2010–2019
Amin’ny alalan’ny drafitra masina
Ôktôbra 2017


Amin’ny alalan’ny drafitra masina

Mitarika anareo ny tanan’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny “drafitra masina,” dia ao anatin’ireo antsipirian-javatra bitika sy ao amin’ireo zava-mitranga goavana eo amin’ny fiainanareo Izy.

Rahalahy sy ranabavy isany, raha mitsangana eto amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mitaona fanahy ity aho sy mahatsapa ny tanjakareo sy ny fanahinareo, dia tsy haiko ny tsy hieritreritra ireo tenin’i Petera Apôstôly hoe: “[Tompo], tsara raha mitoetra eto isika.”1

Tsy dia izay tanteraka no nolazain’i Almà rehefa avy nitory tamin’ny vahoaka tao Amonihà izy. Nandao ilay tanàna i Almà noho ny faharatsian’ilay vahoaka. Vetivety dia niseho taminy ny anjely iray ary niantso azy mba “hiverenany any an-tanànan’ i Amônihà, ary ny hitory indray amin’ny mponin’ny tanàna.”2

Nataon’i Almà “faingana” izany, tamin’ny fidirana “ny tanàna tamin’ny lalana hafa.”3

“Ary raha niditra ny tanàna izy dia mosarena, ary hoy izy tamin’ny lehilahy iray: Moa hanome hanin-kohanina ity mpanompon’ Andriamanitra mietry tena ity va ianao?

“Ary hoy ralehilahy taminy: Izaho dia Nefita, ary fantatro fa mpaminany masin’ Andriamanitra ianao, satria ianao ilay lehilahy izay nolazain’ny anjely tamin’ny fahitana hoe: Horaisinao izy.”4

I Amioleka ilay lehilahy.

Izao ary, tongatonga ho azy ve ny fihaonan’i Almà tamin’i Amioleka? Tsia, tsy fifandrifian-javatra ny nidirany ny tanàna tamin’ilay lalana izay hitondra azy ho any amin’ity lehilahy mahatoky ity izay ho lasa mpiara-mitory aminy.

Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nanazava indray mandeha hoe: “Tsy misy na iza na iza amintsika mampiasa tanteraka amin’ireo namantsika ny fahafahana miseho amintsikaamin’ny fihaonana aman’olona. Izaho sy ianao dia mety hiantso ireny fihaonana ireny ho ‘fifandrifian-javatra.’ Tsy tokony hahagaga raha mampiasa io teny io ny olombelona, saingy ny teny hoe fifandrifian-javatra dia tsy mety raha hamaritana ny asan’ilay Andriamanitra mahay ny zava-drehetra. Tsy manao zavatra amin’ny ‘fifandrifian-javatra’ Izy fa … amin’ny alalan’ny ‘drafitra masina.’”5

Ny fiainantsika dia tahaka ny kilalao eseka iray ary ny Tompo no mamindrafindra antsika etsy sy eroa, raha toa ka mihaino ireo bitsika ara-panahy isika. Raha mijery ny lasa isika dia afaka mahita ny tanany eo amin’ny fiainantsika.

Afaka mahita izany fanampian’ny lanitra izany isika rehefa niverina mba haka ireo takelaka tany amin’i Labana i Nefia. “Ary notarihin’ny Fanahy izy, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataony.”6 Vetivety teo dia teo anoloany i Labana, mamo tampina, dia novonoin’i Nefia izy, nalainy ireo takelaka, ary nitsoaka niverina tany amin’ny rahalahiny izy. Tongatonga ho azy ve ny fihaonany tamin’i Labana? Sa tamin’ny alalan’ny “drafitra masina” izany?

Ahitana zava-niseho manan-danja ao amin’ny filazantsara sy ao amin’ny Fiangonana izay mampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Tsy tongatonga ho azy izy ireny fa tamin’ny alalan’ny drafitr’ Andriamanitra. Izy izay namolavola ny endrik’ity izao tontolo izao ity dia afaka mampitony ny ranomasina amin’ny teniny sy afaka mitarika an’i Almà sy i Amioleka ary i Nefia sy i Labana ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy ireo amin’ny fotoana tena ilàna izany.

Torak’izany koa, misy ireo tranga sy fikambanana ao anatin’ny fiainantsika tsirairay izay mampandroso ny asan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany.

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin malala dia niresaka momba ny fotoana iray izay nitenenan’ny Filoha Thomas S. Monson taminy hoe: “Misy tanana mitarika eo ambonin’ny zavatra rehetra. Matetika rehefa misy zavatra mitranga dia tsy tongatonga hoe azy izany. Indray andro, rehefa mijery ireo zavatra izay toa fifandrifian-javatra teo amin’ny fiainantsika isika, dia hahita fa tsy fifandrifian-javatra velively izy ireny.”7

Matetika tokoa dia vitsy ihany no mahalala ireo asa tsara ataontsika. Voarakitra any an-danitra anefa izy ireny. Indray andro dia hijoro ho vavolombelon’ny fanolorantenantsika tamin’ny fanahy manontolo tamin’ireo asan’ny fahamarinana isika. Tsy misy fisedrana na antambo afaka mampivily ny drafitry ny fahasambarana nataon’ Andriamanitra. Eny tokoa, amin’ny alalan’ny “drafitra masina,” “[ny] maraina … dia misy fihobiana.”8 “Tonga teo amin’ izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Ra[y],”9 hoy ny nampianarin’i Jesoa. Rahalahy sy ranabavy malala isany, tokony hanao izany koa isika.

Tamin’ny alalan’ny zavatra niainako teo amin’ny lalam-piainako manokana dia fantatro fa mamindrafindra antsika ny Tompo eo amin’ilay toa kilalao eseka mba hanao ny asany. Izay miseho ho toy ny vintana kisendrasendra, raha ny marina, dia voaramason’ny Ray any An-danitra be fitiavana izay afaka manisa ny volo eo amin’ny loha tsirairay.10 Tsy misy na dia varidimiventy iray akory aza ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.11 Ny Tompo dia mijery ireo antsipirian-javatra bitika eo amin’ny fiainantsika, ary ireny zava-mitranga sy fahafahana ireny dia natao mba hanomanana antsika hampitraka ny fianakaviantsika sy ny hafa eo am-pananganantsika ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Tsarovy, araka ny nolazain’ny Tompo tamin’i Abrahama hoe: “Fantatro hatramin’ny voalohany ny farany; koa homba anao ny tanako.”12

Nametraka ahy tao anatin’ny tokantrano iray nahitana ray aman-dreny be fitiavana ny Tompo. Araka ny fenitr’izao tontolo izao dia tena olon-tsotra izy ireo: ny raiko, izay lehilahy be fanoloran-tena, dia mpitondra fiara vaventy, ny reniko, izay anjely, dia mpikarakara tokantrano. Nanampy ahy hahita an’i Melanie, vady malalako, ny Tompo. Nobitsihany ny mpandraharaha iray, izay tonga tena namako, mba hanome asa ho ahy. Niantso ahy ny Tompo mba hanompo ao amin’ny sahan’ny misiôna, fony aho zatovolahy sy fony aho filohan’ny misiôna. Nantso ahy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy Izy ary izao dia niantso ahy ho Apôstôly. Rehefa manao jery todika aho dia hitako fa tsy nandamina na inona na inona tamin’ireo fifindrafindrana ireo aho; ny Tompo no nanao izany, tahaka ny handaminany ireo fifindrafindrana manan-danja ho anao sy ho an’ireo olon-tianao.

Inona no tokony hotadiavinao eo amin’ny fiainanao manokana? Inona ireo fahagagana ataon’ Andriamanitra izay mampahatsiahy anao fa akaiky Izy, milaza hoe: “Eto akaiky eto Aho”? Eritrereto ireo fotoana, ny sasany isan’andro, izay nanaovan’ny Tompo asa teo amin’ny fiainanao, avy eo mbola nanao asa indray Izy. Ankamamio ireny fotoana izay nampisehoan’ny Tompo fitokisana anao sy ny safidy nataonao ireny. Kanefa avelao Izy hamoaka zavatra betsaka kokoa avy ao aminao mihoatra noho izay azonao avoaka samirery. Ankamamio ny fandraisany anjara. Indraindray isika dia mandray ireo fiovana eo amin’ireo drafitra nataontsika ho fahadisoan-dalana eo amin’ny diantsika. Eritrereto kokoa ho dingana voalohany mba ho eo “amin’ny asan’ny Tompo”izy ireny.13

Volana vitsivitsy lasa izay dia niaraka tamin’ny vondrona tanora iray mba hitsidika toerana manan-tantara maro an’ny Fiangonana ny zafikelinay vavy. Ny dia farany dia nilaza fa handalo eo amin’ilay faritra izay nanompoan’ny anadahiny mihitsy, dia ny zafikelinay lahy tamin’ny naha-misiônera azy. Tsy nanana fikasana hahita ny anadahiny tany amin’ny asa fitoriany ny zafikelinay vavy. Rehefa niditra ny tanàna izay nanompoan’ny anadahiny anefa ilay fiarabe, dia tazana nandeha teny an-dalana ny misiônera roa. Anadahiny ny iray tamin’ireo misiônera.

Tsy nahandry ery ny iray fiarabe rehefa nangataka ilay mpamily mba hijanona haka sisiny ilay zatovo hahafahany miarahaba ny anadahiny. Tsy ampy iray minitra akory dia nanohy ny lalany hanatanteraka ireo adidiny amin’ny maha-misiônera azy ilay anadahiny, rehefa avy nitomany sy nifanao teny mamy. Fantatray taty aoriana fa tsy ampy dimy minitra akory no naha-teo amin’io lalana io an’ilay anadahiny, avy namonjy fotoana iray nankeny amin’ny fiarany.

Sary
Ny zafikelin’ny Loholona Rasband tafaraka

Afaka mametraka antsika ao anatin’ny toe-java-mitranga manokana ny Ray any An-danitra miaraka amin’ny fikasana manokana ao an-tsainy. Nanao toy izany Izy teo amin’ny fiainako, ary manao toy izany eo amin’ny fiainanareo, tahaka ny nataony teo amin’ny fiainan’ireo zafikely malalanay.

Isika tsirairay dia sarobidy sy tian’ny Tompo, izay miahiahy, mibitsika, ary miambina antsika amin’ny fomba miavaka ho an’ny tsirairay amintsika.Tena hendry kokoa sy mahery kokoa noho ny lehilahy sy y vehivavy mety maty Izy. Fantany ireo olantsika, ireo fandresentsika, ary ireo faniriana marina ao am-pontsika.

Iray taona mahery izay, rehefa nandeha tao amin’ny Temple Square aho dia nanatona ahy ny iray tamin’ireo misiônera vehivavy ary nanontany hoe: “Tadidinao ve aho? Avy any Floride.” Nolazainy tamiko fa Rahavavy Aida Chilan no anarany. Eny, tadidiko ny nihaona taminy sy ny fianakaviany. Nanoro hevitra ahy ny filohan’ny tsatòkany mba hitsidihanay ny fianakaviany. Lasa nazava fa i Aida zanakavavin’izy ireo, izay tsy vita batisa, no nankanesanay tany. Taorian’ny fitsidihanay ary maherin’ny iray taona nampianarana sy nifaneraserana taminy dia natao batisa i Aida.

Sary
Ny loholona Rasband miaraka amin’i Aida Chilan sy ny namany

Rehefa avy nitsidika ny Temple Square izahay dia nanoratra taratasy ho ahy izy. Hoy izy: “Fantatro amin’ny foko manontolo fa mahafantatra antsika tsirairay ny Ray any An-danitra ary manohy mametraka antsika eny amin’ny lalan’ny hafa noho ny antony iray. Misaotra anao fa iray tamin’ireo misiônera nampianatra ahy ianao, nanolo-tanana ahy sy nitady ahy dimy taona lasa izay.”14 Nalefan’i Aida tamiko ihany koa ny tantaran’ny fiovampony nitantara ireo “fifandrifian-javatra masina” nitranga teo amin’ny fiainany ka nitarika azy tamin’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana, hanao asa fitoriana tao Temple Square, ary ny mariazy tany amin’ny tempoly vao haingana.15

Fifandrifian-javatra fotsiny ve ny nanentanan’ilay filohan’ny tsatòka anay ho any amin’ny tokantranon-dry Chilan na ny nihaonanay teo amin’ny Temple Square taty aoriana? Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Aida dia manamafy fa izany dia anisan’ny “drafitra masin’”Andriamanitra.

Tian’ny Tompo ny miaraka amintsika. Tsy fifandrifian-javatra ny hoe rehefa mahatsapa ny fanahiny ianareo sy manao asa araka ireo bitsika voalohany azonareo dia hotsapanareo Izy araka ny nampanantenany hoe : “Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”16

Misy zavatra mitovy mitranga eo amin’ny fiainantsika rehetra. Mety hihaona aman’ny olona toa tsy vaovao isika, hiverina hahita olom-pantatra, na hisy fitoviana amin’ny olona tsy fantatra. Rehefa mitranga ireo, dia angamba mampahatsiahy antsika ny Tompo fa tena mpiray tampo tokoa isika rehetra. Tena mpandray anjara ao anatin’ny tanjona mitovy isika, ilay nantsoin’i Joseph Smith hoe “ny tanjon’i Kristy.”17

Izao dia aiza ho aiza ao amin’ny “drafitra masina” ny fahafahantsika misafidy? Manana safidy hanaraka na tsy hanaraka ny Mpamonjintsika sy ireo mpitarika nofinidiny isika. Mazava io lamina io ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa niala tamin’ny Tompo ny Nefita. Nitalaho i Môrmôna nanao hoe:

“Ary hitany … fa tsy nitsimbina azy intsony ny Fanahin’ny Tompo; eny, izany dia efa nisintona niala taminy, satria tsy mitoetra ao amin’ny tempoly izay tsy masina ny Fanahin’ny Tompo—

“Noho izany ny Tompo dia nitsahatra nitsimbina azy tamin’ny heriny mahagaga sy tsy manan-tsahala, satria efa lavo tao amin’ny toetry ny tsy finoana sy ny faharatsiana mahatsiravina izy.”18

Tsy ny zavatra rehetra angatahin’ny Tompo amintsika no vokatry ny tanjaka ananantsika, na ny fahatokiansika, na ny fahalalantsika. Eritrereto i Saoly, izay nosakanan’ny Tompo teny amin’ny lalana mankany Damaskosy. Diso lalana izy teo amin’ny fiainany, ary tsy misy idiran’ny avaratra sy atsimo izany. Nahitsin’ Andriamanitra ny lalan’i Saoly. Rehefa fantatra izy taty aoriana tamin’ny hoe Paoly, ny asa fanompoany tamin’ny naha-apôstôly azy dia nampiseho izay efa fantatry ny Tompo fa ho vitany sy mety hahatongavana, fa tsy izay fikasana tiany hatao tamin’ny naha-Saoly azy. Amin’ny fomba toy izany koa no ahafantaran’ny Tompo izay vitantsika tsirairay sy mety hahatongavantsika. Inona no nampianarin’i Paoly Apôstôly? “Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.”19

Rehefa marina sy vonona ary afaka manao zavatra isika, rehefa miezaka ny ho mendrika isika, dia mandroso ho amin’ny toerana izay tsy noeritreretintsika velively ary lasa ampahany amin’ny “drafitra masin’”ny Raintsika any An-danitra. Manana fahamasinana ao anatintsika isika tsirairay. Rehefa mahita an’ Andriamanitra miasa amintsika sy miaraka amintsika isika, dia enga anie isika hahazo hery, eny hankasitraka izany fitarihana izany. Rehefa niteny ny Ray any An-danitra hoe: “Fa izao no asako sy voninahitro: ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona,”20 dia niresaka momba ny zanany rehetra Izy, dia ianao manokana.

Mitarika anareo ny tanan’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny “drafitra masina,” dia ao anatin’ireo antsipirian-javatra bitika sy ao amin’ireo zava-mitranga goavana eo amin’ny fiainanareo Izy. Araka ny voalaza ao amin’ny Ohabolana hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.”21 Mijoro ho vavolombelona aho fa hitahy anareo sy hanohana anareo ary hitondra fiadanana ho anareo Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.