Fanampiana amin’ny fandalinana
5. Renirano Susquehanna


5. Renirano Susquehanna

Sary
sary 5

Io sary io dia mampiseho ny Renirano Susquehanna ao an-tanànan’i Harmony, Pennsylvania.

Ny zava-dehibe nitranga: Tonga voalohany tao Harmony i Joseph Smith zanany ny taona 1825 mba hitady asa. Nipetraka tsy lavitra ny tranon’i Isaac Hale izy sy ny rainy, toerana nifankahitan’i Joseph voalohany tamin’i Emma Hale izay ho lasa vadiny (JS—T 1:56–57). Nivady i Joseph sy i Emma ny 18 janoary 1827. Nandray ny takelaka volamena tao Manchester, New York ny Mpaminany ny 22 septambra 1827, ary fotoana fohy taorian’izay no nifindrany niaraka tamin’ny Emma nankany Harmony, toerana izay nanombohany nandika ireo takelaka. Nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia naniry ny hahalala misimisy kokoa momba ny batisa i Joseph sy i Oliver Cowdery ary nankao amin’ilay toerana tao anaty alaala teto akaiky teto izy mba hivavaka amin’ny Tompo momba io raharaha io. Valin’izany, vavaka izany dia niseho i Jaona Mpanao Batisa ny 15 mey 1829 (JS—T 1:66–74; F&F 13). Notolorany ny Fisoronana Aharôna i Joseph sy Oliver. Nidina tao amin’ilay renirano izy roalahy rehefa izany ka nifanao batisa ho famelana heloka. Rehefa izany dia nasain’i Jaona Mpanao Batisa i Joseph sy i Oliver hifanokana amin’ny Fisoronana Aharôna. Fotoana fohy taorian’izay, dia niseho teo anelanelan’i Harmony sy Colesville i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ka nanolotra an’i Joseph sy i Oliver ny Fisoronana Melkizedeka (F&F 27:12–13; 128:20).