2010–2019
Aza matahotra ny hanao soa
Ôktôbra 2017


Aza matahotra ny hanao soa

Ny Tompo dia miteny amintsika fa rehefa mijoro amim-pinoana eo ambonin’ny vatolampiny isika dia mihena ny ahiahy sy ny tahotra, ary mitombo ny faniriana hanao soa.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, mivavaka amim-panetrentena aho mba hiarahan’ny Fanahin’ny Tompo amintsika eto am-pitenenako androany. Feno fankasitrahana ny Tompo, izay tompon’ity Fiangonana ity ny foko, noho ny fitaomam-panahy tsapantsika tao anatin’ireo vavaka tena avy amin’ny fo, sy ireo lahateny nentanim-panahy, ary ireo hira toy ny feon’anjely teto amin’ity fihaonambe ity.

Tamin’ny aprily lasa teo ny Filoha Thomas S. Monson dia nanome hafatra nahakasika fon’olona maro manerana izao tontolo izao, ka anisan’izany ny ahy. Niresaka momba ny herin’ny Bokin’i Môrmôna izy. Nanentana antsika izy handalina sy hisaintsaina ary hampihatra ny fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna. Nampanantena izy fa raha manokana fotoana isan’andro handalinana sy hisaintsainana ary mitandrina ireo didy raketin’ny Bokin’i Môrmôna isika, dia hanana fijoroana ho vavolombelona velona momba ny fahamarinany, ary ny fijoroana ho vavolombelona azontsika avy amin’izany momba an’i Kristy velona dia hanampy antsika hiaritra ireo fotoan-tsarotra kanefa tsy ho azon-doza. (Jereo ny “Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, mey 2017, 86–87.)

Tahaka ny maro aminareo, izaho dia nandre ny tenin’ny mpaminany toy ny feon’ny Tompo miresaka amiko. Ary tahaka ny maro aminareo koa, izaho dia nanapa-kevitra ny hankatò ireo teny ireo. Hatramin’ny fotoana naha-zazalahikely ahy dia efa tsapako ny fananana fijoroana ho vavolombelona fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa ny Ray sy ny Zanaka dia niseho sy niresaka tamin’i Joseph Smith, ary namangy ny Mpaminany Joseph ireo Apôstôly fahiny mba hamerina ny fanalahidin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.

Niaraka tamin’ny fananana izany fijoroana ho vavolombelona izany, dia namaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro aho nandritra ny 50 taona mahery. Ka noho ny fanaovako izany, dia afaka nieritreritra tsara mihitsy aho fa natao ho an’olon-kafa ny tenin’ny Filoha Monson. Kanefa, tahaka ny maro aminareo, izaho dia nahatsapa fa nanasa ahy hanao ezaka lehibe kokoa ny famporisihan’ny mpaminany sy ny fampanantenana nataony. Efa nanao ny zavatra nataoko ny maro aminareo: nanao vavaka misy heviny manan-danja kokoa, nisaintsaina ny soratra masina tamin’ny finiavana bebe kokoa, ary niezaka mafy kokoa ny hanompo ny Tompo sy ny hafa ho Azy.

Ny vokatra mahafaly azoko, sy azon’ny maro taminareo, dia ny zavatra nampanantenain’ny mpaminany. Isika izay nanaiky tanteraka io torohevitra avy amin’ny fitaomam-panahy io dia nahare ny Fanahy tamin’ny fomba miavaka kokoa. Nahazo hery lehibe kokoa hanoherana ny fakam-panahy isika ary nahatsapa finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy izay efa nitsangana tamin’ny maty, sy ny filazantsarany, ary ny Fiangonany velona.

Ao anatin’ny fotoana ahitana korontana tsy mitsaha-mitombo eto amin’izao tontolo izao dia nanaisotra ny ahiahy sy ny tahotra ireo fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ireo, ary nitondra fahatsapana fiadanana ho antsika. Ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Monson dia nisy fiantraikany roa hafa mahatalanjona teo amiko: Voalohany, ny Fanahy nampanantenainy dia niteraka fanantenana zavatra tsara momba ny zavatra ho avy, eny fa na dia toa mitombo aza ny korontana eto amin’izao tontolo izao. Ary faharoa, ny Tompo dia nanome ahy sy anao fahatsapana lehibe kokoa ny fitiavany an’ireo izay ory. Nahatsapa ny fitombon’ny faniriana handeha hamonjy ny hafa isika. Nanana anjara toerana fototra tao anatin’ny asa fanompoan’ny Filoha Monson tamin’ny naha-mpitarika azy sy tao amin’ny fampianarany izany faniriana izany.

Ny Tompo dia nampanantena an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery fa hitombo ny fitiavan’izy ireo ny hafa sy ny herim-pon’izy ireo rehefa toa tena mavesatra ny asa miandry azy ireo. Nilaza ny Tompo fa ilay herim-po ilain’izy ireo dia ho azo avy amin’ny finoan’izy ireo Azy amin’ny maha-vatolampiny azy:

“Aza matahotra ny hanao soa, anaka, fa izay afafinareo no hojinjainareo; koa noho izany, raha mamafy soa ianareo dia hijinja ihany koa ny soa ho valiny.

“Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.

“Indro, tsy manameloka anareo Aho; mandehana ary aza manota intsony; tontosao amin’ ny fahamaotinana ny asa izay efa nandidiako anareo.

“Banjino Aho amin’ ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.

“Indro ny fery izay nandoaka ny lanivoako, ary koa ny dian’ ny fantsika amin’ ny tanako sy ny tongotro; aoka ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia handova ny fanjakan’ ny lanitra ianareo” (F&F 6:33–37).

Ny Tompo dia niteny tamin’ireo mpitarika notendreny hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonany, ary miteny amintsika Izy, fa rehefa mijoro amim-pinoana eo ambonin’ny vatolampiny isika dia mihena ny ahiahy sy ny tahotra, ary mitombo ny faniriana hanao soa. Rehefa manaiky ny fanasan’ny Filoha Monson hampiorim-paka fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ao am-pontsika isika, dia mahazo ny hery, ny faniriana, ary ny herim-po handeha hamonjy ny hafa sady tsy miahiahy ny amin’izay zavatra ilaintsika manokana.

Nahita izany karazana finoana sy herim-po izany im-betsaka aho rehefa niatrika fitsapana nampihorohoro ireo Olomasin’ny Andro Farany nanam-pinoana. Inty misy ohatra iray: tao Idaho aho tamin’ny fotoana nahavaky ny tohodranon’i Teton tamin’ny 5 Jona 1976. Niraraka nidina ny ranobe. An’arivony no nandositra niala ny tranony. Trano sy orinasa an’arivony no rava. Tena fahagagana fa latsaky ny 15 ny olona maty.

Ny zavatra hitako tany dia efa hitako foana isaky ny mijoro tsara eo amin’ny vatolampin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Olomasin’ny Andro Farany. Koa satria azon’izy ireo antoka tsara fa niahy azy ireo Izy, dia lasa tsy natahotra izy ireo. Tsy miraharaha ny fitsapana mahazo azy izy ireo fa mandeha kosa manamaivana ny fijalian’ny hafa. Ary manao izany noho fitiavany ny Tompo izy ireo, sady tsy mangataka tambiny.

Ohatra, tamin’ny fotoana nahavakisan’ny tohodranon’i Teton dia tany amin’ny kilaometatra maromaro niala ny tranony ny mpivady Olomasin’ny Andro Farany iray. Raha vantany vao nahare ilay vaovao tamin’ny onjam-peo izy ireo dia nihazakazaka niverina tany Rexburg. Raha tokony handeha tany an-tranony izy ireo mba hijery raha rava izany, dia naleony nandeha nitady ny evekany. Tao amin’ny trano iray izay nampiasaina ho ivontoerana mitantana ny asa fanarenana sy fanavotana amin’ny loza izy. Nanampy tamin’ny fitarihana ireo mpirotsaka an-tsitrapo an’arivony izay tonga tamin’ny fiarabe mavomavo mpitatitra mpianatra izy.

Nanatona an’ilay eveka izy mivady dia niteny hoe: “Vao tonga izahay. Aiza no ahafahanay manampy ry eveka?” Nomeny azy ireo ny anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviana iray. Nijanona nanala fotaka sy rano tao amin’ny trano maro izany mpivady izany. Niasa nanomboka vao mangiran-dratsy ka mandra-pahamaizina ny andro izy ireo. Naka aina izy ireo nony farany mba handeha hijery izay nahazo ny tranony. Nofahon’ny tondra-drano izany, ary tsy nisy na inona na inona azo nodiovina. Ka dia niverina haingana izy ireo mba ho any amin’ny evekany indray. Nanontany izy ireo hoe: “Eveka a, misy olona azonay ampiana ve?”

Izany fahagagana avy amin’ny herim-po sy fiantrana mitondra fiadanana izany, izay ny fitiavana madion’i Kristy, dia niverimberina tao anatin’ny taona maro manerana izao tontolo izao. Nitranga tao anatin’ireo fotoan’ny fanenjehana sy ny fitsapana nampihorohoro tamin’ny andron’ny Mpaminany Joseph Smith tao missouri izany. Nitranga izany rehefa nitarika ny fifindra-monina avy any Nauvoo i Brigham Young, ary avy eo dia niantso ny Olomasina ho any amin’ny tany efitra manerana ny faritra andrefan’i Etazonia, mba hifanampy amin’ny fananganana Ziona ho an’ny Tompo.

Raha mamaky ny lahatsoratra ao amin’ny diarin’ireo mpamaky lay ireo ianareo dia hahita ny finoana izay nanaisotra tamin’ny fomba mahagaga ny ahiahy sy ny tahotra. Ary hitanareo ao ny amin’ireo Olomasina izay namela ny raharahany manokana mba hanampy olona hafa ho an’ny Tompo, alohan’ny hiverenany any amin’ireo ondriny na ny taniny izay tsy mbola nohadiany.

Nahita izany fahagagana izany aho, andro vitsy lasa izay tao anatin’ny fahasimbana nateraky ny rivo-doza Irma tao Porto Rico, Saint Thomas, ary Floride, izay niarahan’ny Olomasin’ny Andro Farany niasa tamin’ny fiangonana hafa, sy ny vondron’olona tao amin’ny fiarahamonina teo an-toerana, ary ireo fikambanana teo anivon’ny firenena mba hanomboka ny asa fanadiovana.

Tahaka ireo namako tao Rexburg, dia naleon’ny mpivady iray tsy mpikambana tao Floride nifantoka tamin’ny fanampiana ny fiarahamonina toy izay hiasa teo amin’ny taniny. Rehefa nanolotra fanampiana hanaisotra ireo hazo roa lehibe nanakana ny lalana hivoahan’ny fiaran’izy ireo ireo Olomasin’ny Andro Farany sasany mpiara-monina tamin’izy ireo, dia nanazava izy mivady fa feno dia feno ny fon’izy ireo ka dia nanapakevitra ny hampifantoka ny ezaka nataony mba hanampiana ny hafa izy ireo, sady nanam-pinoana fa hanome ny fanampiana ilain’izy ireo ao amin’ny tranon’izy ireo ny Tompo. Dia nitantara ilay lehilahy fa nivavaka izy mivady talohan’ny nahatongavan’ireo mpikamban’ny Fiangonantsika nanolo-tena hanampy. Nahazo valim-bavaka izy ireo fa hisy fanampiana ho avy. Tonga ora maromaro taorian’izany fanomezan-toky izany ilay izy.

Nahare tatitra aho fa nisy olona sasany nanomboka niantso ireo Olomasin’ny Andro Farany nanao akanjo Môrmôna manome tanana hoe “Anjely mavo.” Nisy vehivavy Olomasin’ny Andro Farany iray nandeha nampanamboatra ny fiarany, ary ilay lehilahy nanampy azy dia namariparitra ny “zavatra niainany ara-panahy” rehefa nanaisotra ireo hazo teo an-tokontaniny ireo olona nanao akanjo mavo, dia niteny izy avy eo hoe “nihira hira iray ho ahy momba ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy” izy ireo.

Nisy mponina iray hafa tao Floride, izay tsy mpiara-mivavaka amintsika koa, izay nitantara fa tonga tao an-tranony ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’izy niasa teo amin’ny tokontaniny izay rava tokoa, sady nahatsapa ho tena trotraka sy matin’ny hafanana ary efa nila ho latsa-dranomaso. Niteraka “fahagagana tsotra izao”, araka ny nilazany azy, ireo mpirotsaka an-tsitrapo. Tsy vitan’ny nanompo tamim-pahazotoana fotsiny izy ireo fa tamim-pihomehezana sy tamim-pifaliana ihany koa, sady tsy nety nandray tambiny.

Nahita izany fahazotoana izany aho sy nahare izany fihomehezana izany rehefa nifampiresaka amin’ny vondron’Olomasin’ny Andro Farany tao Floride, indray sabotsy hariva be. Nanajanona elaela ny asa fanadiovany ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hamelana ahy handray tanan’olona vitsivitsy. Nilaza izy ireo fa namolavola drafitra ny mpikambana miisa 90 tao amin’ny tsatòkan’izy ireo ao Géorgie mba hiara-hirotsaka amin’ny asa fanavotan’olona tao Floride ny omaly alin’io.

Niala tao Géorgie tamin’ny 4 ora maraina izy ireo, dia nandeha fiara nandritra ny ora maro, niasa maraina mandra-pahalin’ny andro, ary nanao drafitra ny hiasa indray ny ampitson’izay.

Notantarain’izy ireo tamiko tamin’ny tsiky sy fihetsika tsara izany rehetra izany. Ny hany tsapako nanahiran-tsaina azy ireo dia ny hoe naniry ny mba tsy hisaorana intsony izy ireo mba hahafahany miverina miasa. Novelomin’ilay filohan’ny tsatòka indray ny tsofa elektrikany dia nanapaka hazo iray nianjera izy, ary nisy eveka iray nanala ny rantsan’ilay hazo rehefa niditra tao amin’ny fiaranay izahay mba hitsidika ny ekipa mpamonjy manaraka.

Ny marainan’io andro io, rehefa niala tao amin’ny toerana hafa iray izahay dia nisy lehilahy nanatona ilay fiara, nanala ny satrony, dia nisaotra anay noho ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Hoy izy hoe: “Tsy mpikambana ao amin’ny fiangonanareo aho. Tsy mampino ahy ny zavatra nataonareo ho anay. Andriamanitra anie hitahy anareo.” Nitsiky sy nanetsika kely ny sorony, toy ny hoe tsy mendrika ny hoderaina ilay mpilatsaka an-tsitrapo Olomasin’ny Andro Farany nijoro teo akaikiny nanao ambony akanjo mavomavo.

Raha toa ka nandeha nanampy an’io lehilahy izay tena nitolagaga tamin’ny fahatongavan’izy ireo nanampy io ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy any Georgie, ireo Olomasin’ny Andro Farany an-jatony avy ao amin’izany faritra ravarava tao Floride izany kosa dia nandeha an-jatony kilaometatra maro nianatsimo tany amin’ny toerana iray hafa tao Floride, izay nandrenesan’izy ireo fa voa mafy kokoa ny olona tao.

Tamin’io andro io dia tadidiko, ary azoko tsaratsara kokoa, ny teny faminaniana nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny lehilahy heniky ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy mifaly fotsiny amin’ny fitondrana fitahiana ho an’ny fianakaviany, fa mitety an’izao tontolo izao, maniry ny hitahy ny zanak’olombelona rehetra” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 426).

Hitantsika eo amin’ny fiainan’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana ny toerana rehetra ny fitiavana toy izany. Isak’izay misy zava-mitranga mampivarahontsana na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao, dia manolotra fanomezana sy mirotsaka an-tsitrapo amin’ny asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana ny Olomasin’ny Andro Farany. An-kavitsiana ny ilàna anaovana antso avo. Raha ny marina dia misy fotoana indraindray izay tsy maintsy angatahanay ireo olona te hirotsaka an-tsitra-po mba hiandry vao handeha any amin’ny toerana fitantanana ny asa fanarenana fanavotana amin’ny loza mandra-paha-vonona an’ireo olona mitarika an’ilay asa handray azy ireo.

Izany faniriana ny hitahy izany no vokatra azo avy amin’ny olona mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ny filazantsarany, ny Fiangonany naverina amin’ny laoniny, ary ny mpaminaniny. Izany no antony tsy mampiroanàhana sy tsy mampatahotra ny olon’ny Tompo. Izany no antony hirotsahan’ny misiônera an-tsitrapo hanompo any amin’ny toerana rehetra manerana izao tontolo izao. Izany no antony hiarahan’ny ray aman-dreny mivavaka amin’ny zanany ho an’ny hafa. Izany no antony hanasan’ireo mpitarika ny tanora ao amin’ny rantsana misy azy mba hanaiky amin-kitsim-po ny fangatahan’ny Filoha Monson mba handalina misimisy kokoa ny Bokin’i Môrmôna. Tsy ho azo avy amin’ny fanentanan’ny mpitarika ny vokatra andrasana avy amin’ny izany, fa ho azo avy amin’ny fanaovan’ny tanora sy ny mpikambana asa amim-pinoana. Rehefa avadika ho asa izany finoana izany, izay mitaky fahafoizantena tsy misy tambiny, dia mitondra ny fiovampo izay mamela azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Ny fontsika anefa dia tsy mijanona amin’izay fiovany izay raha tsy rehefa manohy manaraka ny torohevitry ny mpaminany isika. Raha tsy manohy manao ezaka intsony isika aorian’ny asa lehibe iray, dia hihen-danja izany fiovana izany.

Ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky dia nampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny maha-tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, ary ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonany marina. Izany fijoroana ho vavolombelona nitombo izany dia nanome antsika herim-po sy fiahiana bebe kokoa ho an’ireo zanak’ Andriamanitra hafa. Saingy hitaky zavatra bebe kokoa ireo zava-tsarotra sy ireo fahafahana hanao zavatra amin’ny ho avy.

Tsy afaka maminavina ny antsipirian-javatra isika, kanefa fantatsika amin’ny ankapobeny ny zavatra hitranga amin’ny ho avy. Fantatsika fa amin’ny andro farany dia ho ao anaty korontana ny tany manontolo. Fantatsika fa mandritra ny loza izay mety hitranga, dia hitarika Olomasin’ny Andro Farany mahatoky ny Tompo mba hitondra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy any amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra. Ary fantatsika fa ny mpanara-dia marina ny Tompo dia ho mendrika ary ho vonona ny handray Azy rehefa miverina indray Izy. Tsy tokony hatahotra isika.

Noho izany, na dia efa nampiorina finoana sy herim-po be dia be ao am-pontsika aza isika dia miandry zavatra bebe kokoa avy amintsika sy avy amin’ireo taranaka maro mifandimby aoriantsika ny Tompo. Mila matanjaka ara-panahy sy be herim-po kokoa izy ireo satria hanao zavatra lehibe sy mafy lavitra kokoa aza noho izay nataontsika izy ireo. Ary hiatrika fanoherana lehibe kokoa avy amin’ny fahavalon’ny fanahintsika izy ireo.

Nomen’ny Tompo ny fomba hahazoana toe-tsaina miandrandra zavatra tsara amin’ny ho avy hoe: “Banjino Aho amin’ ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (F&F 6:36). Nolazain’ny Filoha Monsom antsika ny fomba hanaovana izany. Mila misaintsaina sy mampihatra ireo fitsipika hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny tenin’ny mpaminany isika. Mivavaka mandrakariva. Mino. Manompo ny Tompo amin’ ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjatsika rehetra. Mila mivavaka amin’ny herin’ny fontsika manontolo isika mba hangataka ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana, dia ny fitiavana madion’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:47–48). Fa ny tena lehibe indrindra, dia mila manaraka tsy tapaka sy amim-pahazotoana ny torohevitry ny mpaminany isika.

Rehefa sarotra ny lalana, dia afaka miantehitra amin’ny fampanantenan’ny Tompo isika, dia ilay fampanantenana nampahatsiahivin’ny Filoha Monson antsika rehefa nindrana matetika ireo tenin’ny Mpamonjy ireto izy hoe: “Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo anoloanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88).

Mijoro ho vavolombelona aho fa mandeha eo anoloanareo ny Tompo rehefa mirotsaka manao ny asany ianareo. Indraindray dia mety ho ianareo no anjely irahin’ny Tompo hampatanjaka ny hafa. Indraindray dia mety ho ianareo no ireo izay hodidinin’ny anjely izay mampatanjaka anareo. Fa ianareo anefa dia hanana mandrakariva ny Fanahiny ao am-ponareo, izay efa nampanantenaina anareo amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo rehetra. Mila mitandrina ny didiny fotsiny ianareo.

Ho avy ny maraina ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany. Hampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ny fifanoherana, tahaka ny efa nisehoan’izany hatramin’ny andron’ny Mpaminany Joseph Smith. Mandresy ny tahotra foana ny finoana. Ny fiarahana miasa dia miteraka firaisan-kina. Ary ny vavaka ataonareo ho an’ireo olona mila fanampiana dia re sy valian’ny Andriamanitra be fitiavana iray. Sady tsy rendrehana Izy no tsy matory.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray ary tiany hody any Aminy ianao. Inty no Fiangonana marin’i Jesoa Kristy Tompo. Fantany ianao; tiany ianao; miahy anao Izy. Nanao sorona fanavotana noho ny fahotanao sy ny fahotako ary ny fahotan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra Izy. Ny fanarahana Azy eo amin’ny fiainanao sy amin’ny fanompoanao ny hafa no hany lalana hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho ary mitsodrano anareo sy mizara ny fitiavako aminareo. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.