Zatovo
Hanampy anao Jesoa Kristy


“Hanampy anao Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy (2022)

“Hanampy anao Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!

Sary
Sary hosodoko maneho an’i Jesoa Kristy.

Hanampy anao Jesoa Kristy

Salamo 147:3

I Jesoa Kristy no herinao. Efa nataony ny zavatra rehetra ilaina mba hahazoanao fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy mandrakizay. Raha misafidy Azy sy ny filazantsarany ianao dia misafidy fifaliana mandrakizay.

Sary
Sary hosodoko maneho lehilahy iray izay kasihin’ny tanan’i Jesoa ny masony mikimpy.

Na dia miezaka manao izay tsara indrindra vitanao aza ianao mba hanao safidy tsara, dia hanao fahadisoana ianao indraindray. Hanao zavatra izay tsy nirinao natao ianao. Toy izany daholo ny olona rehetra. Rehefa mitranga izany dia lasa mora kivy sy manontany tena ianao raha toa ka mbola hahavita zavatra tsara ihany. Kanefa misy vaovao tsara ity, vaovao mahatalanjona sy mifono fanantenana! Satria tian’ Andriamanitra ianao dia nalefany i Jesoa Kristy Zanakalahiny, izay nitondra teo Aminy ny fahotanao mba hahafahanao mibebaka sy manohy mivoatra.

Fahamarinana mandrakizay

Afaka manome hery anao i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao Izy mba hanova ny fanirianao, ny eritreritrao, ary ny asa ataonao. Rehefa miahiahy ianao, na matahotra, na sahirana na amin’ny fomba ahoana na ahoana, dia hampionona anao Izy. Hanampy anao eo amin’ny lafim-piainanao rehetra Izy.

Tsy famaizana noho ny fahotana ny fibebahana. Io no fomba hanafahan’ny Mpamonjy antsika amin’ny fahotana. Ny mibebaka dia midika hoe miova, miala amin’ny fahotana dia mitodika amin’ Andriamanitra. Midika hoe mihatsara sy mandray famelan-keloka izany. Tsy zava-mitranga indray mandeha io karazana fiovana io. Dingana arahina mitohy hatrany izany.

Fanasana

Mibebaha. Miantehera amin’ny Tompo omban’ny faniriana mba hihatsara. Raha nanao ny tsy mety ianao dia ekeo amin’ny fo madio eo anatrehan’ Andriamanitra izany, ary raha ilaina, dia amin’ny evekanao sy amin’izay olona mety ho voaratranao. Ataovy izay fara herinao hanitsiana izay tsy nety.

Mifalia amin’ilay fanomezam-pahasoavana ahafahana manao zavatra tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa. Na dia sarotra sy ela kokoa noho izay irinao aza izany, dia aza mitsahatra miezaka. Tohizo ny ezaka sy ny fahatokiana ny Tompo. Hanampy anao amin’ny dingana tsirairay ataonao ny Mpamonjy.

Ireo fitahiana nampanantenaina

Hamela heloka anao sy hanasitrana anao i Jesoa Kristy rehefa mibebaka ianao. Hanolo ny fahatsapanao ho meloka amin’ny fiadanana sy fifaliana Izy. Tsy hotsaroany intsony ny fahotanao. Hitombo ao amin’ny heriny ny fanirinao hitandrina ny didiny.

Hanova ny fonao sy ny fiainanao Izy. Hivoatra sy ho lasa hitovy Aminy tsikelikely ianao. Hanome anao fahafahana lehibe kokoa hahazo ny heriny ny fifandraisanao Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Sary
sary famantarana fanontaniana sy valiny

Fanontaniana sy valiny

Ahoana no hahalalako fa efa namela ahy Andriamanitra? Mampanantena Andriamanitra fa hamela ireo izay mibebaka Izy. Rehefa mahatsapa fampiononana avy amin’ny Fanahy ianao dia afaka mahafantatra fa miasa eo amin’ny fiainanao ny hery manavotry ny Mpamonjy.

Rahoviana aho no mila ny fanampian’ny eveka mba hibebaka? Mihazona fanalahidin’ny fisoronana sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hanampiana anao hibebaka ny evekanao. Afaka mitady ny fanampiany sy ny toroheviny amin’ny fotoana rehetra ianao. Raha nanao fahadisoana goavana ianao, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, dia mandehana mihaona amin’ny evekanao. Tsy hanameloka anao izy. Misolo tena an’i Jesoa Kristy izy ary hanampy anao hahafantatra ny fomba hibebahana tanteraka sy handraisana ny fanasitranana sy ny hery mampatanjaky ny Mpamonjy.

Miezaka mibebaka aho, saingy mbola mamerina manao ireo fahadisoako hatrany. Inona no tokony hataoko izao? Mitaky fotoana ny fananana fahazarana tsara sy ny fampitsaharana ireo fahazaran-dratsy, ka noho izany dia aza milavo lefona. Miantehera amin’i Kristy. Ampy ny fahasoavany. Miezaha indray. Tsy irery velively ianao amin’ny ezaka ataonao mba hivoarana. Miaraka aminao mandrakariva i Jesoa Kristy.

Sary
Sary hosodoko maneho an’i Jesoa mihazona ny tanan’i Petera ao anaty onja misamboaravoara mafy.

Jereo ny Enôsa 1:6 (azo fafana ny hadisoana); Môzià 4:3 (avelan’ Andriamanitra ho fantatrao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa voavela ny helokao); 26:30 (ny Mpamonjy dia mamela heloka isaky ny mibebaka isika); Etera 12:27 (afaka mahatonga ny zavatra malemy ho matanjaka ny fahasoavan’ny Mpamonjy); Môrônia 6:8 (voavela ireo izay mibebaka); 10:32 (aoka hatao tanteraka ao amin’i Kristy); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:32 (mamela ireo izay mibebaka ny Tompo); 58:42–43 (tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fibabohana sy ny famoizana ny fahotana).

Sary
sary famantarana tempoly

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?

Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy?