Zatovo
Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra


“Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy (2022)

“Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!

Sary
Tara-masoandro mamakivaky hazo séquoia mena.

Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra

Galatiana 5:25

Sary
olona mizotra mankany amin’ny fahazavana

Manao safidy tsaratsara kokoa ianao rehefa afaka mahita mazava tsara ny zava-misy. Izany no mahatonga ny fahazavana ho manan-danja tokoa: manamora kokoa ny fahitana ny lalana tena tokony haleha ny fahazavana. Nomen’ny Ray any An-danitra fahafahana hahazo ny fahazavana avy any an-danitra ianao, dia ny fanomezana ny Fanahy Masina, mba hanampiana anao hahita mazava tsara hoe inona no tsara ary inona no ratsy, inona no marina ary inona no diso.

Fahamarinana mandrakizay

Sary
Zatovovavy iray mandray ny rano mandritra ny fanasan’ny Tompo.

Mandritra ny batisa ianao dia miditra ao anatina fifandraisana amin’ny alalan’ny fanekempihavanana feno fifaliana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Any amin’ny tempoly ianao dia hanao fanekempihavanana fanampiny izay afaka mampatanjaka izany fifandraisana izany. Manavao ny fanekempihavanana nataonao ianao isan-kerinandro mandritra ny fanasan’ny Tompo. Maneho ny fahavononanao hitandrina ny didy ianao, ary ny Tompo dia manome anao fahafahana hanana ny Fanahy Masina ho namanao mandrakariva. Isan’ireo fanomezana lehibe indrindra avy Aminy ho anao izany.

Manatsara ny fahaizanao mahatsapa ny Fanahy ny fanaovana safidy tsara. Maro ny zavatra tsara sy mahasoa eto amin’ity tontolo ity. Toy ny hoe misy fiantraikany amin’ny vatanao ny zavatra ohaninao sy sotroinao, dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny sainao sy ny fanahinao koa ny zavatra vakinao sy jerenao ary henoinao.

Fanasana

Manokàna fotoana ho an’ny Tompo isan’andro. Mianara Aminy. Tsarovy mandrakariva Izy. Mivavaha amin’ny Rainao any An-danitra. Halalino ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona. Miezaha avy eo miaina mifanaraka amin’ny zavatra izay ianaranao.

Sary
Zatovo anankitelo ao anatina zaridaina eo akaikin’ny tempoly iray.

Katsaho ny zavatra mampahery, manentana ny fanahy, ary manasa ny Fanahy. Rehefa manao safidy tsara momba ny zavatra jerenao, vakinao, henoinao, na handraisanao anjara ianao, dia saintsaino izay zavatra tsapanao avy amin’izany. Mitondra eritreritra tsara ve ilay izy? Alaviro ireo zavatra rehetra izay mamingavinga ireo zava-masina na mifono fahalotoam-pitondrantena. Aza mandray anjara amina zavatra izay mampihena ny fahaizanao manavaka ny tsara amin’ny ratsy na ny fahafahanao mahatsapa ny Fanahy, toy ny herisetra, ny toaka, ary ny zava-mahadomelina manimba. Manàna herim-po hamono horonan-tsary na jeux, hivoaka ny toerana iray misy sarimihetsika tsy mendrika na fandihizana tsy mendrika, hanova ny hira henoinao, na hiala amin’ny zavatra rehetra izay tsy mifanaraka amin’ny Fanahy.

Sary
sary famantarana tambajotran-tserasera

Ampiasao ny tambajotran-tserasera mba hankaherezana ny hafa. Afaka ny ho fitaovana tena tsara hifaneraserana ny tambajotran-tserasera. Raha mampiasa izany ianao dia mifantoha amin’ny fahazavana sy ny finoana ary ny fahamarinana. Aza mampitaha ny fiainanao amin’ny zavatra izay toy ny hoe iainan’ny olona hafa. Tadidio fa avy amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra anao no maha-manan-danja anao, fa tsy avy amin’ny tambajotran-tserasera.

Mikatsaha zavatra iainana mahasoa sy fifandraisana tena misy sy maharitra. Mitandrema mba tsy hanolo ny fiarahanao mivantana amin’ny fianakaviana sy ny namana ny fampiasanao ny teknôlojia sy ny haino vaky jery. Mety handany be dia be amin’ny fotoanao ny tambajotran-tserasera sy ny teknôlôjia hafa kanefa tsy hitondra zava-tsoa firy ho anao akory. Makà fotoana hijanonana tsy hiaina ao anatin’ny tontolo virtoaly dia mifandraisa amin’ny olona ao anatin’ny tontolo tena izy.

Ireo fitahiana nampanantenaina

Afaka manana ny Fanahy miaraka aminao mandrakariva ianao. Hijoro ho vavolombelona aminao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina. Hampionona, hitarika, hampitandrina, ary hanamasina anao Izy. Hanampy anao hamantatra ny marina sy hahita ny tsara eto amin’izao tontolo izao Izy.

Sary
sary famantarana fanontaniana sy valiny

Fanontaniana sy valiny

Ahoana ahafahako mahafantatra raha toa ka mahatsapa ny Fanahy Masina aho? Mila fotoana sy fanazaran-tena ary faharetana ny fianarana mamantatra ny Fanahy. Miresaka amin’olona isan-karazany amin’ny fomba samihafa Izy. Aza tsinontsinoavina ireo zavatra tsotra, ilay fahatsapana fiadanana izay azonao rehefa mahare ny fijoroana ho vavolombelona ataon’olona ianao, na ilay fahatsapana tsy filaminana izay azonao rehefa avy manao safidy ratsy ianao. Karohy ao amin’ny soratra masina ireo fomba samihafa hiresahan’ny Fanahy, dia ento am-bavaka izany, ary miezaha hatrany mitady fahafahana hahatsapa ny Fanahy.

Sary
Zatovovavy mivavaka eo am-pandohalihana eo amin’ny sisin’ny fandriany.

Inona no atao hoe pôrnôgrafia? Nahoana aho no mila misoroka izany? Ny pôrnôgrafia dia fanehoana, amin’ny alalan’ny sary na teny, ny zavatra izay kasaina hampifoha ny fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo. Miseho amin’ny endriny maro ny pôrnôgrafia, anisan’izany ny horonan-tsary, ny sary, ny boky, ary ny hira. Mety ho hafatra na sary hifandefasan’ny mpinamana ihany koa izany. Ny pôrnôgrafia dia tsy manome haja ireo zava-masina, toy ny vatantsika sy ny fahatsapantsika te hanao firaisana ara-nofo. Mety hahita pôrnôgrafia tsy nahy ianao. Na ninianao natao na tsia ny nijery pôrnôgrafia dia ialao avy hatrany izany. Azonao atao ihany koa ny miresaka amina ray na reny na olon-dehibe azo itokisana iray. Ny manao fanahy iniana mijery pôrnôgrafia dia fahotana ary manimba ny fahafahanao mahatsapa ny Fanahy. Mampihena ny fahaizanao mifehy tena izany ary manova ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa. Manana ny hery hanampiana anao hanohitra ny pôrnôgrafia sy hibebaka i Jesoa Kristy. Miantehera Aminy. Mialà amin’ny haizina. Afaka manampy anao ny evekanao mba hahazo hery sy famelan-keloka amin’ny alalan’ny Mpamonjy.

Jereo ny Amosa 5:14 (tadiavo izay tsara); Galatiana 5:22–23 (ny vokatry ny Fanahy); Môrônia 7:18–19 (ny hazavan’i Kristy); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23 (milaza fiadanana ny Tompo); 20:77, 79 (ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo).

Sary
sary famantarana tempoly

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41). Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao? Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Moa ve ianao miezaka ny mihazona ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?