Fanampiana amin’ny fandalinana
17. Fifindra-monina ho any Andrefana


17. Fifindra-monina ho any Andrefana

Sary
sary 17

Voalamina hotanterahina ny volana martsa–aprily ny fanombohana ny fandaozana an’i Nauvoo, Illinois, saingy noho ny fampitahoran’ny mpihetraketraka, dia nodidian’ny Filoha Brigham Young ny hanombohan’ny fifindra-monin’ny Olomasina miampita ny Renirano Mississippi ny 4 febroary 1846. Nijanona teo an-toerana ny Filoha Young hanatanteraka ny fanafiana masina amin’ireo Olomasina, ka tsy nandao an’i Nauvoo raha tsy ny tapatapaky ny volana febroary.

Ny zava-dehibe nitranga: Naminany toy izao ny Mpaminany Joseph Smith talohan’ny nahafatesany: “Ny sasany aminareo dia ho velona ka handeha sy hanampy amin’ny fanorenana fonenana sy fananganana tanàna ary hahita ny Olomasina ho tonga vahoaka mahery eo anivon’ny Rocky Mountains.” Olomasina sahabo ho 12000 no nandao an’i Nauvoo nanomboka ny volana febroary ka hatramin’ny volana septambra 1846. Taorian’ny nandaozan’ny Olomasina an’i Winter Quarters sy ireo toerana hafa taty aoriana, dia nalamina ho andiany folo, dimampolo ary zato teo ambany fitarihan’ny kapitenin’ny andiany izy ireo (F&F 136:3). Ny volana septambra 1846, dia mpihetraketraka sahabo ho 800 lahy miaraka amin’ny tafondro enina no nanao fahirano an’i Nauvoo. Taorian’ny ady naharitra andro vitsivitsy, dia voatery nitolo-batana ireo Olomasina sisa tavela mba hanavotany ny ainy sy hahafahany miampita ny renirano. Lehilahy, vehivavy, ary zaza sahabo ho dimanjato ka hatramin’ny eninjato no niampita ny renirano sy nilasy teo amoron-drano. Nandefa andiana mpamonjy nitondra vatsy ny Filoha Brigham Young mba hanavotana ireo “Olomasina mahantra” ireo.