2023
Mametraka ny fanontaniany ny zatovo ao Afrika Atsimo
Desambra 2023


Manontania ny mpitarika

Mametraka ny fanontaniany ny zatovo ao Afrika Atsimo

Nandritra ny fampaherezam-panahy natao mivantana teo anivon’ny vondromparitra dia nanasa ireo zatovo ny Loholona Ronald A. Rasband mba hametraka ny fanontaniana izay nitambesatra tao an-tsain’izy ireo. Nanampy tamin’ny famaliana ireo fanontaniana ny Loholona sy ny Rahavavy Rasband sy ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ary ireo mpitarika. Havoakanay amin’ny andian-dahatsoratra manaraka ny sasany amin’ireo fanontaniana sy ny torohevitra izay nozaraina tamin’izany. Amin’ity telovolana ity dia ireo olana mikasika ny fahasalamana ara-tsaina no hovahantsika.

Fanontaniana: Ahoana no fomba hialako tanteraka amin’ireo eritreritra manimba izay tsy mitsahatra ny miditra ao an-tsaiko?

Valiny: Tsy azo ihodivirana ny fidiran’ny eritreritra manimba ao an-tsaintsika indraindray. Kanefa isika no misafidy ny zavatra ataontsika amin’ireo eritreritra ireo: na isika mikolokolo azy ireo tsy tapaka na isika miezaka ny manolo azy ireo amin’ny eritreritra mahasoa. Tsy mora ny mitazona ny ao an’eritreritsika ho zava-mahasoa hatrany, fa azo atao kosa anefa izany ary mitondra fitahiana. Ireo eritreritra madio sy mahasoa dia hanampy anao ho faly kokoa sy hanana ny fitaoman’ny Fanahy miaraka aminao.

“Dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra;” ary “Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava,” (F&F 121:45–46).

“Rehefa mianatra ny mifehy ireo eritreritrao ianao, dia afaka mandresy ny fahazarana, dia ireo fahazaran’ny tena manokana izay mampihetry. Afaka mahazo risim-po ianao sy mandresy ny tahotra ary manana fiainan-tsambatra.”1

Toy ny lampihazo fanaovana tantara an-tsehatra iray ny sainao, ary eritreritra iray ihany isaky ny mandeha no afaka miakatra eo amin’io lampihazo io. Ny torohevitra arosonay dia ny fananana hira ao amin’ny fihirana na andian-teny mankahery izay azonao ampiasaina mba hanesorana ny eriretreritra manimba hiala ao amin’ilay lampihazo ka hanolo azy ireny amina eritreritra mahasoa.

Raha manana olana ianao amin’ny fiverimberenana, eritreritra feno fahaverezam-panantenana sy fahakiviana izay tsy niriana, dia mety ho tratran’ny famoizam-po ianao. Jereo ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, avy eo safidio ny “Faire face aux défis de la vie”, avy eo “Santé mentale”.

Any amin’ny firenena maro dia afaka miantso maimaim-poana laharan-telefaonina mba handraisana torohevitra matihanina maimaim-poana amin’ny alalan’ny telefaonina ianao. Mamporisika anao izahay hijery an-jotra ny zavatra misy ao amin’ny firenena misy anao, ary hiantso amin’ny telefaonina raha toa ka mahatsapa ianao fa mahasoa anao izany.

Misy ireo olona ao amin’ny paroasy sy fiarahamonina misy anao izay miahy ny aminao ary afaka atonina mba hanome fitiavana sy fanampiana ary fanohanana ho anao. Fa indrindrany manan-danja indrindra, tsarovy fa ny Tompo dia tia anao ary eo foana ho anao, amin’ny fotoana rehetra, na manao ahoana na manao ahoana.

Fanontaniana: Ahoana no hisorohako ny fanahiana lava mba hahafahako mizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona?

Valiny: Tena tsy hafahafa mihitsy ny mahatsiaro ho be fanahiana momba ny fizarana ny filazantsara amin’ny olona iray. Ny zava-dehibe dia ny hoe atao foana ilay izy!

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson indray mandeha hoe, “Tsy hoe tsy fisian’ny tahotra no atao hoe herim-po, fa ny fifehezana izany kosa. Tsarovy fa ny lehilahy [sy vehivavy] rehetra dia manana ny tahony avokoa, saingy ireo izay miatrika ny tahony amim-pahamendrehana dia manana herim-po ihany koa.”2

Tsy mila mandresy ireo tahotrao ianao vao afaka mizara ny filazantsara. Raha izany no izy dia ho toerana tena kely tokoa ny Fiangonana! Mivavaha amin’ny Tompo mba hanampy anao hiatrika ny tahotrao, dia zarao amin’io namana io ny filazantsara.

Tadidio fa tsy hoe hiady hevitra amin’ny resaka fahalalana amin’io olona io ianao. Hanazava fotsiny ny fifaliana izay tsapanao noho ny Filazantsara sy hanasa io olona io ho avy ao am-piangonana miaraka aminao na hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy hivavaka momba izany ianao.

Mety hidobodoboka be ny fonao, mety ho be fanahiana ianao, saingy raha manao zavatra anefa ianao, dia tena mampiseho herim-po tokoa.

Jereo ny lahatenin’ny Filoha Monson hoe, ‘The Call for Courage’, tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2004, mba hahazoana fankaherezana.

Fanontaniana: Inona no atao raha toa ka be fieboeboana ny ray aman-dreny ka manampy trotraka ny faneriterena eo amin’ny fiainanao ka tsy mahazo an-tsaina ny hoe olombelona ihany anie ianao ka manao fahadisoana ihany koa?

Valiny: Raha toa ka miaina ao amin’ny tokantrano misy ray aman-dreny toy izany ianao dia mety haniry raha mba nahatsapa fitiavana bebe kokoa, fanekena na fanohanana misimisy kokoa noho izay omena anao. Mety ho miady amin’ny fanahiana ianao na mahatsiaro ho mila manome lanja ny tenanao amin’ny alalan’ny fiasana mihoatra ny sahaza na ny fanatontosana zavatra be dia be.

Mety mahatsapa ho mila tonga lafatra ianao mba hahazoana sitraka amin’ny ray aman-dreninao. Na mety ho valaketraka ianao noho ireo zavatra andrandraina mihoatra ny vita. Ny torohevitra atolotray eto dia ny mandinika isan’andro ilay fahamarinana manan-danja fa ny tsara indrindra avy aminao dia ampy. Ny lanjanao dia tsy miankina amin’ny hoe mahazo sitraka avy amin’iza ianao na hoe inona no zava-bitanao. Mendrika ny ho tiavina tanteraka ianao noho ny maha ianao anao tsotra izao.

Manomboha mangataka amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka ny hampianatra anao hoe iza marina moa ianao. Arakaraka ny hahatakaranao ny hoe tiana tsy manam-petra sy sarobidy ianao, no hahazoanao tanjaka misimisy kokoa hiatrehana ireo olana ao amin’ny tokantrano. Hoy i Bonnie L. Oscarson hoe: “Ny loharano tena tokony itodihantsika mba hahalalana ny lanjatsika dia ny Raintsika any An-danitra … Ny zavatra izay tena mampionona ahy indrindra dia ny fahalalana hoe iza moa aho.”3

Jereo ny ‘What You’re Worth and How to Know It’ nataon’i Hadley Griggs – ao amin’ny gazetiboky New Era 2017, mba hahazoana fanampin-kevitra momba ny fomba hampitomboana ny fahatokisan-tenanao.

Fanontaniana: Ahoana no hahalalako fa namela ny fahotako ny Ray any An-danitra?

Valiny: Ny famelan-keloka dia ho avy rehefa nanaraka ireo fepetran’ny fibebahana ianao, toy ny fikatsahana famelana, ny fahatsapana alahelo noho ilay fahotana, ny fitandremana ny didy, ny fanonerana ny tsy nety natao araka izay vita, ary ny fahafoizana sy famborahana ilay fahotana.

Ny fahotana goavana dia mila aboraka amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao; ny fahotana tsy dia goavana dia aboraka amin’ny Ray any An-danitra ihany. (Mijere misimisy kokoa ao amin’ny ‘Questions and Answers, New Era, November 2005).

Ny olona sasany dia hentitra loatra amin’ny tenany mihoatra noho ny Tompo.

Hoy ny Loholona Tad Callister hoe: “Raha mahatsapa ny Fanahy ianao—rehefa mivavaka, mamaky ny soratra masina, mampianatra, mijoro ho vavolombelona na amin’ny fotoana rehetra hafa—dia izany no vavolombelona ho anao fa efa navela heloka ianao izay na, mety koa hoe, eo an-dalam-pitrangana ny fanadiovana, satria tsy afaka mitoetra amin’ny tabernakely tsy masina ny Fanahy (jereo ny Almà 7:21).4

“Raha toa ka mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo isika, dia afaka mandroso amim-patokiana fa efa voadio na eo an-dalam-piasana eo amin’ny fiainantsika ny fahagagana masin’ny fanadiovana. Azo antoka ilay fampanantenana—raha toa ka manao ny tsara indrindra avy amintsika isika ny hibebaka, dia ho voadio amin’ny fahotantsika ary ho voafafa ny nenina any amin’ny farany any, satria ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia nidina ambany tsy mihoatra noho ny fahotantsika ihany fa ambany noho ny nenina iainantsika ihany koa. Avy eo isika dia hihavana tanteraka amin’ny tenantsika sy amin’ Andriamanitra.”5

Tsoratra

  1. Boyd K. Packer, “Worthy Music Worthy Thoughts,” New Era, April 2008, 7; see also “Inspiring Music—Worthy Thoughts,” October 1973 General Conference.

  2. Thomas S. Monson “The Call for Courage,” Liahona, May 2004, 54.

  3. “Face to Face with Elder Rasband, Sister Oscarson, and Brother Owen,” Jan. 2016, facetoface.ChurchofJesusChrist.org.

  4. See Tad R. Callister, “Defining the Infinite Atonement,” Ensign College devotional, Mar. 24, 2015.

  5. See Tad R. Callister, “How Do I Know When I Am Forgiven?”, Liahona, Aug. 2012, 450.