Fanampiana amin’ny fandalinana
15. Tempolin’i Nauvoo


15. Tempolin’i Nauvoo

Sary
sary 15

Ny Tempolin’i Nauvoo tany am-boalohany dia naorina avy amin’ny vato sokay fotsy matroka hita eo an-toerana ny tempoly. 39 metatra ny halavan’ny trano ary 27 metatra ny sakany. Miala 48 metatra amin’ny tany ny tendron’ny tilikambo. Nahafoy tena fatratra ny mpikamban’ny fiangonana hananganana io tempoly tsara tarehy io, ary nanomboka tamin’ny taona 1841 ny asa. Ny sasany niasa amam-bolana teo amin’ny trano, ny hafa nahafoy ny volany. Na dia tsy mbola vita tanteraka aza ny tempoly, dia feno hipoka noho ny mpikambana izay tonga hanao ireo ôrdônansy, nandritra ireo volana nialoha ny fandosirana ho any andrefana. Na nandao an’i Nauvoo tamin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny taona 1846 aza ny maro tamin’ireo Olomasina noho ny fampihorohoroan’ny mpihetraketraka, dia nisy tarika manokana kosa nijanona hamita ny tempoly. Ny 30 aprily 1846, dia nanokana io tranon’ny Tompo io ny Loholona Orson Hyde sy i Wilford Woodruff tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny olona sahabo ho roapolo hafa. Nilaozana ny tempoly ny volana septambra rehefa noroahina tao Nauvoo ny mpikamban’ny Fiangonana sisa tavela; rehefa izany dia novetavetaina sy nolotoin’ireo mpihetraketraka ilay trano masina. Ravan’ny afo ny tao anatiny tamin’ny volana ôktôbra 1848. Notokanan’ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny 27–30 jona 2002 ilay tempoly rehefa naorina indray (hita eto ny sary), izay natao mitovy tanteraka tamin’ilay tany am-boalohany.

Ny zava-dehibe nitranga: Notanterahina tao amin’ny efitrano fivoriana tao amin’ny tempoly ny fihaonambe ny 5 ôktôbra 1845. Nanomboka ny 10 desambra 1845 ny fanafiana masina ary nitohy hatramin’ny 7 febroary 1846. Olomasin’ny Andro Farany mihoatra ny 5500 no nandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ary maro ny batisa ho an’ny maty sy ny famehezana notanterahina.