2010–2019
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana
Ôktôbra 2017


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana

Ry rahalahy sy anabavy, ankehitriny aho dia hanolotra aminareo ireo Manampahefana Ambony, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary Fiadidian’ny Vondrona Fanampiny maneran-tany an’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Thomas Spencer Monson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Henry Bennion Eyring, amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany azy; ary Dieter Friedrich Uchtdorf, amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany azy.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’izany kôlejy izany: Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, ary i Dale G. Renlund.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ireo rehetra izay manohana aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany koa.

Ny Loholona Donald L. Hallstrom sy Richard J. Maynes dia nisaorana tamin’ny naha-mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy azy ireo.

Ireo izay maniry ny haneho fankasitrahana ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana izay nataony dia afaka manao izany amin’ny fananganan-tanana.

Aroso amintsika ny hanohanana ny Loholona Juan A. Uceda sy Patrick Kearon, izay nantsoina mba ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy.

Ireo izay maniry hanohana ireo Rahalahy ireo amin’ny andraikitr’izy ireo vaovao, dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany koa.

Aroso amintsika ny hisaorana amim-pankasitrahana ny asa fanompoana feno fanolorantena nataon’ny Loholona Stanley G. Ellis, Larry R. Lawrence, ary W. Craig Zwick tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary omena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay ho an’ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana miavaka izay nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana ireto manaraka ireto tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo: Pedro U. Adduru, Detlef H. Adler, Angel H. Alarcon, Winsor Balderrama, Christopher Charles, Robert M. Call, Gene R. Chidester, Ralph L. Dewsnup, Ángel A. Duarte, Peter F. Evans, Francisco D. N. Granja, Yuriy A. Gushchin, Clifford T. Herbertson, Aniefiok Udo Inyon, Luiz M. Leal, Alejandro Lopez, L. Jean Claude Mabaya, Declan O. Madu, Alexander T. Mestre, Jared R. Ocampo, Andrew M. O’Riordan, Jesús A. Ortiz, Abenir V. Pajaro, Siu Hong Pon, Robert C. Rhien, Jorge Luis Romeu, Jorge L. Saldívar, Ciro Schmeil, Alin Spannaus, Moroni B. Torgan, Steven L. Toronto, Ricardo Valladares.

Ireo izay maniry hiara-haneho aminay ny fankasitrahana azy ireo noho ny asa fanompoana tena tsara natolotr’izy ireo dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Torben Engbjerg ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Ireo rehetra izay manohana aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, sy ireo Fiadidian’ny Vondrona Fanampiny izay misy ankehitriny.

Ireo rehetra izay manohana aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany koa.

Ireo nanohitra izay mety olona natolotra teo dia tokony hihaona amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Ry rahalahy sy anabavy, misaotra anareo izahay noho ny finoana maharitra anananareo sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana.