Zatovo
Mikatsaha fifaliana ao amin’i Kristy


“Mikatsaha fifaliana ao amin’i Kristy,” Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy (2022)

“Mikatsaha fifaliana ao amin’i Kristy,” Ho zatovo mahery!

Sary
Sary hosodoko maneho an’i Jesoa sy ny vehivavy iray miresaka eo akaikina fantsakana.

Mikatsaha fifaliana ao amin’i Kristy

Manan-danja ny safidy atao. Ireo safidy mifototra amin’ny fampianaran’ny filazantsara dia dingana mitondra anao hanakaiky kokoa ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hoy i Jesoa hoe: “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, … ka ho tanteraka ny fifalianareo” (Jaona 15:11). Amin’ny dingana tsirairay atao mankany Aminy dia hahatsapa ho akaiky kokoa ny Fanahy ianao ary ho lasa mafy orina kokoa ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Saingy tsy midika akory izany fa tsy hisy olana mihitsy eo amin’ilay lalana. Ary satria tsy misy olona mahavita mandeha amin’ny fahitsiana tanteraka izany mihitsy, dia araho maso tsy tapaka ny lalana hizoranao ary tandremo ny didin’ Andriamanitra. Tandremo ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra ary miomàna hanao fanekempihavanana ankoatra izany. Mampifandray anao amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ny fanekempihavanana. Mampitombo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao izany ary manomana anao handray ny fiainana mandrakizay.

Amin’ireo safidy rehetra azo atao dia ny safidy hanaraka an’i Jesoa Kristy no safidy manan-danja indrindra. Izy no herin’ny zatovo. Ny filazantsarany no lalana feno fifaliana hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra.