2010–2019
Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?
Ôktôbra 2017


Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?

Amin’ny fomba feno fahagagana sy miavaka indrindra no ampianaran’ny Bokin’i Môrmôna antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Tamin’ny 1986 dia nasaina hitondra lesona manokana tany amina oniversite iray tao Accra, Ghana ny tenako.Nihaona tamin’ny olona manan-kaja maro aho tany, isan’izany ny mpanjakan’ny foko Afrikanina iray.Raha nihaona tamin’ilay mpanjaka nialoha ny lesona aho dia niresaka tamiko tamin’ny alalan’ny mpandika teniny izy.Mamaly amin’ilay mpandika teny aho ary avy eo dia mandika ny zavatra nolazaiko tamin’ny mpanjaka izy.

Taorian’ny lesona dia nanatona ahy avy hatrany ilay mpanjaka saingy tsy niaraka tamin’ny mpandika teniny izy tamin’izay fotoana izay.Dia gaga aho fa niteny Anglisy tsara izy, ny teny Anglisin’ny Mpanjakavavy mihitsy aza!

Toa gaga ilay mpanjaka.“Fa iza marina moa ianao?” hoy izy.

Dia novaliako hoe: “Izaho dia Apôstôly voatendrin’i Jesoa Kristy.”

Nanontany ilay mpanjaka hoe: “Inona no azonao ampianarina amiko momba an’i Jesoa Kristy?”

Novaliako tamin’ny alalan’ny fanontaniana izany: “Azoko anontaniana ve ianao ny amin’izay efa fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?”

Ny valinteny nomen’ny mpanjaka dia nanambara fa mpandalina Baiboly mahafatrampo izy ary olona tia ny Tompo.

Dia nanontaniako izy avy eo raha toa mahafantatra momba ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny vahoaka tany Amerika fahiny?

Efa neveriko fa ho tsia ny valiny.

Nazavaiko fa taorian’ny Fanomboana ny Mpamonjy tamin’ny hazofijaliana sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia tonga tany amin’ny vahoaka tany Amerika fahiny izy, izay nampianarany ny filazantsara.Nanangana ny Fiangonany Izy ary nangataka ireo mpianany mba hanao raki-tsoratra ny asa fanompoany teo anivon’izy ireo.

“Io raki-tsoratra io,” hoy aho, “dia fantatra amin’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna.Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izany.Soratra masina mitovy lenta amin’ny Baiboly izany.”

Tamin’io fotoana io dia lasa tena liana tokoa ilay mpanjaka.Nitodika tany amin’ny filohan’ny misiôna izay niaraka tamiko aho ary nanontany raha toa nanana tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tany aminy izy.Namoaka anankiray avy tao amin’ny kitapony izy.

Nosokafako tao amin’ny 3 Nefia toko faha-11 izany, dia niara-namaky ny toritenin’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita izaho sy ilay mpanjaka. Dia nanolotra taminy ilay tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna aho avy eo.Ny zavatra navaliny dia raikitra ato an-tsaiko sy ato am-poko mandrakizay: “Azonao natao ny nanolotra diamondra sy vatosoa ahy, saingy tsy misy zavatra sarobidy hafa amiko mihoatra noho ity fahalalana fanampiny momba ny Tompo Jesoa Kristy ity.”

Rehefa avy nahatsapa ny herin’ny tenin’ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia, dia nanambara ilay mpanjaka hoe: “Raha miova fo sy miditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho dia hoentiko miaraka amiko ny fokoko manontolo.”

“Ry mpanjaka ô” hoy aho, “tsy tahaka izany anie no fandehany e!Ny famonjena dia an’ny tena manokana.Nanompo ny Nefita tsirairay ny Mpamonjy.Ny olona tsirairay dia mandray tenivavolombelona sy fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.”1

Sary
I Jesoa Kristy niseho tamin’ireo Nefita

Ry rahalahy sy ranabaviko, inona no lanjan’ny Bokin’i Môrmôna ho anao?Raha tolorana diamondra sy vatosoa na ny Bokin’i Môrmôna ianao dia inona no ho safidianao?Lazao ny marina, inona no manan-danja kokoa aminao?

Tsaroanareo ve fa tamin’ny fivoriana alahady maraina tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2017, ny Filoha Thomas S. Monson dia niangavy “antsika mba handalina sy hisaintsaina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro.”2 Betsaka no nanaraka ny fiangavian’ny mpaminany.

Aoka aho hiteny fa na ny tenako na i Riley izay valo taona dia tsy nahafantatra mihitsy fa hisy haka sary izahay. Mariho fa mamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny fanamariham-pejy manao hoe “Zanaky ny Ray aho” i Riley.

Sary
Ny Filoha Nelson sy i Riley mandalina soratra masina

Misy zavatra tena mahery vaika mitranga rehefa mikatsaka ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny malala ny zanak’ Andriamanitra iray.Tsy misy fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy mahery vaika kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Nanomboka tamin’ny fanamby nomen’ny Filoha Monson enim-bolana lasa izay ka hatramin’izao dia niezaka nanaraka ny toroheviny aho. Ankoatra ny zavatra natao hafa dia nanao lisitra aho momba ny hoe inona no Bokin’i Môrmôna, inona no hamafisiny, inona no laviny, inona no tanterahiny, inona no hazavainy, ary inona no hambarany. Ny mandalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’izany fijery izany dia fanao tena nahazoam-pahalalana sy fankaherezana mihitsy! Mamporisika anareo hanao toy izany koa aho.

Nandritra izany enim-bolana izany aho dia nanasa vondrona isan-karazany, tafiditra ao anatin’izany ny Rahalahiko ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, ny misiônera any Chili, ary ny filohan’ny misiôna sy ny vadin’izy ireo izay tafavory tao Argentine, mba handinika fanontaniana anankitelo momba izany izay hanasako ny fandinihanareo ihany koa anio:

Voalohany, hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna?Faharoa, inona ny zavatra tsy ho fantatrao?Ary farany, inona ny zavatra tsy ho nanananao?

Ny valinteny feno fahazotoana avy amin’ireo vondrona voalaza teo ireo dia tena avy amin’ny fo tokoa.Indreto ny sasantsasany amin’ny valintenin’izy ireo.

“Raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna dia hikorontan-tsaina aho ny amin’ireo fampianarana sy hevitra mifanipaka momba ny zavatra maro tokoa .Ho lasa tahaka ny hoe mbola tsy nahita ny Fiangonana aho, fony aho mbola nikaroka fahalalana sy finoana ary fanantenana.”

Ny anankiray hafa dia nilaza hoe: “Tsy ho nahafantatra momba ny anjara asa afaka ananan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako aho.”

Anankiray hafa: “Tsy hahatakatra mazava tsara ny tanjoko eto an-tany aho!”

Ny anankiray hafa dia nilaza hoe: “Tsy ho nahafantatra aho fa misy fivoarana tsy tapaka aorian’ity fiainana ity.Noho ny Bokin’i Môrmôna dia mahafantatra aho fa tena misy fiainana aorian’ny fahafatesana.Izany no tanjona faratampony indrindra hiasantsika.”

Izany valinteny farany izany dia nahatonga ahy handinika ny fiainako am-polotaona maro lasa izay, fony aho mpianatra mpitsabo mpandidy fo vao herotrerony.Ny iray amin’ireo andraikitra tena sarotra zakain’ny mpandidy fo indraindray dia ny mampahafantatra ny fianakaviana rehefa nodimandry ny olon-tiana iray.Tao amin’ny hôpitaly iray niasako dia natsangana ny efitrano manokana iray izay nahitana rindrina namboarina ho malemilemy mba handraisan’ny fianakaviana izany vaovao izany.Ao ny olona sasany afaka mamoaka ny alahelony, manakapokapoka ny lohany amin’ilay rindrina malemilemy.Tena naniry mafy aho hampianatra ireo olona ireo fa ny fahafatesana, na dia sarotra ho an’ny sisa tavela aza dia dingana ilaina amin’ny fisiantsika mandrakizay.Ny fahafatesana dia mamela antsika hivoatra mankany amin’ny tontolo manaraka.3

Ny iray hafa tamin’ny mpamaly ilay fanontaniana napetrako dia nilaza hoe: “Tsy nanana fiainana aho talohan’ny namakiako ny Bokin’i Môrmôna.Na dia nivavaka sy nankany amin’ny fiangonako aza aho nandritra ny fiainako manontolo, ny Bokin’i Môrmôna no nanampy ahy tena hifanerasera voalohany amin’ny Ray any An-danitra.”

Ny anankiray hafa dia nilaza hoe: “Raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna dia tsy ho nahatakatra aho fa ny Mpamonjy dia tsy nijaly ho an’ny fahotako ihany fa afaka manasitrana ny fanaintainako sy ny alaheloko ihany koa.”4

Mbola nisy anankiray hafa: “Tsy ho nahafantatra aho fa manana mpaminany mitarika antsika isika.”

Ny fandalinana lalina tsy tapaka ireo fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka hanova ny fiainantsika.Ny iray amin’ireo zafikelinay misiônera, Soeur Olivia Nelson, dia nampanantena naman’ny Fiangonana iray fa raha mamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro izy dia hihatsara ny naotiny amin’ny fanadinana any amin’ny oniversite.Namaky izy ary nihatsara ireo naoty.

Sary
Soeur Olivia Nelson

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, mijoro ho vavolombelona aho tena tenin’ Andriamanitra tokoa ny Bokin’i Môrmôna.Ahitana ny valin’ireo fanontaniana tena manan-danja indrindra amin’ny fiainana.Mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy.5 Mamelabelatra sy manazava fahamarinana “tsotra sy sarobidy”6 maro izay very nandritra ny taonjato maro sy noho ny dikantenin’ny Baiboly isan-karazany.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra ny fahatakarana feno sy manan-danja indrindra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay tsy hita n’aiza n’aiza.Mampianatra ny tena dikan’ny hoe teraka indray izany.Avy amin’ny Bokin’i Môrmôna no ahafantarantsika momba ny fanangonana an’i Isiraely niparitaka isika.Fantatsika hoe inona no antony maha-eto an-tany antsika.Ireo sy ny fahamarinana hafa dia ampianarina amin’ny fomba mahery vaika sy mandresy lahatra kokoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mihoatra noho ny ao amin’ny boky hafa.Ny hery rehetran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.Izay no izy.

Ny Bokin’i Môrmôna dia sady manazava ireo fampianaran’ny Tompo no mampibaribary ireo teti-dratsin’ny fahavalo.7 Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fotopampianarana marina mba handresena ireo fomba amam-panao ara-pivavahana diso, toy ny fanatanterahana ny batisa ho an’ny zazakely, izay fombafomba tena diso.8 Ny Bokin’i Môrmôna dia manome tanjona ny fiainana amin’ny fanentanana antsika hisaintsaina ny fahafahana mahazo fiainana mandrakizay sy “fahasambarana tsy mifarana.”9 Ny Bokin’i Môrmôna dia mandrava ny finoanoam-poana fa azo tratrarina ao anatin’ny faharatsiam-panahy ny fahasambarana10 ary ny fahatsaran’ny tena manokana no hany ilaina mba hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra.11 Manafoana tanteraka ny foto-kevitra diso ilay izy fa ny fanambarana dia nifarana tamin’ny Baiboly ary ny lanitra dia mikatona amin’izao fotoana izao.

Rehefa mieritreritra momba ny Bokin’i Môrmôna aho diamieritreritra momba ny teny hoe hery.Ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mamerina amin’ny laoniny, manavotra, mampatanjaka, mampionona, ary mamelombelona ny fanahintsika.

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vanin’andro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.

Isaky ny maheno olona, ka tafiditra amin’izany ny tenako, milaza hoe “Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna,” aho dia te hihiaka mafy hoe, “Tsara be izany, kanefa tsy ampy!” Mila mahatsapa lalina, hatrany amin’ny “aty fo indrindra” isika,12 fa tsy azo hiadian-kevitra ny maha tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Tsy maintsy mahatsapa izany lalina tokoa isika hany ka tsy tiantsika hisy na dia andro iray aza tsy amakiana azy. Hiteny ny voalazan’ny Filoha Brigham Young amin’ny alalan’ny teniko manokana aho hoe: “Inay anie aho nanana feom-baratra mahery mba hamohazana ny olona”13 ny amin’ny fahamarinana sy herin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mila isika ho tahaka ity misiônera tanora manompo any Eorôpa ity izay tena manome lanja lalina ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna hany ka mihazakazaka ara-bakiteny miaraka amin’ny tahadikan’io rakitsoratra masina io mihitsy izy mba homena ilay lehilahy ao amin’ny valan-javaboahary.

Sary
Misiônera miazakazaka

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Joseph Smith no mpaminany ary mbola ilay mpaminanin’ity fotoampitantanana farany ity.Izy no nandika teny io boky masina io, tamin’ny alalan’ny hery sy fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra. Io no ilay boky hanampy antsika hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Zanakalahy ara-bakinteny velona an’ny Andriamanitsika velona. Izy no Mpamonjy, Mpanavotra, Ohatra lehibe, ary Mpisolovava antsika ao amin’ny Ray.Izy no ilay Mesia nampanantenaina, ilay Mesia tety an-tany, ary ho Izy ilay Mesian’ny Arivotaona.Mijoro ho vavolombelona amin’ny fanahiko manontolo aho fa amin’ny fomba feno fahagagana sy miavaka indrindra no ampianaran’ny Bokin’i Môrmôna antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany .

Fantatro fa ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany amin’izao fotoana izao. Tiako sy tohanako amin’ny foko manontolo izy.Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Lisitra nataon’ny Filoha Nelson momba ny Bokin’i Môrmôna?

Ny Bokin’i Môrmôna dia:

  • Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy Ireo nanoratra betsaka indrindra tao, dia i Nefia, Jakoba, Môrmôna, Môrônia, ary i Joseph Smith izay nandika teny ny boky dia vavolombelona nanatri-maso ny Tompo daholo.

  • Rakitsoratra mirakitra ny asa fanompoany ny vahoaka niaina tao Amerika fahiny.

  • Marina, araka ny nambaran’ny Tompo.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manamafy:

  • Ny maha-olona roa miavaka an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny malala.

  • Ny nilana ny Fahalavoan’i Adama sy ny fahendren’i Eva, mba hahazoan’ny olona fifaliana.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mandiso ny fiheverana fa:

  • Nifarana tamin’ny Baiboly ny fanambarana.

  • Mila atao batisa ny zazakely.

  • Afaka hita ao anatin’ny faharatsiam-panahy ny fahasambarana.

  • Ny fahatsaran’ny tena manokana dia ampy mba hahazoana ny fisandratana ( mila ôrdônansy sy fanekempihavana).

  • Ny fahalavoan’i Adama dia mandoto ny olombelona amin’ilay “fahotana voalohany.”

Ny Bokin’i Môrmôna dia manatanteraka ireo faminaniana manambara fa:

  • Ny “ondry hafa” dia haheno ny feony.

  • Hanao “asa mahatalanjona sy mahagaga” Andriamanitra, hiteny “avy ao amin’ny vovoka.”

  • Ny “tapa-kazon’i Joda” sy ny “tapa-kazon’i Josefa” dia hitambatra.

  • Isiraely niparitaka dia ho voahangona “amin’ny andro farany” ary ny fomba hanatanterahana izany.

  • Ny tany nampanantenaina ny taranak’i Josefa dia ny ilabolantany andrefana.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manazava fahatakarantsika momba ny:

  • Fiainana talohan’ny nahaterahana.

  • Fahafatesana. Singa ilaina amin’ny drafitry ny fahasambarana lehiben’ Andriamanitra izany.

  • Manomboka ao am-paradisa ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

  • Ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty, miaraka atamabatra amin’ny fanahy indray, dia lasa olona tsy mety maty.

  • Ny fitsaran’ny Tompo antsika dia araka ny asa sy ny fanirian’ny fontsika.

  • Ireo fomba araka ny tokony ho izy hanaovana ireo ôrdônansy: ohatra, ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Ny Fitsanganana tamin’ny maty.

  • Ny anjara asa manan-danjan’ireo anjely.

  • Ny maha-mandrakizain’ny fisoronana.

  • Ny fitondrantenan’ny olombelona dia voataona kokoa amin’ny alalan’ny herin’ny teny noho ny amin’ny alalan’ny herin’ny sabatra.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manambara fahalalana izay mbola tsy fantatra hatrizay:

  • Efa notanterahina talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ny batisa.

  • Nanangana sy nampiasa tempoly ny vahoaka tany Amerika fahiny.

  • I Josefa, zanakalahin’i Isiraely faha-iraika ambin’ny folo dia naminany ny haha-mpaminany an’i Joseph Smith.

  • I Nefia (600–592 talohan’ny nahaterahan’i J.K.) dia naminany ny hahahitana sy ny hanjanahana an’i Amerika.

  • Nesorina tao amin’ny Baiboly ireo ampahany tsotra sy sarobidy.

  • Omena ny olona rehetra ny fahazavan’i Kristy.

  • Ny maha-manan-danja ny fahafahan’ny tena manokana misafidy ary ny ilana ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra.

  • Fampitandremana momba ny “tsikombakomba miafina.”