2010–2019
Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra
Ôktôbra 2017


Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra

Raha maniry ny hitoetra ao amin’i Kristy isika ary mampitoetra Azy ao amintsika, dia ny fahamasinana no katsahintsika.

Ny ampitson’ny namahanan’i Jesoa tamim-pahagagana ireo olona dimy arivo tao Galilia tamin’ny “mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa”1 fotsiny ihany dia niresaka tamin’ireo olona ireo indray Izy tao Kapernaomy. Tsikaritry ny Mpamonjy fa maro be ireo izay tsy dia liana loatra tamin’ny fampianarany fa liana kokoa ny mba hofahanana indray.2 Vokatr’izany dia niezaka Izy nandresy lahatra azy ireo ny amin’ny lanjan “ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo” izay lehibe lavitra noho izany.3 Nanambara i Jesoa hoe:

“Izaho no mofon’aina.

“Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.

“Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.

“Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”4

Ny zavatra tena tian’ny Mpamonjy nolazaina dia tsy takatr’ireo mpihaino azy tanteraka, izay tsy nahatakatra afa-tsy ara-bakiteny ihany ny zavatra nolazainy. Rehefa nampihoronkoditra azy ireo ny fieritreretana izany dia nanontany tena izy ireo hoe: “Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?”5 Nohazavain’i Jesoa misimisy kokoa io fitsipika io:

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.

“Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.

“Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.”6

Dia nolazainy avy eo ny hevitra lalina nofonosin’ilay sarin-teny nampiasainy:

“Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.

“Ary tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.”7

Tsy mbola takatr’ireo mpihaino Azy ihany izay nolazain’i Jesoa, ary “maro tami[ny] … , nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? … [Ary] maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.”8

Ny fihinanana ny nofony sy ny fisotroana ny rany dia fomba iray tsy mahazatra entina milaza ny fomba tokony hampidirantsika tanteraka ny Mpamonjy ao amin’ny fiainantsika, ao anatin’ny maha-isika antsika mihitsy, mba ho iray isika. Ahoana no hitrangan’izany?

Voalohany dia mahatakatra isika fa rehefa nanao sorona ny nofony sy ny rany i Jesoa dia nanao asa fanavotana noho ny fahotantsika sy nandresy ny fahafatesana, na ara-batana na ara-panahy.9 Mazava tsara izany avy eo fa mandray ny nofony sy misotro ny rany isika rehefa mandray avy Aminy ny hery sy ny fitahian’ny Sorompanavotany.

Ny fotopampianaran’i Kristy dia milaza ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny fahasoavana manavotra. Izany dia ny finoana an’i Kristy, ny fibebahana sy ny fanaovana batisa, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina, “ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ ny alalan’ ny afo sy ny Fanahy Masina.”10 Io no vavahady, ny fomba hahazoantsika mahazo ny fahasoavana manavotry ny Mpamonjy sy hidirana ao amin’ny lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ ny fanjakany.

“Koa raha mibosesika handroso [eo amin’ilay lalana] ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”

“… Ary ankehitriny, indro izany no fotopampianaran’ i Kristy, ary ny hany fotopampianarana marina an’ ny Ray sy an’ ny Zanaka ary an’ ny Fanahy Masina izay Andriamanitra iray, tsy manam-pahataperana.”11

Ny tandindon’ny fanasan’ny Tompo tamin’ny Sakafo harivan’ny Tompo dia kanto raha dinihina. Ny mofo sy ny rano dia maneho ny nofo sy ny ran’Ilay Mofon’aina sy Ilay Rano velona,12 izay mampahatsiahy antsika amim-pangorahana ny sarany nefainy mba hanavotana antsika. Rehefa vakina ny mofo dia tsaroantsika ny nofon’ny Mpamonjy izay rotidrotika. Indray mandeha ny Loholona Dallin H. Oaks dia nilaza hoe “koa satria vakina sy potipotehina ilay izy dia miavaka ny sila-mofo tsirairay, tahaka ny maha-miavaka ny isam-batan’olona izay mandray izay. Samy manana ny fahotana tokony hibebahantsika isika rehetra. Samy manana ny zavatra ilaintsika izay tokony hampatanjahana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo, izay tsaroantsika ao anatin’io ôrdônansy io isika.”13 Rehefa misotro ny rano isika dia mieritreritra ny ra izay nalatsany tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana ary ny hery manamasina ananan’izany.14 Ny fahafantarantsika fa “tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ ny fanjakana,” dia mahatonga antsika hanapakevitra ny ho isan’ “ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ ny ra[n’ny Mpamonjy], noho ny finoany sy ny fibebahana tamin’ ny fahotany rehetra ary ny fahatokiany hatramin’ ny farany.”15

Efa niresaka mikasika ny fandraisana ny fahasoavana manavotry ny Mpamonjy aho, izay manaisotra ny fahotantsika sy ny vokatr’ireo fahotana ireo ao amintsika. Kanefa ny fihinanana ara-tsariteny ny nofony sy ny fisotroana ara-tsariteny ny rany dia ny fiezahana hanana ao anaty ny zavatra tsara sy ny toetra ananan’i Kristy, ny fanaisorana ny maha-olona araka ny nofo ka lasa Olomasina “amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”16 Rehefa mandray ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo isika isan-kerinandro dia hiezaka kokoa isika ny hieritreritra tsara ny fomba tsy maintsy hampidirantsika feno sy tanteraka ny toetrany sy ny lamin’ny fiainany tsy nisy fahotana eo amin’ny fiainantsika sy ny fisiantsika. Tsy afaka nanao fanavotana hamafana ny otan’ny hafa i Jesoa raha tsy hoe tsy nanam-pahotana ny tenany. Koa satria tsy nanan-javatra notakina taminy ny fahamarinana, dia afaka nanolotra ny tenany hisolo antsika Izy mba hanome fahafaham-po ny fahamarinana ary avy eo dia hanolotra famindram-po. Rehefa mahatsiaro sy manaja ny sorompanavotany isika dia tokony handinika ihany koa ny fiainany izay tsy nisy fahotana.

Izany dia midika fa tsy maintsy miezaka mafy isika ny hanatanteraka ny anjarantsika. Tsy afaka ny ho faly hijanona fotsiny tahaka izao isika fa tsy maintsy mandroso tsy tapaka mankany amin’ “ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy.”17 Tahaka ny rain’ny Mpanjaka Lamônia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, isika dia tokony ho vonona ny hamoy ny fahotantsika rehetra18 ka hifantoka amin’ny zavatra andrasan’ny Tompo amintsika tsirairay sy miaraka.

Vao haingana no nisy namana iray nitantara tamiko ny zavatra niainany nandritra ny naha-filohan’ny misiôna azy. Nandalo fandidiana izay nilàna herinandro maromaro nakana aina izy. Nandritra ny fotoana niandrasany ny fahasitranany dia nanokana fotoana handalinana ny soratra masina izy. Indray tolakandro raha mbola nisaintsaina ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia toko-faha 27 izy, dia resin-tory tsimoramora. Dia nitantara izy avy eo hoe:

“Tafalatsaka tao anatin’ny nofy iray aho izay nampahitana ahy manontolo ny fiainako tamin’ny fomba miavaka. Naseho ahy ny fahotako, ireo safidy ratsiko, ireo fotoana … tsy nananako faharetana tamin’ny olona, sy ny fanadinoako ireo zavatra tsara tokony ho nolazaiko na nataoko. … Naseho ahy tao anatin’ny minitra vitsy monja, kanefa toa lavalava kokoa noho izany, ny [fijerena] … manontolo … ny fiainako. Nifoha tamim-pahatairana aho dia … namoritra teo no ho eo ny lohaliko teo antsisin’ny fandriana ka nanomboka nivavaka, mba hitalaho famelan-keloka, namboraka ny zavatra tsapako tao am-poko tamin’ny fomba izay tsy mbola nataoko hatrizay.

Mialoha ilay nofy dia tsy fantatro fa tena nila nibebaka be toy izany aho. Nanjary hitako mazava tsara tampoka teo ny fahadisoako sy ny fahalemeko ka [toy] ny an-tapitrisana kilaometatra ny elanelana nisy teo amin’ilay izaho tamin’izany sy ny fahamasinana sy ny hatsaran’ Andriamanitra. Tao anatin’ny vavaka nataoko tamin’io harivariva io dia nilaza ny fankasitrahako lalina indrindra ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy tamin’ny foko manontolo aho noho izay nataon’Izy Ireo ho ahy sy noho ny fifandraisako tena lalaiko amin’ny vadiko sy ny zanako. Teo am-pandohalihako dia tsapako ihany koa ny fitiavana sy ny indrafon’ Andriamanitra izay tena lalina, na dia teo aza ny fahatsapako ho tena tsy mendrika. …

“Azoko lazaina fa niova aho nanomboka tamin’io andro io. … Niova ny foko. … Vokatr’io zavatra niainana io dia lasa nahatakatra kokoa izay mahazo ny hafa aho, sy nanana fahaiza-mitia bebe kokoa, ary niaraka tamin’ny fahatsapana hamehana hitory ny filazantsara. … Afaka nahatakatra, mihoatra lavitra noho ny teo aloha, ilay hafatry ny finoana sy ny fanantenana ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho.”19

Zava-dehibe ny mahafantatra fa ny fampahafantaran’io lehilahy tsara io tamin’ny fomba miavaka ny fahotany sy ny fahadisoany dia tsy nahaketraka na nitarika azy ho amin’ny fahakiviana. Ekena fa taitra sy nalahelo izy. Tsapany fa tena nila nibebaka mafy izy. Nampianarina nanetry tena izy, kanefa nahatsapa fankasitrahana sy fiadanana ary fanantenana, fanantenana tena izy, noho i Jesoa Kristy, “ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra.”20

Niresaka momba ilay elanelana nisy teo amin’ny fiainany sy ny fahamasinan’ Andriamanitra ilay namako. Ny Fahamasinana raha ny marina kokoa. Ny fihinanana ny nofo sy ny fisotroana ny ran’i Kristy dia midika hoe mikatsaka ny fahamasinana. Mandidy Andriamanitra hoe: “Ho masina hianareo, satria masina Aho.”21

Nanoro hevitra antsika i Enôka hoe: “Koa ampianaro ny zanakao izao fa ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka, fa raha tsy izany dia tsy afaka mandova mihitsy ny fanjakan’ Andriamanitra izy, fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany; fa amin’ ny fitenin’ i Adama dia Lehilahin’ ny Fahamasinana no anarany ary ny anaran’ ny Lahitokany dia Zanak’ Olona, dia i Jesoa Kristy.”22 Fony aho zazalahikely dia nanontany tena aho hoe nahoana i Jesoa ao amin’ny Testamenta Vaovao no antsoina matetika (ary miantso ny tenany mihitsy aza) hoe ny Zanak’ Olona kanefa tena Ilay Zanak’ Andriamanitra Izy, kanefa ny zavatra nolazain’i Enôka dia manazava izany hoe ireo anarana fiantsoana ireo, raha ny marina, dia fanekena ny maha-Andriamanitra Azy sy ny fahamasinany. Izy no Zanaky ny Olon’ny Fahamarinana, dia Andriamanitra Ray.

Rehefa maniry ny hitoetra ao amin’i Kristy isika ary mampitoetra Azy ao amintsika,23 dia ny fahamasinana no katsahintsika, sady ara-batana no ara-panahy.24 Katsahintsika any amin’ny tempoly, izay ahitana ny soratra hoe ”Hamasinina ho an’i Jehovah” izany. Katsahintsika ao amin’ny fanambadiantsika, ny fianakaviantsika, ary ny tokantranontsika izany. Mikatsaka izany isika isan-kerinandro rehefa manao ny andro masin’ny Tompo ho fahafinaretana.25 Katsahintsika izany, eny fa na dia ao anatin’ireo antsipiriany amin’ny fiainana andavan’andro aza: ny fitenintsika, ny fitafintsika, ny eritreritsika. Araka ny nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Isika dia vokatra azo avy amin’ny zavatra rehetra vakintsika, ny zavatra rehetra jerentsika, ny zavatra rehetra henointsika ary ny zavatra rehetra eritreretintsika.”26 Mikatsaka ny fahamasinana isika rehefa mitondra ny hazofijaliantsika isan’andro.27

Hoy Rahavavy Carol F. McConkie hoe: “Fantatsika ireo fizahan-toetra sy fakam-panahy ary fahoriana maro mety manaisotra antsika amin’izay zavatra rehetra mendrika, madio, ary mendri-piderana eo anatrehan’Andriamanitra. Kanefa ny zavatra iainantsika eto an-tany dia manolotra fahafahana ho antsika mba hifidy ny fahamasinana. Raha ny matetika indrindra dia ny fahafoizantena ataontsika mba hitandrina ny fanekempihavanantsika no manamasina antsika ka mahatonga antsika ho masina.”28 Ary tiako hampiana amin’izay “fahafoizantena ataontsika” izay koa ny asa fanompoana atolotsika.

Fantatsika fa “rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona amin[ntsika isika], dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamani[tsika isika].”29 Ary ny Tompo dia mampahatsiahy antsika fa ny fanompoana toy izany dia ampahany manan-danja amin’ny fiainany sy ny toetrany: “Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.”30 Nanazava tamim-pahendrena ny Filoha Marion G. Romney hoe: “Ny fanompoana dia tsy zavatra iaretantsika eto an-tany mba hahazoantsika ny zo hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny fanompoana no singa fototra nanefena ny fiainana iray voasandratra any amin’ny fanjakana selestialy.”31

Naminany i Zakaria fa amin’ny andro hanjakan’ny Tompo mandritra ny arivo taona dia na ny famohamandrin-tsoavaly aza dia hahitana ny soratra hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah.”32 Tao anatin’izany foto-pisainana izany no nametahan’ireo Olomasina mpamaky lay tao amin’ireo lohasaha izany fampahatsiahivana hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah” izany teny amin’ireo zavatra hita fa niraisana na nahazatra, ary ihany koa ireo zavatra nifandray mivantana kokoa tamin’ny resaka fivavahana. Nosoratana teo amin’ireo kaopy sy lovian’ny fanasan’ny Tompo izany ary nosoratana tao amin’ireo taratasy fanamarinana ny fanendrena ireo Fitopololahy sy teo amin’ny fanevan’ny Fikambanana Ifanampiana. Ny hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah” ihany koa dia hita teo amin’ny vata fitaratry ny Zion’s Cooperative Mercantile Institution (Ivontoeran’ny Farimbon’asa Ara-barotr’i Ziona), dia ny departemantan’ny tsenan’ny ZCMI izany. Hita teo amin’ny lohan’ny maritoa iray sy teo amin’ny amponga iray izany. Ny hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah” dia voasokitra teo amin’ny famoham-baravarana metaly teo amin’ny tranon’ny Filoha Brigham Young. Ireo firesahana momba ny fahamasinana teny amin’ny toerana izay hita fa tsy mahazatra na tsy nampoizina ireo dia mety ho hafahafa, kanefa izy ireny dia milaza fotsiny ny tokony ho fahafenoana sy ny tsy fiovaovan’ny fifantohantsika amin’ny fahamasinana.

Sary
Kaopin’ny fanasan’ny Tompo
Sary
Lovian’ny fanasan’ny Tompo
Sary
Vata fitaratry ny ZCMI
Sary
Maritoa
Sary
Amponga
Sary
Famoham-baravarana

Ny fihinanana ny nofon’ny Mpamonjy sy ny fisotroana ny rany dia midika hoe manaisotra eo amin’ny fiainantsika izay mety ho zavatra tsy afaka miaraka amin’ny toetra tahaka ny an’i Kristy sy ny fiezahantsika hanana ny toetrany. Izao no dikan’ny fibebahana raha velarina kokoa: tsy miala fotsiny ihany amin’ny fahotana teo aloha fa “mampitodika [ihany koa] amin’ Andriamanitra ny [fo] sy ny [sitrapo]”33 sady mandroso hatrany. Andriamanitra dia haneho amintsika, tahaka izay niseho tamin’ilay namako tao anatin’ny nofiny izay nampahafantatra zavatra azy, ny fahadisoantsika sy ny kilemantsika, kanefa hanampy antsika ihany koa Izy mba hamadika ny fahalemena ho lasa tanjaka.34 Raha manontany amin-kitsim-po isika hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”35 Dia tsy hamela antsika haminany izany Izy, fa hamaly am-pitiavana kosa mba ho fifaliana ho antsika. Ary hanome fanantenana antsika Izy.

Ezaka tena mandany hery, ary mety tena nampatahotra tokoa raha toa ka irery isika tamin’ny ezaka nataontsika mba hanana fahamasinana. Ny fahamarinana feno voninahitra dia hoe tsy irery isika. Isika dia manana ny fitiavan’ Andriamanitra, ny fahasoavan’i Kristy, ny fampiononana sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ary ny finamanana sy ny famporisihan’ireo Olomasina namantsika ao amin’ny tenan’i Kristy. Tsy tokony ho afa-po amin’ny toe-panahintsika amin’izao fotoana izao isika, kanefa aoka koa isika tsy ho kivy mihitsy. Mamporisika antsika ny hira Kristianina tsotra kanefa mampieritreritra iray hoe:

Makà fotoana hanamasinan-tena, na dia manohy ny fanaony aza izao tontolo izao;

Mandania fotoana mitokana miaraka amin’i Jesoa ao amin’ny mangingina.

Rehefa mitodika any amin’i Jesoa, dia ho lasa tahaka Azy ianao;

Ho hitan’ireo namanao amin’ny fitondran-tenanao ny fitovianao Aminy.36

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy aho, “[Ilay] mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,”37 ary “Izay mihinana ny nofo[ny] sy misotro ny ra[ny] no manana fiainana mandrakizay,”38 amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.