2010–2019
Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay
Ôktôbra 2017


Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay

Tena ilaina ny fananana fanetrentena momba ny maha-isika antsika sy ny tanjon’ Andriamanitra ho antsika.

Hatramin’ny nanaovako asa fanompoana tany amin’ny Misiôna Britanika fony aho zatovolahy no nankafizako ny vazivazy Britanika. Indraindray dia hita mibaribary ao anatin’izany ny firesahana ny fiainana amin’ny fomba milaza fanomezan-tsiny ny tena, tsotra, ary tsy mieboebo. Ohatra iray amin’izany ity fomba namaritana ny fotoam-pahavaratra ity. Somary fohy sy miovaova ny fotoam-pahavaratra Britanika. Hoy ny mpanoratra iray tamin’ny fomba tena tsotra hoe: “Tena tiako ny fotoam-pahavaratra Britanika, io no andro tena tiako ao anatin’ny taona.”1 Ny mpilalao sary miaina Britanika iray tiako indrindra dia naseho tamin’ny alalan’ny sary, nifoha tara teo am-pandriany ny maraina sady nilaza tamin’ny alikany hoe: “Oadray marina! Noheveriko fa natory ela loatra isika ka efa nilaozantsika sahady ny fotoam-pahavaratra.”2

Misy fifanahafana amin’ny fiainantsika eto amin’ity tany tsara tarehy ity ao amin’io vazivazy io. Mazava ny voalazan’ny soratra masina fa fotoana fohy tokoa ny fisiantsika eto an-tany izay sarobidy. Azo lazaina avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay fa ny fotoantsika eto an-tany dia fohy toy ny fotoam-pahavaratra Britanika.3

Indraindray dia fariparitana amin’ny teny tsotra ihany koa ny tanjon’ny olombelona sy ny antom-pisiany mihitsy. Ny mpaminany Mosesy dia nobeazina tao amin’ny fianakaviana izay mety antsoin’ny olona ankehitriny hoe nanana tombontsoa manokana. Araka ny voarakitra ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy, ny Tompo, izay nanomana an’i Mosesy ho amin’ny fanendrena azy ho mpaminany, dia nanome fahafahana an’i Mosesy hanao topimaso ny tantaran’izao tontolo izao sy ny zanakolombelona rehetra izay ary sy nohariana.4 Ny valintenin’i Mosesy izay somary tsy nampoizina dia hoe: “Ankehitriny …dia fantatro fa tsinontsinona ny olona, izay zavatra tsy noheveriko na oviana na oviana.”5

Taorian’izay, mba handisoana izay mety ho fahatsapan-tena ho tsinotsinona izay mety ho tsapan’i Mosesy, Andriamanitra dia nanambara ny tena tanjony: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”6

Mitovy daholo isika eo anatrehan’ Andriamanitra. Mazava ny fotopampianarany. Mamaky isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,” anisan’izany “ny mainty sy ny fotsy, na andevo na olona afaka, na lahy na vavy.”7 Araka izany dia asaina hanatona ny Tompo ny rehetra.8

Izay rehetra milaza ny tenany ho ambony eo ambanin’ny drafitry ny Ray noho ny toetoetra tahaka ny volon-koditra, ny maha-lahy na ny maha-vavy, fiaviana, fiteny, na toe-piainana ara-bola dia diso ara-pitondrantena ary tsy mahatakatra ny tena tanjon’ny Tompo ho an’ny zanaky ny Ray rehetra.9

Indrisy fa amin’izao androntsika izao saika ao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiarahamonina dia ahitantsika ny fanindraindran-tena sy ny fanambonian-tena izay ieboeboana raha toa kosa ka voahilikilika ny fanetrentena sy ny maha-tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra. Maro amin’ny fiarahamonina no tsy mahatakatra ireo fitsipika fototra ary tsy mahatakatra ny antom-pisiantsika eto an-tany. Ny fanetrentena marina, izay tena ilaina mba hahatratrarana ny tanjon’ny Tompo ho antsika, dia tsy dia fahita firy.10

Zava-dehibe ny mahatakatra ny halehibehin’ny fanetrentena, sy ny fahamarinana, ny toetra, ary ny faharanitantsainan’i Kristy araka izay aseho ao amin’ny soratra masina. Hadalana ny manao tsinontsinona ny antony ilana ny fiezahana tsy tapaka ny hanana ireo hatsarana sy toetra tahaka ny an’i Kristy ireo isan’andro, indrindra fa ny fanetrentena.11

Milaza mazava ny soratra masina fa na dia somary fohy aza ity fiainana ity dia tena manan-danja lehibe tokoa. Hoy i Amioleka izay mpiara-mitory tamin’i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe:“Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; eny, indro, ny andron’ izao fiainana izao no andro ho an’ ny olona mba hanatontosany ny asany.”12 Tsy te ho tahaka ilay mpilalao sary miaina tiako isika ka hatory mandritra ity fiainana ity.

Ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fanetrentena sy ny fahafoizantena ho an’ny zanakolombelona rehetra no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny tantara. Ny Mpamonjy, na dia mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra aza, dia vonona ny ho ety an-tany toy ny zaza tsotra ary nanomboka niaina fiainana izay nahitana fampianarana sy fanasitranana ireo rahalahiny sy anabaviny, ary nifarana tamin’ny fiaretana fijaliana tsy hay lazaina tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana mba hanatanterahany ny Sorompanavotany. Io fanehoam-pitiavana sy fanetrentena avy amin’i Kristy io no antsoina hoe ny fiambaniany.13 Nataony izany ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay nohariana sy hoharian’ Andriamanitra.

Tsy tian’ny Raintsika any An-danitra ho kivy na hilavo lefona ny zanany amin’ny fikatsahany ny voninahitra selestialy. Rehefa tena mandinika an’ Andriamanitra Ray sy i Kristy Ilay Zanany lahy, sy ny momba Azy ireo, ary ny zavatra vitan’Izy ireo ho antsika isika dia fenoin’izany fanajana, fitalanjonana, fankasitrahana ary fanetrentena ao anatintsika.

Tena ilaina amin’ny fanampiana ny Tompo amin’ny fampiorenana ny Fiangona ny fanetrentena.

Tamin’ny androny i Almà dia nametraka fanontaniana iray izay mety tsara amin’izao fotoana izao hoe: “raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”14 Notohizan’i Almà hoe: “Raha toa, hono, ka antsoina ho faty ianareo izao ankehitriny izao, moa va ianareo afaka miteny … fa ampy tokoa ny fanetren-tenanareo?”15

Miaiky aho isaky ny mamaky momba an’i Almà zanany izay nahafoy ny toerany tamin’ny naha-filoham-panjakana azy mba hitory ny tenin’ Andriamanitra.16 Hita mazava fa i Almà dia nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary nahatsapa tena ho tompon’andraikitra teo anatrehan’Izy Ireo tanteraka fa tsy nanana ahiahy. Nanana ny laharam-pahamehana tena izy sy ny fanetrentena hamoy ny lazany sy ny toerany izy noho ny fahafantarany fa manan-danja kokoa ny manompo ny Tompo.

Ny fananana fanetrentena ampy eo amin’ny fiainantsika mba hanorina ny Fiangonana dia manan-danja manokana. Inty misy ohatra iray teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay hanampy antsika hahatakatra tsara izany. Tamin’ny volana jona 1837, ny Mpaminany Joseph Smith dia nentanim-panahy fony izy tao amin’ny Tempolin’i Kirtland mba hiantso ny Apôstôly Heber C. Kimball hitondra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho any “Angletera … ka hanokatra ny varavaran’ny famonjena ho an’izany firenena izany.”17 Notendrena hiaraka aminy ny Apôstôly Orson Hyde sy ny vitsivitsy hafa. Nahavariana ny fihetsiky ny Loholona Kimball. “Saika tsy zakako intsony ny fieritreretana ny fanendrena ahy hanatanteraka iraka lehibe toy izany. … Efa kely sisa [aho] dia vonona ny hilentika tao ambanin’ny enta-mavesatra natatao tamiko.”18 Na dia teo aza izany dia nataony tamim-pinoana, sy fanolorantena ary fanetrentena tanteraka ny iraka nampanaovina azy.

Indraindray ny fanetrentena dia ny fanekena antso rehefa mahatsapa tena ho tsy mahay izany isika. Indraindray ny fanetrentena dia ny fanompoana amim-pahatokiana rehefa mahatsapa tena ho afaka manatanteraka andraikitra lehibe kokoa isika. Ireo mpitarika manetry tena dia nanambara am-bava sy tamin’ny alalan’ny ohatra fa tsy ny toerana anompoanao no manan-danja fa ny fomba fanompoanao amim-pahatokiana.19 Indraindray ny fanetrentena dia ny fandresena ny ratram-po rehefa tsapantsika ho tsy nitondra antsika tsara ny mpitarika na ny olona hafa.

Tamin’ny 23 Jolay 1837 ny Mpaminany Joseph Smith dia nihaona tamin’ny Loholona Thomas B. Marsh izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany. Araka ny re dia sorena ny Loholona Marsh ny amin’ny niantsoan’ny Mpaminany mpikambana roa tao amin’ny kôlejiny ho any Angletera kanefa tsy nila hevitra taminy. Rehefa nihaona tamin’ny Loholona Marsh i Joseph dia hadino daholo izay mety ho ratram-po, ary nahazo fanambarana mahatalanjona iray ny Mpaminany. Ny fizarana faha-112 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany ankehitriny.20 Izy io dia manome antsika fitarihana mahatalanjona avy any an-danitra mahakasika ny fanetrentena sy ny asa fitoriana ny filazantsara. Mivaky toy izao ny Andininy faha-10: “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao.”21

Io fanambarana io dia azo tamin’ny andro izay nanambaran’ny Loholona isany Kimball sy Hyde ary John Goodson, tamim-panetrentena tokoa, ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tany Vauxhall Chapel tao Preston, Angletera.22 Io no fotoana voalohany nanambaran’ny misiônera ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tany ivelan’i Amerika Avaratra tamin’ity fotoampitantanana ity. Ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fitoriana ny filazantsara dia saika nitondra avy hatrany tamin’ny fanaovana batisa mpikambana vaovao izay lasa mpikamban’ny Fiangonana mahatoky maro.23

Ny ampahany farany amin’ilay fanambarana no mitarika ny asa fitoriana ny filazantsara amin’izao androntsika izao. Izay mivaky toy izao “Na zovy na zovy no hirahinareo amin’ny anarako … dia hanan-kery hanokatra ny varavaran’ny fanjakako … araka izay hanetreny tena eo anoloako sy hitoerany eo amin’ny teniko ary hihainoany ny feon’ny Fanahiko.”24

Ny fanetrentena izay ampahany manan-danja amin’ity asa mahatalanjona fitoriana ny filazantsara ity dia mamela ny Tompo hampiorina ny Fiangonany amin’ny fomba miavaka.

Mahavelom-pankasitrahana ery fa mahita izany tsy tapaka ato am-Piangonana isika ankehitriny. Ny mpikambana, anisan’izany ireo taranaka vao misondrotra dia mahafoy ny fotoany sy manemotra ny fianarany sy ny asany mba hitoriana ny filazantsara. Maro amin’ireo mpikambana efa nahazo taona no mandao ny asany sy manao fanolorantena hafa mba hanompoana an’ Andriamanitra na amin’inona na amin’inona iantsoana azy ireo. Tsy avelantsika hisy olana manokana hanembantsembana na hampiala antsika amin’ny fanatanterahana ny tanjony.25 Mitaky fanetrentena ny asa fanompoana ato am-Piangonana. Manompo amim-panetrentena amin’ny anjara asa izay hiantsoana antsika hanompo amin’ny herintsika, sy ny saintsika ary ny tanjatsika isika. Isaky ny antanan-tohatra ato am-piangonana dia zava-dehibe ny mahatakatra ny fanetrentena izay toetra tahaka ny an’i Kristy.

Ny fanetrentena tsy tapaka dia ilaina amin’ny fanomanana ny isam-batan’olona hihaona amin’ Andriamanitra

Ny tanjon’ny fanajana ny Tompo sy ny fanekentsika ny sitrapony26 dia tsy omen-danja firy eo amin’ny fiarahamonina ankehitriny raha oharina amin’ny taloha. Ny mpitondra Kristiana sasany avy amin’ny antokom-pinoana hafa dia mino fa isika dia miaina ao anatin’ny tontolo izay tsy maha-manan-danja ny maha-Kristianina intsony.27

Nandritra ny taona dia ny hasin’ny fanetrentena mifototra amin’ny fivavahana sy ny hasina ara-piarahamonin’ny fahatsorana, ary ny tsy fizahozahoana no fenitra nibahan-toerana.

Ao anatin’ny tontolo ankehitriny dia tsy mitsaha-mitombo ny fanomezana vahana ny fieboeboana, ny fanambonian-tena sy ilay antsoina hoe “maha-tena izy marina” izay indraindray dia mitarika ho amin’ny tsy fananana fanetrentena marina. Ny sasany dia milaza fa ny sotoavina ara-pitondrantena hahazoana ny fahasambarana amin’izao fotoana izao dia ahitana ny hoe “Tazony ny maha-ianao marina anao, matanjaha, miasá tsara—fa ny tena manan-danja indrindra dia aza miankina amin’ny hafa … satria ianao ihany no … afaka manapaka izay hataonao sy izay ho avinao.”28

Ny soratra masina dia manoro hevitra mba hampiasana tetikady hafa. Manoro hevitra izy ireny fa tokony ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy isika. Izany dia ahitana ny fiezahana hanana fahatsapana mahery vaika fa tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fiainana amim-panetrentena. Ny Mpanjaka Benjamina dia nampianatra fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra ary nanoro hevitra fa mila manaiky ny “fitaoman’ny Fanahy Masina” isika. Anisan’ny nohazavainy fa izany dia mitaky ny fahatongavana ho “m[p]ankato, malemy paika, manetry tena, miaritra ary feno fitiavana.”29

Misy olona sasany mampiasa vilana ny hoe ny maha-tena izy marina ny tena mba hanindraindrana ny olona araka ny nofo sy ireo toetra izay mifanohitra amin’ny fanetrentena, ny hatsaram-panahy, ny indra fo, sy ny famelan-keloka, ary ny fahalalam-pomba. Azontsika indraindraina ny mampiavaka manokana antsika amin’ny maha-zananak’ Andriamanitra antsika kanefa tsy mampiasa ny maha-tena izy marina ny tena ho fialan-tsiny amin’ny fitondrantena mifanohitra amin’ny an’i Kristy.

Eo amin’ny fikatsahantsika ny fanetrentena ny internet maoderina dia mamorona olana manakantsakana ny fialana amin’ny fieboeboana. Ohatra roa amin’izany ilay paikady fanaranam-po hoe “Jereo aho” na ny famelezana ny hafa amin’ny alalan’ny resaka an-kasiahana lava reny ao amin’ny tambazotra ifaneraserana. Ny ohatra iray fanampiny dia ilay “fizahozahoana amin’ny fomba malefaka.” Izy io dia faritana ho toy ny “teny [na sary] izay toa manetry tena na manambany tena, kanefa ny tena tanjony marina dia ny hisintona ny eritreritra ho amin’ny zavatra izay mampirehareha ny tena.”30 Ireo mpaminany dia efa nampitandrina mandrakariva ny amin’ny avonavona sy ny fanindraindrana ny zava-poanan’izao tontolo izao.31

Olana iray ihany koa ny fihanaky ny fahasimban’ny fifandraisana amim-panajana. Ny fitsipika mandrakizain’ny fahafahana misafidy dia mitaky antsika hanaja ireo safidy maro izay tsy ekentsika. Ny tsy fifankahazoana sy ny fifandirana ankehitriny no matetika mandika ny “fefin’ny fahalalam-pomba tsara izay iraisana.”32 Mila fahatsorana sy fanetrentena misimisy kokoa isika.

I Almà dia nampitandrina ny amin’ny “[fikirizana] ao amin’ny avonavon’ny fonareo,” amin’ny “[fiheverena] fa ianareo dia tsaratsara kokoa noho ny hafa,” ary amin’ny fanenjehana ireo manetry tena izay “mandeha araka ny lamina masin’ Andriamanitra.”33

Mahita hatsarana tsisy fitaka aho eo anivon’ireo olona avy amin’ny antokom-pinoana samihafa izay manetry tena sy mahatsapa tena ho tompon’andraikitra eo anoloan’ Andriamanitra. Maro amin’izy ireny no manaraka ny fampianaran’ny mpaminany Mika ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nanambara hoe: “izay ilain’i Jehovah aminao dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena.”34

Rehefa manetry tena marina isika dia mivavaka mba hangataka famelan-keloka ary mamela ny hafa. Araka ny hitantsika ao amin’ny Môsià, i Almà dia nampianatra fa isaky ny mibebaka isika dia havelan’ny Tompo ny fahadisoantsika.35 Etsy an-kilan’izay, araka ny voalaza ao amin’ny vavaka nataon’ny Tompo,36 dia hoe rehefa tsy mamela ny hadisoan’ny hafa isika dia mametraka ny tenantsika eo ambany fanamelohana.37 Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia ho voavela amin’ny alalan’ny fibebahana ny fahotantsika. Rehefa tsy mamela ireo izay manao hadisoana amintsika isika dia mandà ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy isika vokatr’izany. Ny fitanana lolompo na ny tsy fetezana hikarakara amim-panetrentena ny fifandraisantsika amin’ny fomban’i Kristy dia tena mitondra antsika marina ho amin’ny fanamelohana. Manimba ny fanahintsika ny fitanana lolompo.38

Mamelà ahy hampitandrina amin’ny fanambonian-tena. Nanavaka tamin’ny fomba henjana ny mpanambony tena sy ny mpanetry tena tamin’ny alalan’ny mpaminany Môrônia ny Tompo nanao hoe: “Manaraby ny adala, nefa hitoloko izy; ary ny fahasoavako dia ampy ho an’ny malemy fanahy .” Mbola nanambara koa ny Tompo hoe: “Omeko ho an’ ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’ izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”39

Anisan’ny fanetrentena ihany koa ny fahaizana mankasitraka amin’ireo fitahiana maro ananantsika sy ny fanampian’ Andriamanitra. Ny fanetrentena dia tsy karazana zava-bita lehibe mivandravandra na koa fandresena olana goavana be. Izany dia mariky ny tanjaka ara-panahy. Izany dia ny fananana fahatokian-tena mangina fa afaka miantehitra amin’ny Tompo sy manompo Azy ary manatratra ny tanjony isan’andro isan’andro sy isan’ora isika. Mivavaka aho ny mba hiezahantsika tsy tapaka hanana fanetrentena marina isan’andro eto amin’ity tontolo feno fifandirana ity. Misy tononkalo tiako indrindra iray izay milaza azy toy izao:

Ny fizahan-toetra ny fahatsarana no lalana

Hahafahan’ny olona iray miaina ireo zavatra mahazatra any amin’ny mandrakizay.40

Mizara fijoroana ho vavolombelona azo antoka aho ny amin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny lanja lehiben’ny fanompoana Azy amim-panetrentena isan’andro isan’andro. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Kathy Lette, ao amin’ny “Town and Country Notebook,” natontan’ny Victoria Marston, Country Life,7 jona 2017, 32; nampiana fanamafisana.

  2. Annie Tempest, “Tottering-by-Gently,” Country Life, 3 ôkt. 2012, 128.

  3. Jereo ny Salamo 90:4. Na fohy na lava amin’ny fandrefesan-taona eto an-tany, ny fotoana iainantsika dia fohy raha oharina amin’ny mandrakizay. “Ny rehetra dia toy ny indray andro amin’ Andriamanitra, ary ho an’ ny olona ihany no refesina ny fotoana” (Almà 40:8). Ny Apostoly Petera dia nanambara toy izao, “Nefa ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro” (2 Petera 3:8).

  4. Jereo ny Mosesy 1:6–9. I Kristy eto no miteny amin’ny maha-Andriamanitra Azy amin’ny fomba manetriketrika momba ny fahefana (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 47, footnote 11).

  5. Mosesy 1:10.

  6. Mosesy 1:39.

  7. 2 Nefia 26:33; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; 38:16; Fanambarana Ofisialy 2.

  8. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 dia miantomboka amin’ny hoe: “Ireo rehetra izay manetry ny tenany eo anoloan’ Andriamanitra.” Mametraka ireo zavatra takina hahafahana manao batisa izany avy eo. Jereo ihany koa ny Matio 11:28.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37.

  10. Fantatsika fa raha toa isika tsy mibebaka, sy mandray ireo ôrdônansy, ary manaraka ny lalan’ny fanekempihavanana izay manomana antsika ho amin’ny mandrakizay dia, “ho avy ny alin’ny haizina izay tsy misy asa azo atao” (Almà 34:33).

  11. Jereo ny 3 Nefia 27:27.

  12. Almà 34:32.

  13. Jereo ny 1 Nefia 11:26–33; 2 Nefia 9:53; Jakôba 4:7; Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 122:8.

  14. Almà 5:26.

  15. Almà 5:27.

  16. Jereo ny Almà 4:19.

  17. Joseph Smith, ao amin’ny Heber C. Kimball, “History of Heber Chase Kimball by His Own Dictation,” ca. 1842–1856, Heber C. Kimball Papers, 54, Church History Library; jereo ihany koa ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball, an Apostle; the Father and Founder of the British Mission (1888), 116.

  18. Heber C. Kimball, “History of Heber Chase Kimball by His Own Dictation,” 54; jereo ihany koa ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball, 116.

  19. Nampianatra ny Filoha J. Reuben Clark Jr. fa “Eo amin’ny fanompoana ny Tompo dia tsy ny toerana hanompoanao fa fa ny fomba hanaovanao izany no manan-danja. Ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mandray ny toerana izay niantsoana azy ny olona iray, izay toerana sady tsy katsahina no tsy lavina” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1951, 154).

  20. Jereo ny The Joseph Smith Papers, Documents, Volume 5: October 1835–January 1838, ed. Brent M. Rogers sy ny hafa (2017), 412–17. I Vilate Kimball dia nilaza tao anatinin’ny taratasy iray ho an’ny vadiny, Heber C. Kimball, fa nandika ny fanambarana avy ao amin’ny “bokin’ny Loholona Marshs tahaka izay nanoratany izany avy amin’ny vavan’i Joseph” izy (Vilate Murray Kimball to Heber C. Kimball, 6 sept. 1837, ao amin’ny The Joseph Smith Papers, Documents, Boky 5: Ôktôbra 1835–Janoary 1838, 412).

  21. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10; nampiana fanamafisana.

  22. Jereo ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball, 136–37.

  23. Jereo ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball, 149.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:21–22; nampiana fanamafisana.

  25. “Noho isika tsy mangataka ny hisaorana amin’ny antso iray dia, raha miova ny toe-javatra iainantsika dia azo ekena ihany ny hifampiresahantsika amin’ireo izay nanome ilay antso ary avy eo dia mamela azy ireo handray ny fanapahan-kevitra” (Boyd K. Packer, “Called to Serve,” Ensign, nôv. 1997, 8).

  26. Jereo ny “Fanetrentena,” ao amin’ny toko 6 an’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 120.

  27. Jereo ny Charles J. Chaput, Strangers in a Strange Land (2017), 14–15; jereo koa ny Rod Dreher, The Benedict Option (2017).

  28. Carl Cederstrom, “The Dangers of Happiness,” New York Times, 19 jolay 2015, SR8.

  29. Môsià 3:19

  30. English Oxford Living Dictionaries, “humblebrag,” oxforddictionaries.com.

  31. Amin’ny lafiny sasany ity dia manamafy ny famaritana ao amin’ny bokin’i Almà ireo izay nahazo “ny zava-tsoa isan-karazany rehetra, izay efa azony noho ny taozavany; … [kanefa] izy ireo dia … nanandra-tena tao amin’ny avonavon’ny masony” (Almà 4:6 Nomarihana fa ny “fizahozahoana amim-panetren-tena” dia mbola fizahozahoana ihany.

  32. David Brooks, “Finding a Way to Roll Back Fanaticism,” New York Times, 15 aog. 2017, A23.

  33. Almà 5:53, 54.

  34. Mika 6:8.

  35. Jereo ny Môsià 26:30.

  36. Jereo ny Matio 6:12, 15.

  37. Jereo ny Môsià 26:31.

  38. Araka ny nolazain’i Nelson Mandela, “Ny fahatezerana dia toy ny fisotroana poizina ary avy eo dia manantena fa hahafaty ny fahavalonao izany” (ao amin’ny Jessica Durando, “15 of Nelson Mandela’s Best Quotes,” USA Today, 5 des., 2013, usatoday.com).

  39. Etera 12:26, 27; nampiana fanamafisana.

  40. Edmund Vance Cooke, “The Eternal Everyday,” Impertinent Poems (1907), 21.