2023
Ho mpanaradia an’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana
Desambra 2023


Hafatra avy amin’ny mpitarika an-toerana

Ho mpanaradia an’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana

Isika dia miaraka manambara amin’ny Simona Petera taloha hoe : “Tompo o . . . izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.”

Matetika rehefa takiana isika mba hanao asa izay toa tsy mahazatra na sarotra takarina dia ny miodin-dalana na mijanona amin’izay zavatra mora no havalintsika. Rehefa nampianatra fotompampianarana izay sarotra takarina tao Kapernaomy i Jesoa Kristy dia maro tamin’ireo mpanaradia Azy no nilaza toy izao vao naheno izany : “Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? . . .

“Hatramin’izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.” (jereo ny Jaona 6:60; 66).

Rehefa nanontany ireo Roa ambin’ny folo ny Mpamonjy hoe: “Ianareo koa nga mba te-hiala?” dia nanambara i Simona Petera hoe: “Tompo o, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.” (jereo ny Jaona 6:67–69).

Izany koa ny fanambarana ataontsika. Ny fanampahan-kevitra ny ho mpanaradia mandritra ny androm-piainana dia safidy an’ny tena manokana. Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, isika dia atao batisa mba ho mpikambana ao amin’ny fiangonany ary omena antsika ny fanomezana ny Fanahy Masina. Omena ny fisoronana isika ary amin’ny alalan’ny fahatokiana tsy tapaka sy faharetana dia mendrika ny hiditra ny tempoly isika, izay ao amin’izany no handraisantsika ireo ôrdônansin’ny famonjena.

Nianatra aho fa ny lalan’ny fanekempihavanana dia mitondra antsika any am-piangonana. Ny fiomanana ara-batana sy ara-panahy mandritra ny herinandro dia takiana mba hanatrehana ny fotoam-pivavahana ary handraisana amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo. Andraikitsika amin’ny maha-mpanaradia antsika ny manala ireo manelingelina rehetra mandritra izany fotoana izany. Rehefa manome lanja izany ôrdônansy izany isika dia omena fampanantenana fa hanana ny Fanahiny miaraka amintsika mandrakariva. Io Fanahy io no lasa ilay hery izay manosika antsika mandritra ny herinandro mandra-piverenantsika indray hameno izany.

Nomena antsika mba hanampy antsika eo amin’ny lalan’ny maha-mpanaradia ny Fisoronana. Ireo lehilahy mpikamban’ny fiangonana dia manana andraikitra ny hiomana handray io hery io. Izany dia raisina amin’ny fihanihanana sy fanekempihavanana (jereo ny F&F 84:33–39). Ireo zatovolahy dia tokony hampian’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika amin’ny fiomanan’izy ireo mba handray ny fisoronana sy ho aroso amin’ny anjara fanompoan’ny fisoroanana mifanaraka amin’ny taonany. Ireo afaka ny ho loholona dia miomana amin’ny fandrosoana azy ireo amin’ny fisoronana Melkizedeka araka izay haingana.

Nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo hoe: “Indro, naniraka anareo Aho ho vavolombelona manambara sy hampitandrina ny olona, ary ilaina ny olona nampitandremana mba hampitandrina ny namany” (jereo ny F&F 88:81).

Tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022 dia nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana.”1

Rehefa manasa ny hafa ho eo amin’ny lalan’ny maha-mpanaradia isika dia ho mora kokoa izany raha mifanohana isika. Ilay fifaninanana rahateo moa dia tsy eo amin-tsika samy isika fa amin’ny fahotana.2

Iray amin’ireo fitahiana faratapony ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tempoly. Raha toa isika ka tsy manao ezaka mba hihazona ny fahazoan-dalana ho ao amin’ny tempoly sy mankany amin’ny tempoly araka izay tratra dia maka hitsin-dalana isika eo amin’ilay hazakazaka ara-panahintsika ka tsy hahazo ilay valisoa. Rehefa mendrika ho an’ny Tompo isika (amin’ny alalan’ny fihazonana ny fahazoan-dalana ho ao amin’ny tempoly) dia eo amin’ilay lalan’ny maha-mpanaradia tsy azo hozongozonina mandritra ny androm-piainana isika.

“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra” (jereo ny F&F 84:20).

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Tsoratra

  1. Russell M. Nelson, “Preaching the Gospel of Peace”, Liahona, May 2022, 6.

  2. See Jeffrey R. Holland, “The Laborers in the Vineyard,” Liahona, May 2012, 31.