2010–2019
Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra
Ôktôbra 2017


Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra

Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra dia ahitana ny fotopampianarana, ny ôrdônansy, ny fanekempihavanana, ary ny fampanantenana sady soa no lehibe indrindra ka amin’ny alalan’izany no ahafahantsika ho lasa mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra.

Ny iray amin’ireo fanamby lehibe atrehantsika tsirairay isan’andro dia ny tsy famelana ny fiahiahiana izao fiainana izao ho tena hibahana ny fotoantsika sy tena handany ny herintsika ka lasa hadinontsika ireo zavatra mandrakizay izay manan-danja indrindra.1 Mora loatra amintsika ny ho lasa tsy hahatsiaro ireo laharam-pahamehana ara-panahy tena ilaina sy hifantoka amin’izany noho ireo andraikitra maro sahanintsika sy ny fahateren’ny fandaharam-potoantsika. Indraindray isika mihazakazaka mafy loatra ka mety hadinontsika ny lalana halehantsika sy ny antony hihazakazahantsika.

Ny Apôstôly Petera dia mampahatsiahy antsika fa ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia, “Efa nomen’ny herin’ Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany;

“Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo [fampanantenana] sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra amin’izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.”2

Ny hafatro dia manamafy ny maha-zava-dehibe ireo fampanantenana sady soa no lehibe indrindra izay nofaritan’i Petera ho toy ny mpampahatsiahy marina ny lalana alehantsika mandritra ny diantsika eto an-tany sy ny antony.Hiresaka koa ny anjara asan’ny andro Sabata, sy ny tempoly masina ary ny tokantranontsika aho eo amin’ny fanampiana antsika mba hahatsiaro ireo fampanantenana manan-danja ara-panahy ireo.

Mivavaka mafy aho mba hampianatra antsika tsirairay ny Fanahy Masina raha hiara-handinika an’ireo fahamarinana manan-danja ireo isika.

Ny toetrantsika amin’ny maha-Andriamanitra

Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ny Raintsika any An-danitra dia ahitana ny fotopampianarana, ny ôrdônansy, ny fanekempihavanana, ary ny fampanantenana sady soa no lehibe indrindra ka amin’ny alalan’izany no ahafahantsika ho lasa mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra. Ny drafiny dia mamaritra ilay maha-isika antsika mandrakizay ary ny lalana tsy maintsy arahintsika mba hianarana, hiovana, sy hivoarana ary amin’ny farany mba hiarahana miaina Aminy mandrakizay.

Araka izay hazavaina ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” hoe:

“Ny olombelona rehetra—lahy sy vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. …

“Tany amin’ny fanjakana talohan’ny nahaterahana, ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy mandrakizay ary nanaiky ny drafiny izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”3

Mampanantena ny zanany Andriamanitra fa raha manaraka ireo fitsipika ao anatin’ny drafiny sy ny ohatra nasehon’ilay Zanaka malalany izy ireo ary mitandrina ny didy sy maharitra amim-pinoana hatramin’ny farany, dia “hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra”4 noho ny fanavotan’ny Mpamonjy. Ny fiainana mandrakizay no fampanantenana faratampony izay sady soa no lehibe indrindra.

Fahaterahana ara-panahy indray

Takatsika bebe kokoa ny dikan’ny hoe ireo fampanantenana sady soa no lehibe indrindra sy ny hoe manomboka ho lasa mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra araka ny tokony ho izy eo anatrehan’ny antso avy amin’ny Tompo tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany.Araka ny nofaritan’i Petera dia tanteraka io antso io amin’ny alalan’ny fandosirana ny fahalotoana eo amin’izao tontolo izao.

Rehefa mibosesika mandroso amim-panoavana amin’ny finoana ny Mpamonjy isika, dia “[hisy] fiovana mahery vaika [ao amintsika], na ao [am-pontsika], ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony [isika] fa ny hanao soa lalandava kosa,” noho ny Sorompanavotany sy ny herin’ny Fanahy Masina.5 Isika dia “ateraka indray; eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ilay toetran[tsika] manaram-batana sy lavo, ho amin’ny toetry ny fahamarinana, rehefa navotan’ Andriamanitra.”6 “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.”7

Tsy miseho haingana na miseho indray mandeha daholo raha ny mahazatra ny fiovana tanteraka toy izany eo amin’ny toetrantsika.Isika koa tahaka ny Mpamonjy dia “tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana, fa [nandray] fahasoavana niampy fahasoavana.”8 “Nefa indro, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Aho, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely; ary sambatra ireo izay mihaino ny fitsipiko, sy mampandry sofina amin’ny torohevitro, fa hianatra fahendrena izy.”9

Ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo fanekempihavanana masina dia tena ilaina ao anatin’ny fizotran’io dingan’ny fahaterahana indray ara-panahy io. Ireo koa dia fitaovana natolotr’ Andriamanitra izay ahazoantsika ireo fampanantenany sady soa no lehibe indrindra. Ireo ôrdônansy izay noraisina tamim-pahamendrehana sy tsaroana tsy tapaka dia manokatra ilay fantsona any an-danitra, ka amin’ny alalan’izany no ahafahan’ilay hery masina mikoriana eo amin’ny fiainantsika. Ny fanekempihavanana izay voatandrina mafy sy tsaroana lalandava dia manolotra tanjona sy fananana fahatokiana fa hahazo fitahiana eto an-tany sy mandrakizay.

Ohatra, Andriamanitra dia mampanantena antsika, araka ny fahatokiantsika, ny fananana ho namana lalandava ny mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra, dia ny Fanahy masina izany,10 ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo sy mitàna mandrakariva ny famelana ny fahotantsika isika,11 ary afaka mahazo fiadanana isika eto amin’ity izao tontolo izao ity,12 ary nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana ny Mpamonjy ka nandresy ny fasana,13 ary afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana.

Mazava ho azy fa tsy voaisa na voafaritra tanteraka ireo fampanantenana sady soa no lehibe indrindra izay atolotry ny Ray any an-Danitra ny zanany. Saingy na dia ilay lisitra misy ny ampahany amin’ireo fitahiana nampanantenaina notanisaiko teo aza dia tokony “hahagaga”14 antsika tsirairay sy “hampandohalika [antsika tsirairay] ka hitsaoka ny Ray”15 amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Mahatsiaro ireo fampanantenana

Nampitandrina ny Filoha Lorenzo Snow hoe: “Haintsika loatra ny manadino ny tena tanjon’ny fiainana, sy ny antony nandefasan’ny Raintsika any An-danitra antsika ety mba hahazo vatana, ary koa ilay antso masina izay niantsoana antsika. Ary noho izany, raha tokony handresy ireo zavatra kely mandalo isika … , dia matetika loatra no mamela ny tenantsika hidina hitovy haavo amin’izao tontolo izao ka tsy mahazo ny fanampian’ny lanitra izay efa napetrak’ Andriamanitra isika, izay hany afaka manome fahafahana antsika handresy [ireo zavatra mandalo ireo].”16

Ny andro Sabata sy ny tempoly masina dia loharano anankiroa manokana ahazoana fanampiana masina izay napetrak’ Andriamanitra mba hanampiana antsika hihoatra ny haavon’izao tontolo izao sy ny fahalotoany. Mety hieritreritra isika aty am-boalohany hoe ireo tanjona lehibe indrindra mahakasika ny fihazonana ny andro Sabata ho masina sy ny fanatrehana ny tempoly dia misy ifandraisany saingy samy manana ny tanjony manokana.Izaho anefa dia mino fa ireo tanjona roa ireo dia tena mitovy ary miara-miasa mba hampatanjahana ara-panahy antsika tsirairay sy ny tokantranontsika.

Ny Sabata

Rehefa avy nahary ny zava-drehetra Andriamanitra dia nitsahatra izy ny andro fahafito ary nanome didy ny hisian’ny andro iray isan-kerinandro ho fotoana hitsaharana mba hanampiana ny olona hahatsiaro Azy.17 Fotoana an’ Andriamanitra ny Sabata, fotoana masina iray natokana hitsaohana Azy ary handraisana sy hahatsiarovana ireo fampanantenany sady soa no lehibe.

Ny Tompo dia nanome didy tamin’ity fotoampitantanana ity hoe:

“Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpetin’ izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ ny androko masina;

“Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ ny asanao; ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra.”18

Noho izany dia mitsaoka ny Ray amin’ny anaran’ny Zanany isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy ny fianarana mikasika ireo fanekempihavanana, ny fandraisana sy ny fahatsiarovana ary ny fanavaozana izany. Amin’ny androny masina, ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny fitondran-tenantsika no marika atolotsika an’ Andriamanitra sy famantarana izay maneho ny fitiavantsika Azy.19

Ny tanjona iray fanampin’ny Sabata dia ny hampisondrotana ny fijerintsika miala eo amin’ireo zavatr’izao tontolo izao mankany amin’ireo fitahiana avy amin’ny mandrakizay. Rehefa miala amin’ireo zavatra maro fanaontsika mahazatra eo amin’ny fiainantsika mirotoroto isika mandritra io fotoana masina io dia afaka “hijery an’ Andriamanitra ka ho velona”20 amin’ny alalan’ny fandraisana sy fahatsiarovana ireo fampanantenana sady soa no lehibe ka amin’ny alalan’izany no ahafahantsika ho lasa mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra.

Ny Tempoly Masina

Ny Tompo dia efa nandidy foana ny vahoakany mba hanorina tempoly, toerana masina izay hanatanterahan’ny Olomasina fombafomba masina mifandray amin’ny filazantsara ary ôrdônansy ho an’ny tenan’izy ireo manokana sy ho an’ny maty. Ny tempoly no toerana masina indrindra amin’ny toerana fitsaohana rehetra eto an-tany. Ny tempoly dia tranon’ny Tompo ara-bakiteny, toerana masina iray natokana hitsaohana Azy ary handraisana sy hahatsiarovana ireo fampanantenany sady soa no lehibe.

Nanome torolalana ny Tompo tao anatin’izao fotoampitantanana izao hoe: “Mifandamina ianareo; omano ny zavatra rehetra ilaina, ary manorena trano, dia tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadian-kanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana, tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, tranon’ Andriamanitra.”21 Ny tena ivon’ny fitsaohana ao amin’ny tempoly dia ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy ny fianarana mikasika ireo fanekempihavanana, ny fandraisana ary ny fahatsiarovana izany. Ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny akanjo anaovantsika any amin’ny tempoly dia tsy mitovy amin’ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny akanjo anaovantsika any amin’ireo toerana hafa mety falehantsika.

Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hampisondrotra ny fijerintsika miala eo amin’ireo zavatr’izao tontolo izao mankany amin’ireo fitahiana avy amin’ny mandrakizay. Rehefa mandao mandritra ny fotoana fohy ireo toe-javatra eto amin’izao tontolo izao izay mahazatra antsika isika, dia afaka “hijery an’ Andriamanitra ka ho velona”22 amin’ny alalan’ny fandraisana sy fahatsiarovana ireo fampanantenana sady soa no lehibe ka amin’ny alalan’izany no ahafahantsika ho lasa mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra.

Mariho tsara fa ny andro Sabata sy ny tempoly dia samy fotoana masina sy toerana masina natokana hitsaohana an’ Andriamanitra ary handraisana sy hahatsiarovana ireo fampanantenana nataony tamin’ny zanany izay sady soa no lehibe indrindra.Araka ny nanorenan’ Andriamanitra azy, dia tena mitovy ny tanjona voalohan’ireo loharanom-panampiana masina anankiroa ireo: mba hampifantoka mafy hatrany ny saintsika amin’ny Raintsika any An-danitra, ny Zanany Lahitokana, ny Fanahy Masina ary ireo fampanantenana mifandray amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny.

Ny tokantranontsika

Ny zavatra tena manan-danja dia ny tokony hahatonga ny tokantrano ho fampikambanana tsara indrindra ny fotoana sy ny toerana, ka ao anatin’izany no tena ahatsiarovan’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana tsara ireo fampanantenan’ Andriamanitra izay sady soa no lehibe.Zava-dehibe ny fandaozana ny tokantranontsika mba hanokanana fotoana hanatrehana ireo fivoriana alahady sy hidirana any amin’ilay toerana masin’ny tempoly, saingy tsy ampy izany. Rehefa mitondra ny fanahy sy ny tanjaka azo avy amin’ireo zavatra masina atao ireo any an-tokantranontsika ihany isika vao afaka manohy ny fifantohantsika amin’ireo tanjona lehiben’ny fiainana an-tany sy mandresy ny fahalotoan’izao tontolo izao.Ireo zavatra iainantsika mandritra ny Sabata sy any amin’ny tempoly dia tokony ho fitaovana ara-panahy izay hitondra ho an’ny tenantsika manokana sy ny fianakaviantsika ary ny tokantranonsika fampahatsiahivana tsy tapaka ireo lesona nianarana, ny fanatrehan’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ary fiovam-po mitohy sy lalina ao amin’i Jesoa Kristy Tompo sy fananana “fanantenana mamirapiratra sy lavorary”23 amin’ireo fampanantenana mandrakizain’ Andriamanitra.

Ny Sabata sy ny tempoly dia afaka manampy antsika hanorina “lalana tena tsara indrindra”24 ao an-tokantranontsika rehefa “manangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy [isika], na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy.”25 Ny zavatra ataontsika ao an-tokantranontsika mandritra ilay fotoany masina ary ny zavatra ianarantsika ao anatin’ilay toerany masina dia tena ilaina mba hahatongavana ho mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Mora tototr’ireo zavatra mahazatra sy fanaontsika andavanandro eto an-tany isika. Ilaina sy manan-danja ny matory, misakafo, miakanjo, miasa, milalao sy manao fanatanjahan-tena ary ireo zavatra maro hafa fanao mahazatra. Saingy any amin’ny farany, ilay karazan’olona ahatongavantsika, dia vokatry ny fahalalantsika mikasika ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sy ny fahavononantsika hianatra avy amin’izy ireo, fa tsy ny fitambaran’ireo zavatra ataontsika isan’andro fotsiny mandritra ny androm-piainantsika.

Ny filazantsara dia mihoatra lavitra ny lisitra mahazatra ahitana ireo adidy samihafa tokony ho tanterahina; fa toy ny lamba temitry ny fahamarinana tsara tarehy izany izay “irafetan’ny rafitra rehetra”26 ary voatenona miaraka, natao mba hanampiana antsika ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo, ary ho mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra mihitsy aza. Tena jamba avy “amin’ny fibanjinana ny any ivelan’ny tanjona”27 isika rehefa voabahan’ny zavatra mahavariana an’izao tontolo izao sy ny fiahiahiany ary ny tsy firaharahiany io fahamarinana ara-panahy tena lehibe io.

Rehefa hendry sy manasa ny Fanahy Masina mba ho mpitarika antsika isika,28 dia mampanantena aho fa hampianatra antsika ny marina Izy. “Hijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy Izy, [sy] hampiseho ao an-tsaintsika ny fomba fijerin’ny lanitra”29 rehefa miezaka ny manatanteraka ilay anjarantsika mandrakizay isika sy miezaka ny ho lasa mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa azo antoka ireo fampanantenana sady soa no lehibe indrindra izay mifandray amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana. Nanambara izao ny Tompo hoe:

“omeko anareo ireto toromarika momba ny fomba tokony hitondranareo tena ao anoloako ireto, mba hahatonga izany ho famonjena anareo.

“Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana ianareo.”30

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Raintsika any An-danitra ary Izy no mpamorona ny drafitry ny famonjena. I Jesoa Kristy no Zanany Lahitokana, Ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Velona Izy. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ireo fampanantenany, ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fananana ny Fanahy Masina ho namana dia ahafahana mahazo “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.”31 Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.