2010–2019
Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany
Ôktôbra 2017


Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany

Raha maharitra isika dia ho vita sy tontosa any amin’ny mandrakizay any ny fanadiovana antsika.

Ny soratra masina dia nosoratana mba hitahy sy hankahery antsika, ary tena manao izany tokoa izy ireny. Isaorantsika ny lanitra noho ny toko sy ny andininy tsirairay rehetra nomena antsika. Saingy tsikaritrareo ve fa indraindray misy andinin-tsoratra masina izay toa mampahatsiahy antsika fa somary lavo kely isika? Ohatra, ny toriteny teo an-tendrombohitra dia manomboka amin’ireo fahasambarana mampilamina sy mahafinaritra, saingy ao amin’ireo andininy manaraka isika dia tenenina, ankoatra ireo zavatra hafa, mba tsy hoe tsy hamono olona fotsiny fa mba tsy ho tezitra mihitsy koa. Tenenina isika mba tsy hoe tsy hijangajanga fotsiny fa mba tsy hanana eritreritra maloto mihitsy koa. Ho an’ireo izay mangataka izany, dia tokony hanome ny akanjontsika isika ary avy eo dia hanome ny lambantsika ihany koa. Tokony ho tia ny fahavalontsika isika, sy hisaotra an’izay manozona antsika, ary hanao soa izay mankahala antsika.1

Raha izany no zavatra hitanao rehefa mandalina soratra masina amin’ny maraina, dia rehefa avy namaky hatreo fotsiny ianao dia efa mahazo antoka fa tsy hahazo naoty tsara ao anatin’ny karine misy ny zavatra takin’ny filazantsara aminao dia ny didy farany ao no tena azo antoka fa tsy ho vitanao ny manaraka azy: “Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any An-danitra.”2 Te hiverina hatory isika dia hanarona lamba ny lohantsika, manoloana izany didy izany. Toa tsy ho azontsika tratrarina ny tanjona selestialy toy izany. Saingy azo antoka fa tsy hanome antsika didy izay fantany fa tsy ho voatandrintsika na oviana na oviana ny Tompo. Andeha hojerentsika hoe mitondra antsika mankaiza izany safidy sarotra izany.

Maheno olona maro izay sahirana amin’ity olana ity aho manerana ny Fiangonana: “Tsy tsara tsotra izao aho.” “Mora lavo loatra aho.” “Tsy ho mendrika mihitsy aho.” Henoko lazain’ireo zatovo izany. Henoko lazain’ireo misiônera izany. Henoko lazain’ireo vao niova fo izany. Henoko lazain’ireo vao mpikambana efa hatrizay izany. Nilaza ranabavy Darla Isackson izay Olomasin’ny Andro Farany marani-tsaina iray hoe, toa nataon’i Satana izay hahatonga ireo fanekempihavanana sy didy ho toy ny ozona sy fanamelohana. Ho an’ny sasany dia novainy ho zavatra miteraka fankahalana tena sy mitondra fahoriana ireo fitsipika sy sy fitaomam-panahy ao amin’ny filazantsara.3

Izany zavatra lazaiko izany akory tsy hoe mandà na mampihena velively ny didy izay nomen’ Andriamanitra antsika. Mino ny fahatanterahany aho, ary fantatro fa zanany ara-panahy isika, manana hery anaty masina ho tonga tahaka Azy. Fantatro ihany koa fa amin’ny maha-zanany antsika dia tsy tokony hanevateva na hanaratsy be ny tenantsika isika, toy ny hoe ny fampijaliana ny tenantsika no hahatonga antsika ho lasa ilay olona tian’ Andriamanitra hahatongavantsika. Tsia! Miaraka amin’ny fahavononana hibebaka sy faniriana hampitombo foana ny fahamarinana ao am-pontsika dia manantena aho fa hanohy ny fivoarantsika manokana amin’ny fomba izay tsy mifono faharatrana eo amin’ny vatana na malain-kanina vokatry ny aretin-tsaina, na mahatsapa fahakiviana na fanimbana ny fahatokian-tenantsika isika. Tsy izany velively no tian’ Andriamanitra ho an’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga na izay mihira amin-kitsimpo hoe: “Miezaka ny ho tahaka an’i Jesoa aho” (Jésus-Christ est mon modèle).4

Mba hitondrana fanazavana manodidina izany resaka izany dia mamelà ahy ianareo hampahatsiahy antsika rehetra fa isika dia miaina ao anaty tontolo lavo ary amin’izao isika dia olona lavo. Ao anatin’ny fanjakana telestialy isika izao, izay manomboka amin’ny t fa tsy s. Araka ny nampianarin’ny filoha Russell M Nelson hoe, ety an-tany ny fahatanterahana dia mbola “andrasana.”5

Noho izany dia mino aho fa i Jesoa dia tsy nikasa ny hanao ny toriteniny mikasika izany lohahevitra izany ho toy ny famelezana am-bava momba ireo fahalementsika.Tsia, mino aho fa nataony izany ho fanehoana fanajana ny maha-izy azy an’ilay Andriamanitra Ray Mandrakaizay sy ny zavatra azontsika tanterahina miaraka Aminy any amin’ny mandrakizay.Na izany na tsy izany, dia feno fankasitrahana aho noho ny fahafantarako fa dia eo aza ny tsy fahalavorariako, dia lavorary Andriamantira farafaharatsiny, ary fahafaratsiny Izy, ohatra, dia afaka mitia ny fahavalony, satria matetika loatra, noho ilay lehilahy sy vehivavy “araka ny nofo”6 ao anatintsika, dia isika izany fahavalo izany.Tena feno fankasitrahana aho fa farafaharatsiny Andriamanitra dia afakamitahy izay manisy ratsy Azy satria, noho ny tsy fananantsika faniriana na fikasana hanao toy izany, dia manisy ratsy Azy isika rehetra. Feno fankasitrahana aho fa be famindram-po sy mpampihavana Andriamanitra satria mila famindram-po aho ary izao tontolo izao dia mila fampihavanana. Mazava ho azy fa ny zavatra rehetra resahintsika mikasika ireo hatsaran-toetran’Andriamanitra dia mahakasika ny an’ny Zanany Lahitokana ihany koa, izay niaina sy maty tao anatin’izany fahatanterahana izany ihany koa.

Te hilaza haingana aho fa ny fifantohana amin’ireo zavatra notanterahin’ny Ray sy ny Zanaka fa tsy amin’ireo tsy fahombiazantsika dia tsy mitondra fanamarinana na dia pitiny kely aza ny fiainana goragora na ny tsy fanomezana lanja ireo fitsipika iainantsika. Tsia, efa hatrany am-boalohany ny filazantsara no natao “ho fanatanterahana ny olona masina, … mandra-pahatongantsika … mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”7 Manoro hevitra fotsiny aho hoe farafahakeliny ny tanjon’ny soratra masina na didy iray dia mety natao hampahatsiahivana antsika “ny [tena] halehiben’ny fahafenoan’i Kristy”8 izay mitaona antsika hanana fitiavana sy fiderana lehibe kokoa Azy ary faniriana bebe kokoa ny ho lasa tahaka Azy.

“Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy … ,” hoy ny fiangavian’i Môrônia. “Tiava an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra, amin’izany … amin’ny alalan’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy.9 Ny hany fanantenantsika ho an’ny fahalavorariana tanteraka dia amin’ny fandraisana izany ho toy ny fanomezana avy any an-danitra, ary tsy ho “azontsika samirery” izany. Noho izany, ilay fahasoavana manonitra avy amin’i Kristy dia tsy manolotra famonjena antsika amin’ny alahelo sy ny fahotana ary ny fahafatesana fotsiny ihany fa manolotra famonjena antsika amin’ny fitsikerantsika tena izay tsy mety afaka.

Mamelà ahy ianareo hampiasa iray amin’ireo fanoharan’ny Mpamonjy mba hilazana izany amin’ny fomba hafa. Nisy mpanompo iray nananan’ny mpanjakany trosa mitentina talenta 10.000. Rehefa naheno ilay mpanompo nangataka andro sy famindram-po “ny tompon’ izany mpanompo izany dia onena azy ka … namoy ny trosa taminy.” Kanefa avy eo io mpanompo io dia tsy namela ny mpanompo namany izay nananany denaria 100. Rehefa nahare izany ilay mpanjaka dia nilaza tamin’alahelo an’ilay mpanompo izay navelany hoe: “Moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?”10

Misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo manam-pahaizana mikasika ny sandam-bola resahina eto, ary miala tsiny aho amin’ny fampiasana ny vola fampiasantsika mahazatra, saingy mba hanamora ny kajy dia, raha ataontsika hoe Ariary 100 amin’izao fotoana ohatra ilay denaria 100 tsy foy, ilay talenta 10.000 izay nafoy kosa dia hanakaiky ny iray miliara Ariary, na mihoatra!

Raha trosan’ny tena manokana izany dia tena vola be tena tsy takatry ny saina. (Amin’ny fomba ahoana moa no handaniana izany vola izany!) Fa ho an’ny tanjon’ity fanoharana ity dia natao tsy ho takatry ny saina izany, natao ho mihoatra lavitra ny fahafahantsika manakatra izany, mba tsy hilazana hoe tsy voaloantsika. Izany no izy satria tsy hoe tantaran’ny mpanompo anankiroa nifanditra tao amin’ny Testamenta Vaovao izany. Izany dia tantara momba antsika, ao anatin’ny fianakaviamben’ny olombelona rehetra izay lavo, mpitrosa, mpandika lalàna, ary gadra. Isika tsirairay ireo dia mpitrosa ary ny didy dia sazy an-tranomaizina ho antsika tsirairay avy. Ary dia hijanona any isika rehetra raha tsy noho ny fahasoavan’ny Mpanjaka iray izay manafaka antsika satria tia antsika tsotra izao Izy ary “[entanin’ny] fangorahana [antsika].”11

Mampiasa fandrefesana tsy hay takarina i Jesoa eto satria ny Sorompanavotany dia fanomezana tsy hay takarina amin’ny vidiny tsy takatry ny saina. Izany amiko no farafahakeliny ampahany amin’ny hevitra ao ambadik’ilay didy nomen’i Kristy mba ho tanteraka. Mety mbola tsy afaka mampiseho fahalavorariana mitovy sanda amin’ny talenta 10.000 izay efa tratran’ny Ray sy ny Zanaka isika, saingy tsy tafahoatra kosa raha mba mangataka antsika mba hampiseho toetra masina bebe kokoa Izy ireo ao anatin’ireo zavatra madinika, mba hiteny, hanao asa, hitia, hamela sy hibebaka ary hivoatra mifanaraka amin’ny haavom-pahalavorariana mitovy sanda amin’ny denaria 100 isika, izay mazava fa vitantsika.

Ry rahalahiko sy anabaviko isany, ankoatra ny an’i Jesoa, dia tsy mbola nisy fiainana tonga lafatra teto amin’ity diantsika eto an-tany ity, koa mandritra ity fiainana eto an-tany ity dia ndeha isika hiezaka mafy mba hivoatra hatrany, fa tsy hifantoka loatra amin’izay lazain’ny mpahay siansa hoe “fikatsahana amin’ny fomba manimba ny ho tonga lafatra.”12 Tokony hosorohantsika io zavatra tafahoatra farany io izay andrandraina ho vitan’ny tenantsika sy ny hafa ary ampiako hoe ireo izay voantso hanompo ato am-piangonana, izay midika hoe isika rehetra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, satria voantso hanompo daholo isika rehetra na aiza na aiza.

Raha ny amin’io, dia nanoratra momba ny pretra iray i Leon Tolstoy, izay notsikerain’ny iray tamin’ireo mpivavaka tao am-piangonany ho tsy niaina tsara araka ny tokony ho izy. Nofintinin’ilay mpitsikera fa ireo fitsipika nampianarin’ilay mpitory nanao hadisoana noho izany dia tsy maintsy diso.

Ho valin’izany tsikera izany dia hoy ilay pretra hoe: “Jereo ny fiainako amin’izao, dia ampitahao amin’ny fiainako teo aloha. Ho hitanao fa miezaka miaina ny fahamarinana izay toriko aho.” Tsy afaka niaina araka ireo fitsipika ambony izay nampianariny anefa ilay pretra, dia niaiky fa lavo. Saingy nihiaka izy hoe:

“Enjeho aho, [raha tianao.] Izaho tenako aza manao izany, kanefa [aza] enjehina … ny lalana arahiko. … Raha fantatro ny lalana mody [kanefa] mamo aho mandeha amin’izany, moa ve lasa tsy marina izany ilay lalana satria mivembena etsy sy eroa aho?

“… Aza mihorakoraka amim-pifaliana hoe—Jereo ange izy e! … Iny izy fa mivarina any an-kady!— Tsia, aza mifaly amin’izany, fa … ampio [izay miezaka mandeha eo amin’ny lalana miverina any amin’ Andriamanitra.]”13

Ry rahalahy sy anabavy, maniry ny hanana fiainana tahaka ny an’i Kristy kokoa isika tsirairay avy nefa matetika tsy vitantsika ny miaina azy. Raha miaiky izany amin-kitsimpo isika ary miezaka ny hivoatra dia tsy mpihatsaravelatsihy, fa olombelona isika. Enga anie isika handà ka tsy hamela ireo hadalantsika amin’ny maha-olombelona, sy ny tsy fahatanterahana tsy azo ihodivirana hita na dia eo amin’ireo lehilahy sy vehivavy tena tsara manodidina antsika aza, hahatonga antsika hiroan-tsaina mikasika ireo fahamarinan’ny filazantsara, ny fahamarinan’ny Fiangonana, ny fanantenantsika ny hoavintsika, na ny fahafahana ho lasa masina. Raha maharitra isika dia ho vita sy tontosa any amin’ny mandrakizay any ny fanadiovana antsika, izay dikan’ny hoe tanteraka ao amin’ny Testamenta Vaovao.14

Izaho dia mijoro ho vavolombelona ny amin’izany anjara goavana izany izay atolotra ho antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo, izay Izy tenany aza nanohy “fahasoavana niampy fahasoavana”15 mandra-pandraisany tao amin’ny tsy fahafatesany16 ny fahafenoan’ny voninahitra selestialy.17 Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’izao ora izao sy amin’ny ora rehetra, miaraka amin’ny tanany misy holatra, dia manolotra izany fahasoavana izany amintsika Izy, tsy kivy amintsika ary mankahery antsika, tsy handao antsika raha tsy tonga soa aman-tsara any amin’ilay fonenantsika eo an-tsandrin’ny Ray aman-dreny any an-danitra isika.Tohiziko ny ezaka na dia mitavozavoza aza aho mba hahatongavana amin’izany fotoana tonga lafatra izany.Tohiziko ny fanehoana fankasitrahana na dia tsy ampy fahaizana aza, noho izany fanomezana tonga lafatra izany. Ataoko izany amin’ny anaran’ilay Tonga Lafatra, Ilay tsy mba nitavozavoza velively na Ilay tsy mba hoe tsy ampy fahaizana, kanefa dia tia antsika rehetra, dia i Jesoa Kristy Tompo izany. Amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Matio 5:1–47.

  2. Matio 5:48.

  3. Jereo ny Darla Isackson, “Satan’s Counterfeit Gospel of Perfectionism,” Meridian Magazine, 1 jona 2016, ldsmag.com.

  4. “Jésus Christ est mon modèle,” Chants pour les enfants, 40.

  5. Jereo ny Russell M. Nelson, “Perfection Pending,” Ensign, nôv. 1995, 86–88.

  6. Môsià 3:19.

  7. Efesiana 4:12–13.

  8. Efesiana 4:13

  9. Môrônia 10:32; nampiana fanamafisana.

  10. Jereo ny Matio 18:24–33.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:4.

  12. Jereo ny Joanna Benson and Lara Jackson, “Nobody’s Perfect: A Look at Toxic Perfectionism and Depression,” Millennial Star, 21 martsa 2013, millennialstar.org.

  13. “The New Way,” Leo Tolstoy: Spiritual Writings nofantenin’i Charles E. Moore (2006), 81–82.

  14. Ho fandalinana lalina ny dikan’ilay teny grika nampiasaina ao amin’ny Testamenta Vaovao ho an’ny hoe tanteraka (“teleios”), dia jereo ny lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 1995 “Perfection Pending” (Ensign, nôv. 1995, 86–88).

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:13.

  16. Jereo ny Lioka 13:32.

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:13.