Zatovo
Hanafaka anao ny fahamarinana


“Hanafaka anao ny fahamarinana,” Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy (2022)

“Hanafaka anao ny fahamarinana,” Ho zatovo mahery!

Sary
Sary hosodoko maneho zatovovavy iray mihazona labozia ary miandrandra ny lanitra.

Hanafaka anao ny fahamarinana

Jaona 8:32

Andriamanitry ny fahamarinana ny Rainao any An-danitra. Mahalala ny zavatra rehetra Izy. Avy Aminy ary mitondra mankany Aminy ny fahamarinana rehetra. Ianao dia maneho fa manome lanja ny fahamarinana rehefa mikatsaka ny hianatra, hiaina amim-pahitsiana, ary hiaro amin-kerim-po izay fantatrao fa mety, na dia tsapanao aza fa ianao irery no manao izany.

Sary
Zatovolahy mitsiky.

Fahamarinana mandrakizay

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra foana ireo zanakavaviny sy zanakalahiny. Manana antony ara-batana sy ara-panahy ianao ny hikatsaka sy hitia fianarana. Ny fandrantoana fianarana dia tsy natao hitadiavam-bola fotsiny ihany. Ampahany amin’ny tanjonao mandrakizay mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa izany.

Ny hoe miaina amim-pahitsiana dia midika hoe tia ny fahamarinana amin’ny fonao rehetra ianao, mihoatra lavitra ny fitiavanao ny fiadanam-piainanao manokana, ny lazanao, na izay zavatra mety aminao. Ny dikan’izany dia hoe manao ny marina satria marina tsotra izao ilay izy.

Manana zavatra sarobidy hozaraina ianao. Ahitana ny valin’ireo fanontaniana mahakasika ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany no lalana mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana. Mety tsy mahafantatra ny zavatra rehetra ianao, kanefa betsaka ny zavatra fantatrao mba hanampiana ny hafa hahatakatra sy hanome lanja ireo fitsipika marina sy mandrakizay.

Fanasana

Mianara mandrakariva Mitadiava fahafahana hampivelarana ny sainao sy hampitomboana ny fahaiza-manao anananao. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo fahafahana ireo ny fianarana ara-dalàna any an-tsekoly na ny fiofanana arak’asa sy ny fianarana ataon’ny tena manokana avy amin’ireo loharanom-pahalalana atokisanao. Ampandraiso anjara amin’ny ezaka ataonao ny Tompo dia hitarika anao Izy. Rehefa mianatra momba ny tontolo manodidina anao ianao dia mianara ihany koa momba ny Mpamonjy izay nahary izao tontolo izao. Halalino ny fiainany sy ny fampianarany. Ampidiro ao anatin’ny fianarana ataonao mandritra ny fiainana ny seminera sy ny institiota ary ny fandalinana ny filazantsara ataon’ny tena manokana.

Tiavo mafy tokoa ny fahamarinana mba tsy hanananao faniriana na oviana na oviana ny hangalatra, handainga, hametsifetsy, na hamitaka na amin’ny fomba ahoana na ahoana, any an-tsekoly, any am-piasana, an-jotra, na aiza na aiza. Aoka ianao mba ho mpanaradia mahatoky an’i Jesoa Kristy hatrany na eny imasom-bahoaka na any amin’ny toerana mitokana.

Meteza ho fahazavana ho an’ny hafa. Aoka ny teny ampiasainao sy ny asa ataonao mba haneho ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Miomana dieny izao amin’ireo lalana misokatra amin’ny hoavy mba hizarana ny filazantsarany be voninahitra, rehefa misiônera ianao sy mandritra ny fiainanao. Ary miomàna hilaza amin’ireo izay manontany anao mikasika ny fanantenana sy ny fifaliana tsapanao.

Ireo fitahiana nampanantenaina

Mampitombo ny fahaizanao manompo ny Tompo ny fandrantoana fianarana. Manome hery anao hitahy ny hafa izany, indrindra fa ny fianakavianao. Arakaraka ny ianaranao no ahafahanao manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra sy mitaona izao tontolo izao amin’ny tsara.

Mitondra fiadanana sy fanajana ny tena manokana ny fahamarinan-toetra. Rehefa mifanaraka amin’ny fahamarinana ny teninao sy ny asa ataonao dia mampiseho ianao fa azon’ny olona hafa sy ny Tompo itokisana.

Rehefa miaro ny fampianaran’i Jesoa Kristy ianao dia manohana anao amin’izany Izy. Mety tsy hitovy hevitra aminao ny hafa, kanefa ho tsikaritr’izy ireo ny herim-po sy ny hitsim-ponao. Na manaraka ny ohatra asehonao ny hafa na tsia dia hitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fahatokian-tenanao ary ny finoanao an’i Kristy.

Sary
sary famantarana fanontaniana sy valiny

Fanontaniana sy valiny

Diso ve aho raha mametra-panontaniana mikasika ny Fiangonana? Ahoana no ahafahako mahazo valiny? Tsy mariky ny fahalemena na tsy fananana finoana ny fananana fanontaniana? Raha ny marina dia afaka manampy amin’ny fampiorenana finoana ny fametrahana fanontaniana. Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia nanomboka rehefa nametraka fanontaniana tamim-pinoana i Joseph Smith izay 14 taona. Mitadiava valiny ao amin’ny soratra masina, ao amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ Andriamanitra, avy amin’ireo mpitarika anao sy ny ray aman-dreninao mahatoky, ary avy amin’ Andriamanitra mihitsy. Raha tsy mahazo valiny avy hatrany ianao dia matokia fa hianatra fitsipika anampy fitsipika ianao. Tohizo hatrany ny fampiharana ny zavatra efa fantatrao, ary manohiza mikatsaka ny fahamarinana.

Sary
Sary hosodoko maneho an’i Joseph Smith mandohalika eo anatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy tao amin’ny Alakely Masina.

Ahoana no ahafahako miaro ny marina kanefa tsy manafintohina ireo izay mino zavatra hafa? Atombohy amin’ny fakana antoka fa entanin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ireo zanany ny teny ampiasainao sy ny asa ataonao. Tsy tokony hatao ao anatin’ny fanahin’ny fifandirana ny fizarana ny filazantsara fa amin’ny fomba madio sy amin’ny halemem-panahy ary ny hatsaram-panahy. Tokony hanam-pitiavana ny hafa ianao na dia tsy mitovy hevitra amin’izy ireo aza.

Jereo ny Matio 5:14–16 (avelao hamiratra ny fahazavanareo); Jaona 14:6 (Jesoa no fahamarinana); 1 Petera 3:15 (manàna fahavononana mandrakariva ny hizara ny fanantenanao ao amin’i Kristy); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80 (ireo zavatra tian’ny Tompo ianarantsika); 93:36 (ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina); 124:15 (ny fahitsiana dia midika hoe fitiavana ny marina); 130:18 (hiara-hitsangana amintsika ny faharanitan-tsaintsika rehefa mitsangana amin’ny maty isika).

Sary
sary famantarana tempoly

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?