Fanampiana amin’ny fandalinana
6. Toerana nisy ny Tranon’i Peter Whitmer rainy


6. Toerana nisy ny Tranon’i Peter Whitmer rainy

Sary
sary 6

Ity trano vatan-kazo ity dia maneho ilay tena trano tany am-boalohany an’i Peter Whitmer rainy tao Fayette, New York.

Ny zava-dehibe nitranga: Tao no namitan’i Joseph Smith ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny faramparan’ny volana jona 1829. Tao amin’ny ala tsy lavitra io trano io no hitan’ireo Vavolombelona Telo ny anjely Môrônia sy ny takelaka volamena. Ankehitriny dia vita printy ao amin’ny tahadika rehetra amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo. Ny 6 aprily 1830 dia olona sahabo ho 60 no nivory tao an-tranon’i Peter Whitmer ho vavolombelon’ny fananganana ara-dalàna ny Fiangonan’i Jesoa Kristy (F&F 20). Natao tao ny fivoriana sy ny fihaonambe voalohan’ity Fiangonana vao misandratra ity. Noraisina tao amin’ny tranon’i Peter Whitmer ny roapolo tamin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.