2010–2019
Fanakona-masoandro ara-panahy
Ôktôbra 2017


Fanakona-masoandro ara-panahy

Aza avela hanakona ny hazavan’ny lanitra ireo zava-mahavariana eo amin’ny fiainana.

Tamin’ny 21 aogositra tamin’ity taona ity dia nisy trangan-javatra tsy dia fahita niseho izay nisarika ny sain’ny olona manerana izao tontolo izao. Ny voalohany dia ny fankalazana ny tsingerintaona faha-90 an’ny mpaminany malalantsika, dia i Thomas S. Monson. Tamin’io fotoana io aho dia nanatanteraka iraka tany amin’ny Vondromparitr’i Pasifika ary faly tokoa fa ireo Olomasina tany Australie, Vanuatu, Nouvelle Zélande ary Polynésie Française dia tsy hoe nahafantatra ilay fotoana miavaka teo amin’ny fiainany fotsiny fa nifaly tamin’ny fankalazany izany ihany koa. Nahatsapa ho niangarana aho niaraka tamin’izy ireo tamin’ny nanehoany tamin-kitsimpo ny finoany sy ny fitiavany an’ity lehilahy mahafinaritra ity. Tena manentana ny fanahy ny nahita ny fifandraisana ananan’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny mpaminanin’izy ireo.

Mazava ho azy fa rehefa nahafantatra ny fisian’ireo izay naniry ny hirary soa azy noho ny tsingerintaonany ny Filoha Monson dia nanoritsoritra ny zavatra izay hitany fa fanomezana tsara homena azy amin’ny tsingerintaona nanao hoe: “Mitadiava olona mandalo fotoan-tsarotra na marary na irery dia manao zavatra ho azy ireo. Izany no mba hangatahiko.”1 Tianay ianao ary manohana anao izahay ry Filoha Monson.

Fanakona-masoandro

Ilay tranga iray hafa izay tsy fahita loatra sy avy amin’ Andriamanitra niseho tamin’io andro io, ary nahasarika olona ana hetsiny manerana izao tontolo izao, dia ny fanakonana tanteraka ny masoandro. Io no fotoana voalohany nitrangan’ny fanakona-masoandro nanerana an’i Etazonia tao anatin’ny 99 taona.2 Efa nahita fanakona-masoandro ve ianao? Azoko hazavaina amin’ny antsipiriany bebe kokoa angamba izany.

Ny fanakonana tanteraka ny masoandro dia mitranga rehefa mandalo eo anelanelan’ny tany sy ny masoandro ny volana, izay saika manakana tanteraka izay hazavana avy eny amin’ny masoandro.3 Fahagagana ho ahy ny fahafantarana fa afaka mitranga izany. Raha alaina sary an-tsaina hoe toy ny kodiaran’ny bisikileta ny haben’ny masoandro, ny volana kosa raha ampitahaina amin’izany dia mety ho toy ny vato kely fotsiny.

Sary
Kodiaram-bisikileta sy vato kely

Ahoana no mahatonga ilay loharano mitondra hafanana sy hazavana ary fiainana mihitsy eo amintsika no ho voarakotry ny zavatra kely tsy misy dikany raha oharina aminy raha ny habe no lazaina?

Na dia ngeza in’efajaton’ny volana aza ny masoandro, dia in’efajato lavitry ny tany koa izy.4 Raha amin’ny fijery avy ety amin’ny tany, izany fitoerany izany dia mahatonga ny masoandro sy ny volana hitovy habe. Raha vao mifanitsy fotsiny izy roa, dia hita toa mandrakotra ny masoandro manontolo ny volana. Ireo namanay sy fianakavianay izay tany amin’ny toerana nahita ny fanakona-masoandro tanteraka dia namariparitra ny fomba nanoloan’ny haizina ny hazavana, nipoitra ireo kintana, ary nitsahatra tsy nihira ny vorona. Lasa nangatsiaka ny andro, satria afaka midina ambanin’ny 11 Degrée Celsius ny mari-pana rehefa misy fanakona-masoandro.5

Sary
Vahoaka manao solomaso fijerena fanakona-masoandro

Nilaza fahatsapana fitalanjonana, hagagana, ary eny, fitaintainana ihany koa izy ireo satria ny fanakona-masoandro dia mitondra loza vitsivitsy. Nampiasa fitandremana anefa izy ireo nandritra ny fanakona-masoandro mba hisorohana ny fahasimban’ny maso na ny “fahajambana avy amin’ny fanakona-masoandro.” Nisy fiarovana satria nampiasa solomaso misy sivana manokana izay miaro ny maso tsy ho azon’ny loza mety hitranga izy ireo.

Ny fifanahafana

Tahaka ny fahafahan’ny volana kely manakona ny masoandro lehibe, izay manakana ny hazavana sy ny hafanana avy aminy, dia misy fanakona-masoandro ara-panahy mety hitranga rehefa avelantsika hameno ny fifantohantsika ireo sakana madinika sy manelingelina, izay hatrehantsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ka hanakana ny halehibe sy ny famirapiratana ary ny hafanana entin’ny fahazavan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Novelabelarin’ny Loholona Neal A. Maxwell io fifanahafana io raha nilaza izy hoe: “Na ny zavatra faran’izay kely toy ny ankihibe aza, raha tazonina eo akaikin’ny maso, dia afaka manakana antsika tsy hahita ny masoandro izay tena lehibe. Kanefa mbola eo ilay masoandro. Ny fahajambana dia vokatry ny ataon’ny olona amin’ny tenany ihany. Rehefa variana mifantoka amin’ny zavatra hafa loatra isika, ka mametraka izany ho lohalaharana dia hotakonantsika ny fahitantsika ny lanitra.”6

Mazava fa tsy misy amintsika hanao fanahy iniana hanakona ny fahitantsika ny lanitra na hamela fanakona-masoandro ara-panahy hitranga eo amin’ny fiainantsika. Mamelà ahy hizara hevitra vitsivitsy izay mety hanampy antsika hisoroka ny fanakona-masoandro ara-panahy tsy hiteraka ny fahasimbana ara-panahy maharitra eo amintsika.

Solomason’ny filazantsara: mihazona fomba fijery araka ny filazantsara

Tadidinareo ve ny fanazavako ny momba ilay solomaso manokana izay ampiasaina mba hiarovana ireo izay mijery ny fanakona-masoandro amin’ny fahasimban’ny maso na ny fahajambana noho ny fanakona-masoandro mihitsy aza? Ny fijerena ny fanakona-masoandro ara-panahy amin’ny alalan’ny solomaso miaro sy manalefaky ny Fanahy dia miteraka fomba fijery araka ny filazantsara, izay miaro antsika amin’ny fahajambana ara-panahy.

Ndeha isika hijery ohatra vitsivitsy. Rehefa manana ny tenin’ny mpaminany ao am-pontsika sy ny Fanahy Masina ho mpanoro lalana antsika isika, dia afaka mahita ny fahazavan’ny lanitra, izay takona amin’ny ampahany, amin’ny alalan’ny “solomason’ny filazantsara,” ary tsy tratran’ny loza ateraky ny fanakona-masoandro ara-panahy.

Koa ahoana ary no hanaovantsika ny solomason’ny filazantsara? Ireto misy ohatra vitsivitsy: Ireo solomason’ny filazantsara ananantsika dia mampahafantatra antsika fa ny Tompo dia maniry ny handraisantsika ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ary iriany ny handalinantsika ny soratra masina sy ny hivavahantsika isan’andro. Mampahafantatra antsika ihany koa izy ireo fa haka fanahy antsika tsy hanao izany i Satana. Fantatsika fa ny fandaharam-potoany dia mikatsaka ny hanaisotra ny fahafahantsika misafidy amin’ny alalan’ireo fialam-boly sy fakam-panahin’izao tontolo izao. Na tamin’ny andron’i Joba aza dia nisy angamba ireo niaina fanakona-masoandro ara-panahy, izay voafariparitra hoe: “Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina.”7

Ry rahalahy sy ranabavy, rehefa miresaka momba ny fijerena amin’ny solomason’ny filazantsara aho, dia fantaro fa tsy milaza aho akory hoe tsy tokony hiaiky ny fisian’ireo olana hatrehantsika isika na hiresaka izany, na mandeha milamina tsy mahafantatra ireo fandrika sy faharatsiana napetraky ny fahavalo manoloana antsika. Tsy miresaka momba ny tokony hanaovana fanakonana maso aho, fa ny mifanohitra amin’izany indrindra. Manoro hevitra aho ny mba hijerentsika ireo olana amin’ny alalan’ny solomason’ny filazantsara. Nilaza ny Loholona Dallin H. Oaks fa “ny fomba fijery dia fahafahana mahita ny fampahalalana manan-danja rehetra ao anatin’ny fifandraisana manan-danja iray.”8 Ny fomba fijery araka ny filazantsara dia manitatra ny fahitantsika ho lasa fijery mibanjina ny mandrakizay.

Rehefa anaovanao ilay solomason’ny filazantsara dia hihatsara ny fomba fijerinao, ny fifantohanao, sy ny fomba fieritreretanao ireo laharampahamehanao, ireo olanao, ireo fakam-panahy mahazo anao, eny fa na dia ireo fahadisoanao aza. Hahita fahazavana mazava kokoa ianao, izay tsy ho hitanao raha tsy manao izany solomaso izany.

Sary
Solomason’ny filazantsara

Ny mampihomehy kely dia tsy ny zavatra ratsy ihany no afaka miteraka fanakona-masoandro ara-panahy eo amin’ny fiainantsika. Matetika ireo ezaka mahafinaritra sy tsara nanolorantsika tena dia mety hifantohantsika loatra ka ho lasa sakana hanakona ny fahazavan’ny filazantsara ary mitondra haizina. Mety tafiditra ao amin’ireo loza sy zava-manintona ireo ny fianarana sy ny firoboroboana, ny fahefana sy ny hery enti-mitaona ny hafa, ny nofinofy, eny fa na dia ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana aza.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “ny toetra tsara rehetra, rehefa entina amin’ny mihoampampana dia mety ho tonga toetra ratsy. Ary dia tonga ny fotoana hoe ny zava-bita dia lasa vato manafintohana ary ny tanjona iriana lasa vato misakana.”9

Mamelà ahy ianareo hizara amin’ny antsipiriany bebe kokoa ny ohatra izay mety ho lasa antony mba hisorohana ny fanakona-masoandro ara-panahy eo amintsika manokana.

Fampahalalam-baovao ara-tsôsialy

Vao haingana aho no nandahateny tamin’ny fihaonamben’ny vehivavy tao BYU.10 Nohazavaiko ny fomba ahafahan’ny teknôlôjia, tafiditra amin’izany ny tambazotra ifaneraserana, mampiely patrana “ny fahalalana ny Mpamonjy … eran’ ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay.”11 Tafiditra amin’izany teknôlôjia izany ireo tranonkala toy ny LDS.org sy ny Mormon.org; ireo application amin’ny finday toy ny Bibliothèque de l’Évangile, ny Mormon Channel, ny outils SDJ, ary ny Arbre Familial, sy ireo tambazotra ifaneraserana toy ny Facebook, ny Instagram, ny Twitter ary ny Pinterest. Ireo tambazotra ireo dia nanaparitaka j’aime, partage, vue, retweet, ary pin anetsiny maro ary lasa tena nahomby sy mahomby amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny fianakaviana, namana ary mpiara-miasa.

Na dia eo aza ny zavatra tsara rehetra sy ny fomba tsara fampiasana an’ireo teknôlojia ireo, dia misy atahorana ny amin’izy ireo izay, raha ifantohana loatra, dia mety hahatonga antsika ao anatin’ny fanakona-masoandro ara-panahy ary mety hanakana ny hazavana sy ny hafanan’ny filazantsara.

Ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana sy ny application amin’ny finday ary ireo kilalao dia mety tena handany fotoana be sy hampihena ny fifandraisana mivantana amin’olona. Ny tsy fifampiresahana dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanambadina, maka ny toeran’ireo fombafomba masina sarobidy, ary manaparitaka ny fampivoarana ny fahaiza-manao eo amin’ny fiarahamonina, indrindra eo amin’ny tanora.

Loza roa hafa misy hifandraisany amin’ny tambazotra ifaneraserana ny zava-misy namboarina araka izay eritreretina ho filamatra sy ny fampitahana miteraka tsy fahombiazana.

Maro (raha tsy ny ankamaroany) amin’ireo sary aely eny amin’ny tambazotra ifaneraserana no maneho ny tsara indrindra amin’ny fiainana, amin’ny fomba tsy mitombina mihitsy matetika. Isika rehetra dia efa samy nahita sarin’ny trano voahaingo, fialan-tsasatra mahafinaritra, olona mitsikitsiky, fikarakarana sakafo mafilotra, vatan’olona izay toa tsy misy akory.

Ity ohatra misy sary iray mety ho hitanareo eny kaontin’olona ao amin’ny tambazotra ifaneraserana. Na izany aza izy io dia tsy maneho ny sary manontolon’ny zavatra tena mitranga amin’ny tena fiainana.

Sary
Ny zavatra afenimpenina

Ny fampitahana ny fisiantsika toa antonontonony amin’ny an’ny hafa izay voarindra tsara, ireo fiainana namboarina ho lafatra araka ny aseho ao amin’ny tambazotra ifaneraserana dia mety hitondra fahatsapana ho kivy, sy hitsiriritra, ary tsy fahombiazana mihitsy eo amintsika.

Nisy olona iray izay nizara ny sariny maromaro, izay angamba nananihany kely dia nilaza hoe: “Inona no antony hifalifaliana raha tsy haelinao amin’ny tambazotra akory izany?”12

Araka ny nampahatsiahivin’ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson antsika androany maraina, ny fahombiazana amin’ny fiainana dia tsy avy amin’ny isan’ny “j’aime” azontsika na ny isan’ny namantsika ao amin’ny tambazotra ifaneraserana na ny isan’ny mpanaraka antsika. Fa izany kosa anefa dia misy hifandraisany amin’ny fifandraisana amin’ny fomba manan-danja amin’ny hafa sy ny fitondrana hazavana amin’ny fiainan’izy ireo.

Enga anie isika hianatra ny haneho ny maha-tena isika antsika, ho tia mifalifaly kokoa, ary tsy ho kivy loatra rehefa mahita sary izay mety haneho zava-misy toy ny tonga lafatra sy matetika no mitarika amin’ny fampitahana miteraka tsy fahombiazana.

Hita mibaribary fa tsy zavatra manamarika izao fotoana iainantsika izao fotsiny ny fampitahana, fa nanamarika ny tany aloha ihany koa. Nampitandrina ny olona tamin’ny androny i Paoly Apostoly fa “ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; [dia] tsy hendry.”13

Amin’ireo fomba maro be azo ampiasana amin’ny fomba mety sy nentanim-panahy ny teknôlôjia, handeha isika hampiasa izany mba hampianarana sy hanentanam-panahy ary hampitrakana antsika, sy hankaherezana ny hafa ho lasa ilay tsara indrindra vitan’izy ireo; fa tsy hoe mba hanehoana ilay isika izay tsy tena izy sady mody tonga lafatra. Handeha isika hampianatra sy haneho ihany koa amin’ny taranaka vao misondrotra ny fomba tsara azo hampiasana ny teknôlôjia ary hampitandrina amin’ny loza sy ny fampiasana manimba avy amin’izany. Rehefa mijery ny tambazotra ifaneraserana amin’ny alalan’ny solomason’ny filazantsara dia afaka misoroka izany tsy ho lasa fanakona-masoandro ara-panahy.

Fieboeboana

Izao isika dia hiresaka momba ilay vato mahatafintohina nisy efa ela be, dia ny fieboeboana. Ny fieboeboana no mifanohitra amin’ny fiantrana, izay “fahavononana hanaraka ny sitrapon’ny Tompo.”14 Rehefa mieboebo isika dia miezaka maka ny voninahitra ho eo amintsika fa tsy manome izany an’ny hafa, anisan’izany ny Tompo. Ny fieboeboana matetika dia fifaninanana. Fironana mikatsaka ny hanana kokoa sy hieritreritra ny tenantsika ho tsaratsara kokoa noho ny hafa izany. Matetika ny fieboeboana dia miteraka fahatezerana sy fankahalana. Mahatonga ny olona hitana lolompo na tsy hamela heloka izany. Na izany aza, ny fieboeboana dia afaka ny ho resin’ilay toetra tahaka ny an’i Kristy dia ny fanetrentena.

Ny fifandraisana, na dia amin’ny fianakaviana akaiky na ny olona tiana aza, indrindra fa amin’ny fianakaviana akaiky sy ny olona tiana, na eo amin’ny mpivady aza, dia voakolokolo ao amin’ny fanetrentena ary simbain’ny fieboeboana.

Taona maro lasa izay dia niantso ahy ny mpitarika iray tao amina fivarotana lehibe iray mba hiresaka momba ny orinasany izay hovidin’ny iray amin’ireo mpifaninana aminy. Natahotra mafy izy sy ireo mpiasa maro hafa tao amin’ny foibe fa hamoy ny asany. Rehefa nahafantatra izy fa nahalala tsara ny mpitantanana ilay orinasa mpividy aho dia nanontany izy raha toa ka vonona ny hampahafantatra azy sy hilaza zavatra mafonja sy mandresy lahatra momba azy aho, hatramin’ny fandaminana fihaonana ho azy mihitsy aza. Nofaranany tamin’ity fehezan-teny ity izany hoe: “Fantatrao hoe inona no lazain’izy ireo? ‘Ho ringana ny malemy fanahy!’”

Takatro fa mihoatra lavitra ny fikasana hilaza zavatra mampihomehy ny zavatra nolazainy. Azoko ilay fampihomehezana. Saingy nisy fitsipika manan-danja iray izay tsapako fa hilainy amin’ny farany. Novaliako hoe: “Raha ny tena marina dia tsy izany ny zavatra lazain’izy ireo. Ny mifanohitra amin’izany mihitsy raha ny tena izy. ‘Ny malemy fanahy … no handova ny tany,’15, izay no lazain’izy ireo.”

Tamin’ny zavatra niainako tato am-piangonana sy tamin’ny asako, ny olona lehibe indrindra sy mahomby indrindra fantatro dia anisan’ireo izay malemy fanahy sy manetry tena indrindra.

Ny fanetrentena sy ny fahalemem-panahy dia tena mifanakaiky sy mifameno. Aoka hotsaroantsika “fa tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po.”16

Mivavaka aho ny mba hiezahantsika misoroka ny fanakona-masoandro ara-panahin’ny fieboeboana amin’ny alalan’ny fananana ny toetra tsaran’ny fanetrentena.

Fehin-kevitra

Raha fehezina, ny fanakona-masoandro dia trangan-javatra voajanahary tena mahavariana izay mety haharakotra tanteraka ny hatsarana sy ny hafanana ary ny hazavan’ny masoandro amin’ny alalan’ny zavatra kely tsy misy dikany raha oharina aminy ka miteraka haizina sy hatsiaka.

Ny tranga toy izany dia azo avadika hanana heviny ara-panahy, rehefa diso hifantohana loatra ireo zavatra kely sy tsy misy dikany ka manakana ny hatsarana sy ny hafanana ary ny hazavana masin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary misolo izany amin’ny haizina mangatsiaka.

Ny solomaso natao hiarovana ny fahitan’ireo izay ao amin’ny toerana afaka mahita ny fanakona-masoandro tanteraka dia afaka misoroka ny fahasimban’ny maso maharitra sy ny fahajambana mihitsy aza.17 Ny solomason’ny filazantsara izay ahitana ny fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara dia mitondra fomba fijery araka ny filazantsara izay afaka mitondra fiarovana ara-panahy lehibe kokoa ary fahazavana tahaka izany ho an’ny olona izay tratran’ireo loza ateraky ny fanakona-masoandro ara-panahy.

Raha mahita zavatra izay toa manakana ny fahazavana sy ny fifaliana avy amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainanao ianao dia manasa anao aho mba hijery izany amin’ny alalan’ny solomason’ny filazantsara. Mijere amin’ny fomba fijery araka ny filazantsara dia mitandrema tsara mba tsy hamela ny zavatra tsy manan-danja sy tsy mitondra vokatra tsara eo amin’ny fiainana hanakona ny fahitanao amin’ny fomba mibanjina ny mandrakizay ny drafitra lehiben’ny fahasambarana. Raha fintinina dia aza avela hanakona ny hazavan’ny lanitra ireo zava-mahavariana eo amin’ny fiainana.

Fijoroana ho vavolombelona

Mijoro ho vavolombelona aho fa na inona na inona sakana izay mandrakotra ny fahitantsika ny fahazavan’ny filazantsara, dia mbola eo ilay hazavana. Ny loharanon-kafanana sy ny fahamarinana ary ny fahazavana dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana aho, ny amin’ i Jesoa Kristy Zanany, ary ny andraikitry ny Zanaka amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “What Gift Does President Monson Want for His 90th Birthday?” Deseret News,17 aog 2017, deseretnews.com.

  2. Jereo ny Christina Zdanowicz sy Judson Jones, “An Eclipse Will Cross the US for the First Time in 99 Years,” 24 jolay 2017, cnn.com.

  3. Jereo ny “Eclipse: Who? What? Where? When? and How?” eclipse2017.nasa.gov.

  4. Jereo ny EarthSky in Space, “Coincidence That Sun and Moon Seem Same Size?” earthsky.org.

  5. Jereo ny Brian Lada, “5 Surprising Effects the Total Solar Eclipse Will Have besides Darkness,” accuweather.com.

  6. Neal A. Maxwell, Of One Heart: The Glory of the City of Enoch1975), 19.

  7. Joba 5:14

  8. Dallin H. Oaks, lahateny natao tamin’ny takariva amorom-patana an’ny tanora tokantenan’i Salt Lake Bonneville, Salt Lake City, Utah, 8 feb. 2015.

  9. Dieter F. Uchtdorf, “Ny Amin’ireo Zavatra Izay Manan-danja IndrindraLiahona,nôv. 2010, 20.

  10. Jereo ny Gary E. Stevenson, “The Knowledge of a SaviorFihaonamben’ny vehivavy tao Brigham Young University, 5 mey 2017).

  11. Môsià 3:20

  12. Jade, “The Obsession of Creating a Picture-Perfect Life on Social Media.”

  13. 2 Korintiana 10:12

  14. Jereo nyTorio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera2004), 146.

  15. Jereo ny Matio 5:53 Nefia 12:5

  16. Môrônia 7:44

  17. Jereo ny “Solar Eclipse and Your Eyes,” preventblindness.org.