (Hamilton Nouvelle-Zélande, Quito Equateur ary Belém Brésil).