2023
Fantaro ireo mpitarika vaovao eo anivon’ny Vondromparitra Afrika Atsimo
Desambra 2023


Vaovao eo an-toerana

Fantaro ireo mpitarika vaovao eo anivon’ny Vondromparitra Afrika Atsimo

Mpitarika vaovao efatra no voantso hanompo ao amin’ny antson’ny faritra.

Mpitarika eo an-toerana maromaro no voantso hanompo eo anivon’ny vondromparitra Afrika Atsimo. Indro misy fampahafantarana kely momba ny hoe iza izy ireo ary hanao inona no niantsoana azy ireo.

Mpanoro hevitra ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra

Mpanoro hevitra ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra roa vaovao no nantsoina. Ireto rahavavy mpitarika ireto dia manome fitarihana sy torolalana an’ireo fiadidiana vao nantsoina ao amin’ireo rafitra tarihina rahavavy, anisan’izany ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga. Azon’izy ireo atao koa ny manolotra ny torolalany amin’ireo fiadidiana izay efa nanompo nandritra ny fotoana maharitra. Ireo Mpanorohevitra ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra dia mitana anjara asa manan-danja amin’ny fanohanana ny Fiadidian’ny Vondromparitra eo amin’ny fanatratrarany ny tanjon’ny fisoronana.

Rahavavy Futhi Mdletshe dia mponina ao Roodeport, Afrika Atsimo, ary efa ho 29 taona no nivadian’izy sy i Khumbulani Mdletshe. Manan-janaka efatra sy zafikely iray ry Mdletshe.

Rahavavy Mdletshe dia niasa teo anivon’ny fiangonana ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo tao amin’ny departemantan’ny Rejisitry ny maha-mpikambana sy ny Antontan’isa nandritra ny dimy taona talohan’ny naha-mpikarakara tokantrano azy. Tsy ho ela koa izy dia hamita ny mari-pahaizana avy amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho.

Talohan’ny nanendrena azy ho Mpanoro hevitra ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra, ny Rahavavy Mdletshe dia mpanolotsaina voalohany teo anivon’ny zatovovavin’ny paroasy, mpanolotsaina voalohany sy filohan’ny kilonga teo anivon’ny paroasy, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, mpampianatra Sekoly Alahady ho an’ny olon-dehibe, Tompon’andraikitra mikarakara ny boky teo anivon’ny Paroasy, mpitarika ny asa fiantrana teo anivon’ny Fikambanana Ifanampiana, ary vao haingana no Mpitarika Misiôna tao amin’ny Misiônan’i Kenya Nairobi teo anelanelan’ny taona 2019 sy 2022.

Ao amin’ny andraikiny vaovao, ny Rahavavy Mdletshe dia manasa ny rahavavy rehetra mba hifantoka amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ary hanao sy hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo.

“’Ndeha hataontsika lohalaharana ireo fanekempihavanana masina ireo, hanaja ny fanoloran-tena nataontsika ary handray ireo fitahiana entin’izy ireo,” hoy izy.

Rahavavy Christine Van Reenen dia mipetraka any George, any Western Cape, miaraka amin’i Jacques van Reenen, vadiny efa 38 taona. Manan-janaka telo sy zafikely roa izy ireo.

Nahazo traikefa sarobidy ny Rahavavy van Reenen raha niasa tao amina banky iray nandritra ny herintaona, saingy eo amin’ny sehatry ny Publication Assistée par Ordinateur (PAO) na Famoahana miainga avy amin’ny solosaina no tena ankamamiany. Nanokana ny fotoanany malalaka izy mba hamitana ireo taranja fohy maromaro momba ny Famoahana miainga avy amin’ny solosaina.

Nandritra ny 44 taona naha-mpikambana azy tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nanokana ny fotoanany sy ny talentany ny Rahavavy van Reenen mba hanompoana amin’ny andraikitra samihafa teo ambany fiahiany. Efa avy mpanolotsaina sy filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy izy ary koa mpampianatra sy mpanolotsaina ary Filoha tao amin’ny rafitry ny Kilonga eo anivon’ny paroasy.

Fanampin’izany dia efa nandray anjara tamin’ny naha-mpanolotsaina sy mpitantsoratra ary mpampianatra azy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy izy ary koa nanatanteraka andraikitra tamin’ny naha-manam-pahaizana manokana momba ny asa sy mpanorohevitra mikasika ny tantaram-pianakaviana azy teo anivon’ny paroasy.

Vao haingana izy sy ny vadiny Jacques no nahavita ny asa fanompoany tamin’ny naha-mpitarika Misiôna azy ireo teo anivon’ny Misiônan’i Cape Town Afrika Atsimo.

Toy izao no nolazain-dRahavavy van Reenen raha niresaka momba ny anjara andraikiny vaovao: “Manantena aho ny hampahatsiahy ny rahavavy rehetra izay ifaneraserako, mba hamantatra ny hasarobidin’izy ireo, ny fitiavana tsy manam-petra ananan’ny Rain’izy ireo any An-danitra ho azy ireo, ary hampiroborobo ny fahatakarana lalina ny maha-mpianatra azy ireo.”

Fitopololahin’ny Vondromparitra

Rahalahy roa no nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra. Ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra dia mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nantsoin’ny Fiadidiana Voalohany mba ho “vavolombelona manokana” ary mba hanampy ny Roambinifololahy amin’ny “fanorenana ny fiangonana sy ny fitantanana ny raharaha rehetra” ary ny “fitoriana sy fitantanana ny filazantsara” any amin’ireo faritra nanendrena azy ireo.

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra dia nantsoina sy voatokana mba hanompo any amin’ireo faritra ara-jeografika manokana saingy azo tendrena hanompo any amin’ny faritra hafa koa raha ilaina. Tsy voantso ho amin’ny fanompoana amin’ny fotoana feno izy ireo ary matetika no manompo mandritra ny dimy taona.

I Thabo Lebethoa dia mipetraka any Roodepoort, andrefan’i Johannesbourg, Afrika Atsimo. Miasa amin’ny Fiangonana izy amin’izao fotoana izao amin’ny maha talen’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara azy eo anivon’ny Vondromparitra Afrika Atsimo.

Talohan’ny nanekeny an’io antso io dia mpikambana tao amin’ny filankevitra avo tao amin’ny Tsatòkan’i Roodepoort Afrika Atsimo ny Loholona Lebethoa. Anisan’ny antso nanompoany taloha ny naha eveka, mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà, filankevitra avo, filohan’ny tsatòka ary filohan’ny misiôna azy. Manan-janaka efatra ny Loholona Lebethoa sy i Andronica vadiny.

Toy izao no nolazain’ny Loholona Lebethoa momba ny antsony vaovao: “Mampanetry tena ahy ny manompo amin’ny maha-Fitopololahin’ny Vondromparitra ahy amin’izao fotoan’ny fitomboana ato amin’ny Fiangonana izao, indrindra fa ato amin’ny vondromparitra Afrika Atsimo. Manantena aho fa amin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo sy ny fitarihany dia afaka ny ho fitaovana eo an-tanany aho ary hanampy amin’ny asa lehibe famonjena sy ho an’ny fisandratana ataony. Mahatsapa aho fa ilaina maika ny manampy amin’ny fanangonana farany izay maro ireo zanak’Andriamanitra ho eo Aminy amin’ny alalan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy Zanany naverina tamin’ny laoniny. Fantatro fa hisy hatrany ny fanoherana an’ilay asa, na izany aza anefa dia fantatro ihany koa fa manan-jo ny hahazo ny fanampian’ny Tompo isika rehefa manao ny asany.”

I Siyabonga Mkhize dia mipetraka any Durban, Afrika Atsimo. Mpisolovava no asany ary mpiara-miasa ao amin’ny Shepstone Wylie Attorneys any Pietermaritzburg, Afrika Atsimo izy.

Talohan’ny nanekeny an’io antso io dia mpanolotsaina teo anivon’ny fiadidian’ny misiônan’i Durban Afrika Atsimo ny Loholona Mkhize Efa mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà sy filohan’ny sampana ary mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izy taloha. Manan-janaka telo ny Loholona Mkhize sy i Tumeka vadiny.

Amin’ny andraikiny amin’ny maha fitopololahin’ny Vondromparitra azy dia nilaza ny Loholona Mkhize hoe: “Ny tanjoko sy ny vinako voalohany dia ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny hanasa ireo zanak’Andriamanitra rehetra eto anivon’ny Vondromparitra Afrika Atsimo mba hanatona Azy. Ary, ny hanampy ny Roambinifololahy amin’ny fanorenana sy fitantanana ny raharahan’ny Fiangonana eto anivon’ny Vondromparitra Afrika Atsimo araka ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Iray amin’ireo lafin-javatra hifantohako ny hanampy amin’ny fampitomboana sy fanamafisana orina ny finoan’ireo tanora ka anisan’izany ireo misiônera tafaverina.”