Fanampiana amin’ny fandalinana
11. Toeran’ny Tempolin’i Far West


11. Toeran’ny Tempolin’i Far West

Sary
sary 11

Ny toeran’i Far West, Missouri, dia lasa fonenan’ny Olomasina miisa 3000 ka hatramin’ny 5000 izay nitady fialokalofana noho ny fanenjehana tao amin’ny Fivondronan’i Jackson sy i Clay. Nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hanorina tempoly teo tamin’ny 1838 (jereo ny F&F 115:7–8). Nanakana azy ireo tsy hanatanteraka izany ny fanenjehan’ireo mpihetraketraka. Nosamborina ny Mpaninany Joseph Smith sy ireo Mpitarika hafa ao amin’ny fiangonana ny 31 ôktôbra 1838 tamin’io taona io, ary nogadraina tao amin’ny fonjan’i Liberty rehefa avy notsaraina tao Richmond. Nandritra ny ririnin’ny taona 1838–39, dia noroahina avy ao Far West sy avy amin’ireo toeran-kafa tao Missouri ny Olomasin’ny Andro Farany ary nifindra tao Illinois indray.

Ny zava-dehibe nitranga: Fanokanana ny toerana hisy ny tempoly sy fametrahana vatofehizoro. Fandraisana fanambarana fito izay navoaka tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (fizarana 113–115; 117–120). Teraka tao Far West ny 13 nôvambra 1838 i Joseph F. Smith, Filoha fahenin’ny Fiangonana. Nampiasaina ho foiben’ny Fiangonana nandritra ny fotoana fohy i Far West teo ambany fitondran’ny Mpaminany Joseph Smith.