2010–2019
“Manana asa ho anao Aho”
Ôktôbra 2017


“Manana asa ho anao Aho”

Isika tsirairay dia manana anjara asa lehibe hotanterahina ao amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra.

Nanambara tamin’ i Mosesy Andriamanitra hoe: “Manana asa ho anao aho” (Mosesy 1:6). Efa nanontany tena ve ianao hoe manana asa ho anao ve ny Ray any An-danitra? Misy zavatra manan-danja ve nomaniny mba hovitainao, ary ianao manokana no nanomanany azy? Mijoro ho vavolombelona aho hoe “eny” ny valiny.

Sary
Girish Ghimire

Diniho i Girish Ghimire, izay teraka sy nobeazina tao amin’ny firenena Népal. Fony izy zatovo, dia nianatra tany Sina izy, ary tany no nampahafantaran’ny mpiara-mianatra iray azy ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Tamin’ny farany i Girish dia nankany amin’ny Oniversite an’ i Brigham Young mba hanao asa ahazoana diplaoma ka nahita ilay ho vadiny any aoriany. Nanori-ponenana tao amin’ny Lemak’i Salt Lake izy ireo ary nanangana zanaka roa avy any Népal.

Taona maro taty aoriana, rehefa nafindra ho any Utah ny mpitsoa-ponenana avy amin’ny tobin’i Népal miisa 1 500,1 dia nentanim-panahy i Girish mba hanampy. Noho ny fahaizany miteny tsara ny tenim-pireneny sy ny fahatakarany ny kolontsaina, dia niasa ho mpandika teny sy mpampianatra ary mpampiofana i Girish. Rehefa avy niverina niara-nonina teo anivon’ilay vondrona mpiara-monina izy ireo, dia naneho fahalianana tamin’ny filazantsara ny sasany tamin’ireo mpitsoa-ponenana avy any Népal. Natsangana ny sampana iray miteny Népalais, ary taty aoriana dia i Girish no filohan’io sampana io. Izy ihany koa dia navitrika nandray anjara tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Népalais.

Sary
Girish Ghimire miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny Népalais

Hitanareo ve ny fomba nanomanan’ny Ray any An-danitra sy nampiasany an’i Girish?

Manana asa ho antsika tsirairay Andriamanitra.

Ry rahalahy sy anabavy, manana asa manan-danja ho antsika tsirairay Andriamanitra. Teo am-piresahan’ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ ireo rahavavy, kanefa nampianatra fahamarinana azon’ny rehetra ampiharina, dia nampianatra izy hoe: “Talohan’ny niaviantsika tety [an-tany, isika] dia nomena andraikitra. … Na dia tsy tsaroantsika aza ankehitriny ny antsipiriany dia tsy mampihena ny voninahitry ny tena fisian’ny zavatra izay efa nekentsika tany aloha tany izany.”2 Fahamarinana mankahery erỳ izany! Manana zavatra manokana sy manan-danja mba hovitaintsika sy ianao ny Ray any An-danitra (jereo ny Efesiana 2:10).

Ireo andraikitra masina ireo dia tsy natokana ho an’ny olom-bitsy niangarana fa natao ho antsika rehetra, tsy mijery hoe lahy na vavy, tsy mijery karazan’olona na firenena niaviana na habetsaky ny karama na ny toerana eo amin’ny fiaraha-monina na ny antso ao am-piangonana. Isika tsirairay dia manana anjara asa lehibe hotanterahina ao amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra (jereo ny Mosesy 1:39).

Ny sasany amintsika dia mametra-panontaniana hoe ny Ray any An-danitra ve dia afaka mampiasa antsika mba hitondra anjara biriky manan-danja. Kanefa tsarovy fa nampiasa olona tsotra hatrany Izy mba hanatanterahana zavatra mampitolagaga (jereo ny 1 Korintiana 1:27–28; F&F 35:13; 124:1). “[Isika] dia manao safidy ho an’ny tenan[tsika]” ary “ao amin[tsika] ny hery” izay “hahatonga fahamarinana fatratra” (F&F 58:27–28).3

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Mieritreritra ny aminao bebe kokoa ny Tompo noho ny fieritreretanao ny amin’ny tenanao ihany! Natokana sy notehirizina ianao ho an’izao fotoana sy toerana izao. …

“Mila anao mba hanova izao tontolo izao ny Tompo. Rehefa ekenao sy arahanao ny sitrapony momba anao, dia ho hitanao fa hahavita izay tsy azo tanterahina ianao!”4

Ka ahoana ary no hahatakarantsika sy hanatanterahantsika ilay asa izay kasain’ Andriamanitra mba hataontsika? Mamelà ahy hizara fitsipika efatra izay hanampy antsika.

Mifantoha amin’ny hafa

Voalohany, mifantoha amin’ny hafa. Afaka manaraka an’i Kristy isika, “izay nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apôstôly 10:38; jereo koa ny 2 Nefia 26:24).

Taorian’ny niverenako avy nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno, dia nalahelo ny tanjona apetraka isan’andro izay nankafiziko aho. Nazava fa nila nitandrina ireo fanekempihavanana nataoko aho sy nandranto fianarana, nanorina tokantrano ary nanana asa fivelomana. Kanefa nanontany tena aho hoe nisy zavatra ambonin’ izany ve, na zavatra tena miavaka mihitsy aza, izay tian’ny Tompo hataoko. Rehefa avy nisaintsaina nandritra ny volana maro aho, dia nahita ity andinin-tsoratra masina ity: “Raha irinareo, dia ianareo no ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be amin’ ity taranaka ity” (F&F 11:8). Nanampy ahy ny Fanahy Masina mba hahatakatra fa ny tanjona voalohan’ny andraikitra masina dia ny hitahy ny hafa amin’ny “fanaovan-tsoa be”.

Azontsika raisina ao amin’ny sahankevitry ny fanampiana ny hafa ireo fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainantsika, toy ny hoe inona ny fianarana hatao, inona ny asa atao, na aiza no hipetraka.

Nifindra hankany amin’ny tanàna iray hafa ny fianakaviana iray. Tsy nitady trano tany amin’ny faritra manan-karena izy, fa nahatsapa kosa fitaomana hipetraka amin’ny faritra izay sahirana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Rehefa nandeha ny taona maro, dia niasa tamin’ny alalan’ izy ireo ny Tompo mba hanampiana olona maro sy mba hanorina ny paroasy sy ny tsatòkan’ izy ireo.

Nanao ny asany araka ny fanao mahazatra ny mpitsabo iray kanefa nahatsapa fitaomana izy mba hanokana andro iray isan-kerinandro mba hitsabo maimaim-poana ireo olona izay tsy manana antoka ara-pahasalamana. Noho ny finiavan’ io lehilahy io sy ny vadiny hitahy ny hafa, dia nanome fomba ho azy ireo ny Tompo mba hanampiana marary an-jatony maro izay sahirana sady manabe ireo zanany maro ihany koa.

Fantaro sy ampitomboy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy

Faharoa, fantaro sy ampitomboy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy Nanome antsika ireo fanomezam-pahasoavana ireo ny Ray any An-danitra mba hanampiany antsika hamantatra sy hanatanteraka ary hankamamy ilay asa izay nataony ho antsika.

Manontany tena ny sasany amintsika hoe: “Mba manana fanomezam-pahasoavana ve aho?” Averiko indray, eny! ny valiny. “Ny olona tsirairaydia omen’ny Fanahin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana … mba hahazo tombontsoa amin’ izany ny rehetra” (F&F 46:11–12; nampiana fanamafisana).5 Maro ny fanomezam-pahasoavana voarakitra ao amin’ny soratra masina (jereo ny 1 Korintiana 12:1–11, 31; Môrônia 10:8–18; F&F 46:8–26), kanefa mbola misy maro hafa ihany koa.6 Ny sasany amin’izany dia mety ahitana ny fananana fitserana, ny fanehoana fanantenana, ny fifandraisana tsara aman’olona, ny fahaizana mandrindra amin’ny fomba mahomby, ny fitenenana na fanoratana feno fandresen-dahatra, ny fampianarana mazava tsara, ary ny fiasana mafy.

Koa ahoana ary no hahatonga antsika hahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika? Azontsika jerena ny tsodranon’ny patriarika ho antsika, afaka anontaniantsika ireo izay mahafantatra tsara antsika, ka hamantatra manokana isika hoe inona no haintsika ho azy sy tiantsika. Ary ny tena manan-danja indrindra, dia afaka manontany an’ Andriamanitra isika (jereo ny Jakôba 1:5; F&F 112:10). Fantany ny fanomezam-pahasoavana ananantsika, satria Izy no nanome azy ireny antsika (jereo ny F&F 46:26).

Rehefa hitantsika ny fanomezam-pahasoavana ananantsika, dia manana andraikitra hampitombo azy ireny isika (jereo ny Matio 25:14–30). I Jesoa tenany dia “tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana fa [nitombo] ny fahasoavana niampy fahasoavana” (F&F 93:13).

Sary
Sary hosodoko maneho ny Mpamonjy nataon’i Ben Simonsen

Manao sary mba hampahafantarana ireo soatoavina ara-pivavahana ny zatovolahy iray. Ny tiako indrindra amin’ izany dia ny sarin’ny Mpamonjy, izay mihantona ao an-tranonay ny tahadikany. Nampitombo sy nampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananany amin’ny haikanto io rahalahy io. Niasa tamin’ny alalany ny Ray any An-danitra mba hankaherezana ny hafa mba hanatsara kokoa ny maha mpianatry ny Tompo azy ireo.

Indraindray isika dia mahatsapa fa tsy manana fanomezam-pahasoavana manan-danja manokana. Indray andro ny rahavavy iray feno hakiviana dia nitalaho hoe: “Tompo ô! Inona no asa fanompoako manokana?” Namaly Izy hoe: “Ny mahatsikaritra ny hafa.” Fanomezam-pahasoavana ara-panahy izany! Nanomboka teo dia nahitany fifaliana ny mahatsikaritra ny fisian’ ireo izay adino matetika, ary niasa tamin’ny alalany Andriamanitra mba hitahiana olona maro. Raha toa ny sasany amin’ ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika mety tsy hahatonga antsika ho olona miavaka araka ny fenitr’ izao tontolo izao, dia tena manan-danja izy ireny amin’ Andriamanitra sy ny asany.7

Ampiasao ny fotoan-tsarotra

Fahatelo, ampiasao ny fotoan-tsarotra Ireo fisedrana mahazo antsika dia manampy antsika hahita sy hiomana ho amin’ ilay asa izay omanin’ Andriamanitra ho antsika. Nanazava i Almà hoe: “Taorian’ny fijaliambe, … ny Tompo … nanao ahy ho fitaovana teo an-tànany” (Môsià 23:10).8 Tahaka ny Mpamonjy, izay ny sorompanavotana nataony no ahafahany manampy antsika (jereo ny Almà 7:11–12), isika koa dia afaka mampiasa ny fahalalana azo tamin’ny traikefa sarotra mba hampitrakana sy hampatanjahana ary hitahiana ny hafa.

Taorian’ny nandroahana ny mpiandraikitra iray amin’ny Ressources Humaines, dia namaky ny tsodranon’ny patriarika nomena azy izy ka nahatsapa fitaomam-panahy hanangana orinasa mba hanampiana ny hafa amin’ny fitadiavana asa. (Nanampy ahy mihitsy aza izy hahita asa rehefa niverina avy nanao asa fitoriana ny fianakaviako.) Nampiasain’ny Tompo ny fitsapana nolalovany mba ho fitaovana nentina nitahiana ny hafa, sady nahazoany asa manan-danja kokoa.

Maty teo am-pahaterahana ny zanaky ny mpivady vao iray. Tamin’ny fo torotoro no nanapahan’ izy ireo hevitra fa hanome voninahitra ilay zanany vavy izy ireo amin’ny fanomezana torohevitra sy fitaovana mba hanampiana ireo ray aman-dreny izay miaina toe-javatra mitovy amin’ izany. Niasa tamin’ny alalan’ io mpivady io ny Tompo noho ny fahaizan’ izy ireo maka ny toeran’ny hafa, izay nitombo tanatin’ny fotoan-tsarotra.

Miantehera amin’ Andriamanitra

Ary fahefatra, miantehera amin’ Andriamanitra. Rehefa manontany Azy amin’ny tena finiavana isika, dia haneho amintsika ny andraikitsika masina Izy.9 Rehefa fantatsika ireo andraikitra ireo, dia hanampy antsika Izy hanatanteraka izany. “Ny zavatra rehetra dia eo anoloan’ny maso[ny]” (F&F 38:2); jereo koa ny Abrahama 2:8), ary amin’ny fotoana mampety azy dia hanokatra ireo varavarana izay ilaintsika Izy (jereo ny Apokalypsy 3:8). Nalefany mihitsy aza i Jesoa Kristy Zananilahy, mba hahafahantsika miankin-doha Aminy mba hahazo hery mihoatra noho izay fahafahantsika ara-boajanahary (jereo ny Filipiana 4:13; Almà 26:12).

Ny rahalahy iray, izay sahiran-tsaina tamin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana teo an-toerana dia nahatsapa fa tokony hilatsaka ho mpitondra fanjakana. Na dia nahakivy aza ny fizotry ny fampielezan-kevitra, dia nampiasa finoana izy sady nanangona olona hanampy azy hilatsaka. Tamin’ny farany dia tsy naharesy izy kanefa tsapany fa ny Tompo dia nanome azy fitarihana sy hery mba hampahafantarana ireo olana izay manan-danja teo amin’ ilay fiaraha-monina.

Ny renim-pianakaviana iray tsy manam-bady, izay mitaiza zaza misy olana ara-pitomboana dia nametra-panontaniana hoe afaka nanome izay ilain’ny fianakaviany araka ny tokony ho izy ve izy sa tsia. Na dia sarotra aza izany, dia nahatsapa izy fa nampatanjahin’ny Tompo mba hanatanterahany am-pahombiazana ny asa manan-danja indrindra nanirahana azy.

Teny fampitandremana

Amin’ny fotoana izay hanampian’ Andriamanitra antsika hanatanteraka andraikitra masina, dia miezaka ny fahavalo hanary dia antsika sy handresy lahatra hoe tsisy dikany ny fiainana.

Ny fahotana angamba no vato mahatafintohina lehibe indrindra ho antsika, izay mampihena ny fahaizantsika mahatsapa ny Fanahy Masina sy misakantsakana ny fahazoantsika hery ara-panahy. Mba hanatanterahantsika ilay asa nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika, dia tokony hiezaka ny ho madio isika (jereo ny 3 Nefia 8:1). Moa ve isika miaina amin’ny fomba izay ahafahan’ Andriamanitra miasa amin’ny alalantsika?

I Satana koa dia miezaka ny manary dia antsika amin’ny zavatra izay tsy manan-danja kokoa. Nampitandrina ireo mpitarika ny Fiangonana iray taloha ny Tompo hoe: “Fa ny sainao dia nirona kokoa tamin’ny zavatry … sy ny asa fanompoana izay efa niantsoana anao” (F&F 30:2). Moa ve isika sahiran-tsaina amin’ny zavatr’ izao tontolo izao hany ka nivily tsy hifantoka amin’ny andraikitsika masina?

Fanampin’ izany i Satana dia manakivy antsika amin’ny fahatsapana ho tsy mahavita azy. Ataony ho toy ny hoe sarotra na mampihemotra ilay asantsika. Na izany aza dia afaka matoky an’ Andriamanitra isika! Tia antsika Izy. Tiany hahomby isika. Izy “no mandeha eo alohan[tsika]; ary Izy no hiaraka amin[tsika], tsy handao an[tsika] … Izy” (Deoteronomia 31:8; jereo koa ny Salamo 32:8; Ohabolana 3:5–6; Matio 19:26; F&F 78:18).

Mety handresy lahatra antsika koa i Satana mba hijery ny asantsika ho latsa-danja noho ny asa nampandraiketina ny hafa. Kanefa ny andraikitra rehetra avy amin’ Andriamanitra dia manan-danja avokoa, ary hahita fahombiazana isika rehefa “mirehareha [ … ] ny amin’ izay efa andidian’ny Tompo [antsika]” (Almà 29:9).

Rehefa miasa amin’ny alalantsika Andriamanitra, dia mety haka fanahy antsika ilay fahavalo mba hitady sitraka isaky ny zava-bita. Na dia izany aza dia azontsika alain-tahaka ny fanetrentenan’ny Mpamonjy amin’ny fialana amin’ny fidokan-tena sy amin’ny fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra (jereo ny Matio 5:16; Mosesy 4:2 Rehefa niezaka ny hanome fankasitrahana an’i Mère Théresa ny mpanao gazety iray noho ny fiainana natokany hanampiana ny mahantra, dia hoy ny navaliny hoe: “Asan’ [Andriamanitra] izany. Toy ny pensily eo ampelan-tanany … aho. … Izy no mieritreritra. Izy no manoratra. Tsy misy idiran’ ilay pensily mihitsy izany. Mila avela ho ampiasaina fotsiny ilay pensily.”10

Famaranana

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, manasa antsika tsirairay aho mba “[hanolotra] ny tenan[tsika] ho an’ Andriamanitra … ho fiadian’ny fahamarinana” (Romana 6:13). Ny hoe manolotra ny tena dia ahitana ny fampahafantarantsika Aminy fa te ho ampiasaina isika, ny fikatsahana ny fitarihany, ary ny fahazoana ny heriny.

Araka ny mahazatra, dia afaka mitodika any amin’ ilay ohatra tonga lafatra ho antsika isika, dia i Jesoa Kristy. Tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia nanontany ny Ray any An-danitra hoe: “Iza no hirahako?”

Ary namaly i Jesoa Kristy hoe: “Inty Aho, iraho Aho” (Abrahama 3:27; jereo koa ny Isaia 6:8).

I Jesoa Kristy dia nanaiky sy niomana ary nanatanteraka ilay anjara asany efa notendrena mialoha mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Nanao ny sitrapon’ny Ray Izy (jereo ny Jaona 5:30; 6:38; 3 Nefia 27:13) ary nanatanteraka ny andraikiny masina.

Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ i Kristy isika sy manolotra ny tenantsika ho an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aho fa hampiasa antsika koa Izy mba hampandrosoana ny asany sy hitahiana ny hafa. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Refugee Processing Center, “Admissions and Arrivals,” ireports.wrapsnet.org/Interactive-Reporting.

  2. Spencer W. Kimball, “The Role of Righteous Women,” Ensign, nôv. 1979, 102.

  3. Namporisika ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Minoa ny tenanao. Minoa ny fahafahanao mamita zavatra … goavana. … Zanaky ny Ray ianao, izay manana fahafaha-manao tsy manam-petra” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Gordon B. Hinckley (2016), 77).

  4. Russell M. Nelson, Accomplishing the Impossible: What God Does, What We Can Do (2015), 147.

  5. Nilaza ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

    “Hitan’ny Raintsika any An-danitra ny tena hery ao anatintsika. Mahafantatra zavatra mikasika antsika, izay tsy fantatsika akory Izy. Mitarika antsika Izy mandritra ny androm-piainantsika mba hahatratrarantsika ny tanjon’ny nahariana antsika. …

    “Koa aoka isika ho tapa-kevitra ny hanara-dia ny Mpamonjy ary hiezaka amim-pahazotoana ho lasa ilay olona izay natao hahatongavantsika. Aoka isika hihaino sy hankato ireo bitsiky ny Fanahy Masina. Rehefa manao izany isika dia ho ambaran’ny Ray any An-danitra amintsika ireo zavatra izay mbola tsy fantatsika momba ny tenantsika. Hasehony antsika ny lalana ary hanampy antsika Izy mba hahitantsika ireo talentantsika miafina sy tsy azontsika an-tsaina akory angamba” (“Mikasika ny nenina sy ny fanapahan-kevitra,” Liahona, nôv. 2012, 22, 23).

  6. Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie fa: “Ny fanomezana ara-panahy dia tsy mana-petra amin’ny isa ary tsy mana-pahatamperana amin’ny karazany. Ireo izay voatanisa ao amin’ilay teny nambara dia fanehoana fotsiny ihany ny firotsahana tsy manam-petran’ny fahasoavan’ Andriamanitra izay omen’ny Andriamanitra be fahasoavana ho an’ireo izay tia sy manompo Azy” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 371).

  7. Nampianatra ny Loholona Marvin J. Ashton hoe:

    “Raha raisina an-kisendrasendra fotsiny dia mamelà ahy hilaza fanomezam-pahasoavana vitsy izay tsy voatery mibaribary sy hita miavaka foana kanefa tena manan-danja tokoa. Mety ho anisan’izany ireo fanomezam-pahasoavana anananao, fanomezam-pahasoavana tsy tena mibaribary kanefa tena misy sy sarobidy na izany aza.

    “Andeha isika hijery indray ireo fanomezam-pahasoavana tsy dia miavaka be loatra ireo: ny fanomezam-pahasoavan’ny fangatahana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahenoana sy fampiasana ilay feo tony sy malefaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana mitomany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny fifandirana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mifanaraka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny famerimberenana fahatany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina; ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana; ny fanomezam-pahasoavan’ny maha-mpianatra, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona matanjaka; ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisana ny Fanahy Masina” (“There Are Many Gifts,Ensign, nôv. 1987, 20).

  8. Nampianatra koa i Paoly hoe: “[Andriamanitra] mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra anay” (2 Korintiana 1:4).

  9. Nanazava ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Manana drafitra manokana ho an’ny fiainanao Andriamanitra. Hanambara ny ampahan’izany drafitra izany aminao izy rehefa mitady izany amim-pinoana sy amim-pankatoavana tsy tapaka ianao” (“How to Live Well amid Increasing Evil,” Liahona, Mey 2004, 102).

  10. Mère Théresa , in Edward W. Desmond, “Interview with Mother Teresa: A Pencil in the Hand of God,” Time, Dec. 4, 1989, time.com.