2010
Fahano ny Ondriko
Aprily 2010


“Fahano ny Ondriko”

“Manaraha Ahy ary fahano ny ondriko” (F&F 112:14).

“Nilaza tamin’i Petera i Jesoa mba hamahana ny Ondriny. Izany no fomba nahafahan’i Petera naneho tamin’i Jesoa fa tia Azy izy.”

“Mama a! nanana andian’ondry angaha i Jesoa?”

“Tsia, sombinaiko. Antsoina hoe ilay Mpiandry Ondry tsara i Jesoa indraindray, ary isika no toy ny Ondriny. Nampianatra an’i Petera i Jesoa fa raha te-haneho amin’i Jesoa ny fitiavantsika Azy isika dia tokony hanampy ny hafa.”

“Izany ve no antony handehanantsika hanatitra ilay mofomamy any amin-drahavavy Jacobs aorian’ny takarivan’ny mpianakavy?”

“Eny, izay mihitsy. Kanefa tsara raha mieritreritra zavatra iray azonao atao ianao mba hanehoanao amin-dRahavavy Jacobs fa tianao izy.”

Nieritreritra ny zavatra azony atao i Olivia. Tsaroany fa tena tian’ny reniny sy ny renibeny ireo sary nataony.

“Haiko! Afaka manao karatra misy firarian-tsoa ho an-dRahavavy Jacobs aho ary manao sary ao anatiny!”

Nanao sary avana mahafinaritra iray i Olivia. Ary nasiany soratra tao anatin’ilay karatra hoe: “Mahazoa fahasalamana! Am-pitiavana, Olivia.”

Rehefa tonga tany amin’ny tranon-dRahavavy Jacobs i Olivia sy ny fianakaviany dia nanontany an-dRahavavy Jacobs ny mamany hoe manao ahoana izy izao. Nanomboka nitomany Rahavavy Jacobs.

“Vao fantatro vao teo fa mila mandeha any amin’ny hôpitaly aho mba hodidiana rahampitso. Matahotra kely aho.”

Natolotr’i mama an-dRahavavy Jacobs ilay mofomamy. Avy eo dia natolon’i Olivia azy koa ilay karatra misy firarian-tsoa nataony.

“Misaotra ry Olivia. Mitondra hery ho ahy ity karatra misy firarian-tsoa tsara tarehy nataonao ity sy ilay fitsikinao mahafatifaty.”

Tsapan’i Olivia ho toy ny nisy namihina ireny ny fony. Faly izy fa afaka nanampy an’i Jesoa namahana ny Ondriny.