Zatovo
Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany


“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy (2022)

“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Ho zatovo mahery!

Sary
Sary hosodoko maneho vehivavy iray mandinika ny tanan’i Jesoa eo anivon’ireo mpitazana.

Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ry zatovo rahalahy sy anabavy malalanay isany,

Tianay ianareo ary matoky anareo izahay. Ianareo dia tena isan’ireo fanahy tena tsara an’ny Ray any An-danitra izay nalefa ety an-tany amin’izao fotoana izao mba hanao zavatra manan-danja.

Mety hisy fotoana tsy hahatsapanareo ho matanjaka na afaka manao zavatra. Efa fahita mahazatra izany. Amin’ireny fotoana ireny indrindra no tokony hianteheranareo amin’ny Mpamonjy. Izy no herin’ny zatovo.

Ity boky torolalana ity dia hanampy anareo hanorina fototra mafy orina mba hanaovana safidy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Hanampy anareo izany mba hiomana hanao fanekempihavanana masina any amin’ny tempoly, hiomana hanao asa fitoriana, ary hahazo fifaliana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainanareo. Manantena izahay fa tsapanareo fa isan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ianareo ary manana hery avy Aminy mba hanatanteraka ny tanjony ho anareo.

Fantatray fa velona Andriamanitra. Mivavaka izahay mba hijanonanareo tsy ho voahozongozona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra miverina mankany amin’ny Rainareo any An-danitra. Rehefa manao izany ianareo dia ho lasa fitaomana ho amin’ny tsara, hizara ny filazantsara amim-pifaliana ary hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Ny Fiadidiana Voalohany