Fanampiana amin’ny fandalinana
3. Trano Vatan-kazon’i Joseph Smith rainy


3. Trano Vatan-kazon’i Joseph Smith rainy

Sary
sary 3

Ala-tahaka ny tranon’i Joseph Smith rainy, natsangana teo amin’ny toerana nisy ilay trano vatan-kazo voalohany, akaikin’i Palmyra, New York. Nanangana io trano vatan-kazo voapaika misy rihana io ry Smith mianakavy, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tao Palmyra. Nipetraka tao nanomboka tamin’ny 1819 ka hatramin’ny 1825 izy mianakavy.

Ny zava-dehibe nitranga: Nianatra ny Baiboly tao amin’io trano io ny Mpaminany Joseph Smith raha izy niady hahafantatra izay fiangonana marina (JS—T 1:11–13). Nitranga tamin’i Joseph i Môrônia ary nilaza taminy ny amin’ny takelaky ny Bokin’i Môrmôna (JS—T 1:30–47).